Ianao, ry Iaveh, mendrika hoderaina

(Sal. 64)

Ianao, ry Iaveh, mendrika hoderaina,
Mendrika hivavahan ao Jerosalema.
 
1 Ny nofo rehetra, ry mpihaino vavaka ô,
 Vesaran'ota ka tonga aminao:
 Tsy zakanay ny hadisoanay,
 Fa ianao manafaka anay.
 
2 Mba sambatra loatra izay voafidinao,
 Ka entinao ho any aminao:
 Horaisinay ny fanomezanao,
 Ny zava-tsoan'ny tempolinao.
 
3 Fa mahagaga ny valinteninao,
 Fahamarinana ô, mpamonjy anay:
 Ny tendrombohitra dia harin-tananao,
 Fa ianao mahery tokoa.
 
4 Mirohondrohona ny ranomasim-be,
 Mirohondrohona ny onjany koa:
 Mangina ireny sy izao tontolo izao,
 Teneninao Andriamanitray.
 
5 Ny asanao no manambara anao,
 Ka ny vahoaka matahotra anao:
 Miravoravo ny andro vao maraina,
 Ny takariva toa feno hafaliana.
 
6 Fa ianao mamangy an-tany atý,
 Mandatsaka orana, mamafy soa be,
 Ka feno rano ny onin-dohasaha
 Omaninao ny tanimbarinay.
 
7 Ny soritr'asa mahazo rano soa,
 Ny baingan-tany malemy avokoa:
 Ny tanimbary nomeny oram-be,
 Ny tsirim-bary nambininy koa.
 
8 Ny fanambinana nomen'ny Tomponay,
 Hanalokaloka ity taona ity:
 Mamirapiratra, fa feno fitiavana,
 Ny lalanao, ry Tomponahary.
 
9 Voarakotr'omby ireo tanetinay,
 Lonjehi-bary ny lohasahanay:
 Toa tazanay midera anao, ry Ray,
 Toa henonay miventy hira hoe:

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 64
Fihirana Hasina p. 511
Fihirana Vaovao p. 54
Vavaka sy Hira p. 294
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0772