Mba mamy ny anjaran'ny naman'i Jesoa

Nampiditra: hery
Sokajy: Komonio, Jesoa Kristy,


  • Vavaka sy Hira p. "773
  • Fihirana Hasina p. "582
  • Vavaka sy Hira p. "756
  • Fihirana Vaovao p. "375

1. Mba mamy ny anjaran'ny naman'i Jesoa
Tsy misy rofy intsony hanetsika ny foko.

Fiv. Tolory voninahitra i Jesoa Zanahariko:
Fa izy no nandresy ny ditran'ny foko
(indroa)

2. Foiko ny tany ratsy fototry ny fahotana,
Fa ny harena masina no efa an-tanako.

3. Leferiko daholo ny fijaliako,
Izaho te-hitondra ny Hazon'i jesoa.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay