Mandrakizay ny famindram-pon'i Iaveh

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo, Andriamanitra Ray,


  • Fihirana Hasina p. "569
  • Vavaka sy Hira p. "374
  • Fihirana Vaovao p. "450

(Sal. 135)
 
Mandrakizay ny famindram-pon'i Iaveh,
Mandrakizay.

1 Manomeza voninahitra
 An'i Iaveh tsara fo.
 
2 Manomeza voninahitra
 An'i Iaveh Tompo Tsitoha.
 
3 Manomeza voninahitra
 An'i Iaveh Tompon'ny tompo.
 
4 Dera sy laza ho an'i Iaveh
 Fa mahagaga ny asa nataony.
 
5 Dera sy laza ho an'i Iaveh
 Nanao ny lanitra amim-pahendrena.
 
6 Dera sy laza ho an'i Iaveh
 Nanao ny tany ambonin'ny rano.
 
7 Dera sy laza ho an'i Iaveh
 Mpiaro amin'ny loza, mpamonjy ny ory.
 
8 Dera sy laza ho an'i Iaveh
 Mpitantana tsara, mpandresy mahery.
 
9 Dera sy laza ho an'i Iaveh
 Nahatsiaro antsika vahoaka voaetry.
 
10 Dera sy laza ho an'i Iaveh
 Nanala antsika tamin'ny mpampahory.
 
11 Dera sy laza ho an'i Iaveh
 Manan-kohanina ireo velona aina.
 
12 Manomeza voninahitra
 An'i Iaveh mpanjakan'ny lanitra.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay