Sambatra anie aho ka sambatra
(Sal. 22)
Sambatra anie aho ka sambatra
Manana an’i Iaveh ho mpiaro. (indroa)
1 Ny Tompo miandry ahy, 'zaho ondriny tsy ory,
Vilo-maitso no intondrany, moron-drano no iatoana
2 Velombelona ny aina, lala-marina no diavina,
Ary izy no miahy, dia ny anarany ihany.
3 Ny lohasaha ‘zay vakina, na maizina toa inona,
Izaho tsy mimalo, fa miaraka aminao.
4 Ny mitehina aminao mampisava ny ahiahy,
Ny rafiko mahita hanim-py eo anoloako.
5 Hasambarana fitiavana no homba ahy lalandava
Ny tranon'Izy Tompo no hitoerako hatrany.
Nampiditra hery
Fihirana Dera p.
63
Fihirana Hasina p.
712
Fihirana Vaovao p.
128
Vavaka sy Hira p.
260

