Ny foko mitsaoka anao

1. Ny foko mitsaoka anao re,

Jesoa Zanahariko,

Fa ny tenanao no tonga

Ao antin'ny foko,

Ny hevitro efa tafakatra any an-danitra

Handao ny tany ratsy foana

Ny aiko sy ny ain'i Jesoa

Efa miray antiko.


2. Ny saiko tsy mba mahita

Ny havaliko anao

Afatsy ny fitiavana

Sy ny fiderana anao.

Ilaozako ny fahadalako fahiny

Fa foana ny soa hitako

Mba mitoera amiko, ry Jesoa,

Ambara-pahafatiko


Nampiditra hery
Vavaka sy Hira p. 753
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1378