Ka ny olombelona e tsy hatahorako

(Sal. 26)

Tompo ô, ny endrikao manilo ahy,
Tompo ô, ny tananao mamonjy ahy.
 
1 Ka ny olombelona e tsy hatahorako,
 'Zay fahavalo tsy hampangovitra:
 Fa arovanao anie ny aiko. (indroa)
 
2 Raha miantso aho ô, henoinao,
 Raha mitady anao, hatoninao:
 Ianao no Raiko, ry Andriamanitra ô. (indroa)
 
3 'Lay tavanao e aza afenina ahy,
 Ka na diso aho, aza roahinao:
 Te ho tia anao fa zanakao. (indroa)
 
3 'Ty zanakao hangorahanao,
 Ka dia manantena e fa ho any an-danitra:
 Ny fitiavanao no andrandraiko. (indroa)

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 552
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.069