Misaora ny Tompo, ry mpanompon'i Iaveh
Misaora ny Tompo, ry mpanompon'i Iaveh.
(Sal. 133)
1 Aoka hisaotra an'i Iaveh àry
Ianareo rehetra mpanompon'Iaveh.
2 Ianareo izay manao fanompoana
Mandritra ny alina ao an-tranon'i Iaveh.
3 Asandrato ny tananareo
Anoloan'ny ôtely, misaotra an'i Iaveh.
4 Ilay nanao ny zava-drehetra,
Dia hitahy anareo ao Siôna anie i Iaveh.
5 Voninahitra anie ho an'ny Ray,
Ho an'ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.
Nampiditra Belle
Fihirana Dera p.
170
Fihirana Hasina p.
266
Fihirana Vaovao p.
306
Vavaka sy Hira p.
368