Ianao, ry Iaveh, no fialofako

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo, Fifonana,


  • Fihirana Hasina p. "512
  • Vavaka sy Hira p. "300

(Sal. 70)

Ianao, ry Iaveh, no fialofako.
Ianao, ry Iaveh, no fanantenako.
 
1 Mba aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana,
 Vonjeo ka afaho noho ny fahamarinanao.
 
2 Mba atongilano ny sofinao amiko,
 Ka vonjeo aho, ry Iaveh tsara fo.
 
3 Ka aoka ianao ho vatolampy ho ahy,
 Izay azoko andosirana mandrakizay.
 
4 Ianao no efa nandidy ny hamonjy ahy,
 Satria ianao no trano mimandako.
 
5 Hilaza ny asanao aho, ry Tompo Iaveh ô,
 Sy hampahatsiaro ny fahamarinanao.
 
6 Nampianarinao aho raha mbola tanora,
 Ka mitory ny asanao mandrak'ankehitriny.
 
7 Mandra-pahatongavako antitra sy fotsy volo
 Aza ilaozanao aho, Andriamanitra ô.
 
8 Mba hampahafantarako ny herinao mahefa
 Amin'ireo taranaka ankehitriny sy ho avy.
 
9 Ka voninahitra ho anao, ry Ray Andriamanitra,
 Ho anao, ry Zanaka, ho anao, ry Fanahy.
 
10 Tahaka ny taloha sy ankehitriny
 Ka ho mandrakizay doria. Amen.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay