Ô ry Ray ô

1-  Ô ry Ray ô,
Rehefa mijery ny raiko aho,
Ny fikolokoloanao no fantatro aminy;
Ny famindram-ponao no tsapako eo:
Fa Idada nampianatra anay hivavaka:
Hivavaka hilaza aminao hoe: Ray !

 
2- Ô ry Ray ô,
Rehefa  eo akaikin’ny reniko aho,
Dia fantatro tsara fa mamy Ianao;
Ianao ilay malemy fanahy indrindra;
Fa Ineny nampianatra anay ho tia
An’ireo zanakao tsisy avakavaka.

 
3- Ô ry Ray ô, rehefa eo anilan’ny zokiko aho,
Voasarika handroso amin-kafaliana:
Matoky fa manana an’i Jesoa;
Ka lavitra anay ny hitebiteby
Satria manan-Joky Mpisolovava!

 
4- Ô ry Ray ô,
Rehefa eo anilan’ny zandriko aho,
Tsaroako fa vonona lalandava,
Ny Fanahinao no hery hanampy anay:
Fa ny zandry izarana an’izay manjo:
Fa ny Fanahy mankahery ny anaty fo!
 
5- Ô ry Ray ô,
Rehefa mibanjina an-janako aho
Matoky ny fanantenako ny aminy;
Mahatsiaro aho, mandinika an’i Jesoa;
 Ny valim-babena nomeny an-dReniny:
Nataony Mpanjakan’ireo voavonjy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747