Ankehitriny ny firenen-drehetra

Nampiditra: Belle
Sokajy: Tononkira, Masina Maria, Fisaorana,


  • Fihirana Vaovao p. "542
  • Fihirana Hasina p. "340
  • Ankalazao ny Tompo p. "420

Ankehitriny ny firenen-drehetra dia iray lova
Ary mpiombona anjara amin'ny fampanantenan'
Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa. (Ef. 3, 6)
 
1 Ny foko midera ny Tompontsika,
Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
 
2 Fa indro manomboka ankehitriny
 Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
 Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
 Ilay hoe "Ny Masina no anarany".
 
3 'Lay mandrakizay ny indrafony
Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry ,
Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.
 
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
 Kanefa manandratra ireo ambany;
 Manototra soa an'ireo noana
 Fa mampody maina an'ireo mpanana.
 
5 Mpanarina an'Israely olony
 Satria mahatsiaro ny indrafony
 Nampanantenainy ny razantsika
 Ho an'i Abrahama sy izay taranany.
 
6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
 Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
 Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
 Ho mandrakizay alaovalo!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay