Sambatra loatra ny fo tia Anao

1. Sambatra loatra ny fo tia anao

jesoa Hostia 'zay vao nohaniko

Fahasoavana mitosaka be

Mitsororoka ao anatin'ny foko

 

Fiv:  Ry Hôstia masina ô (Ry Hôstia masina ô)
Jesoa vao noraisiko (
Jesoa vao noraisiko )

Sambatra aho Tompo fa notsidihinao

(Sambatra aho, sambatra aho)

Sambatra aho, mijanòna,

mijanòna ato am-poko ry Jesoako.

 

2. Misaotra anao e, ry Jesoa Hôstia

Mamangy ahy mpanota tsy mendrika

Misaotra, ry Jesoa, fa mamiko izany;

Tsy hitako izay havaliko anao.

 

3. Inona re, Jesoa, no atolotro anao

Ny fikasako tsy hisaraka aminao

Tahio aho tsy hivadika indray

Ny sitra-poko tohano, Tompo ô.

 

Nampiditra admin
Vavaka sy Hira p. 752
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092