Jesoa Tompo Zokinay

Nampiditra: Belle
Sokajy: Komonio, Jesoa Kristy,


  • Fihirana Hasina p. "552
  • Vavaka sy Hira p. "646

Jesoa Tompo Zokinay, loharanon-karavoana,
Haninay sy herinay: tena mana vaovao.
Hafaliana sady toky, Andriamanitra tokoa,
Jesoa Tompo Zokinay: loharanon-karavoana.
 
1 Velona aina sy navitrika 're Razana fahiny
 Nofahananao Nahary 'lay sakafo mahagaga:
 Vatsy tokana sy antoka f'ianao no hafaliany;
 Jesoa Tompo Zokinay, loharanon-karavoana.
 
2 Velombolo nientanentana nandre anao, ry Jesoa,
 'Reo vahoaka arivoarivo nizarana mofo dimy;
 Tokam-po, iray fanahy, faly hampanjaka anao:
 Jesoa Tompo Zokinay, loharanon-karavoana.
 
3 Rah'namaky mofo ianao 'reto mpianatra dia nino:
 Fizarana, fahafoizana, no aina ho anay;
 Mba ho faly koa izahay hanasoa ny namanay;
 Jesoa Tompo Zokinay, loharanon-karavoana.
 
4 'Zany Ra sy Vatanao no amahananao vahoaka,
 Ny Fanahinao mahery anosoranao Mpanjaka;
 Miombona aina 'zao 'zahay satria re tokana ny Ray;
 Jesoa Tompo Zokinay, loharanon-karavoana.
 

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0073 s.] - Hanohana anay