Raha mitana ny heloka ianao, Tompo ô

(Sal. 129)

Raha mitana ny heloka ianao, Tompo ô,
Iza no haharitra?
 
1 Tevam-be, ry Tompo, no iantsoako anao:
 Henoy re ny feoko, Tompo ô.
 
2 Ianao, ry Tompo, no feno indrafo,
 Ka manaja anao ny olon-drehetra.
 
3 Henoy ny talahon'ny fivavahako,
 Fa mietry tena 'ty mpanomponao.
 
4 Manantena anao ity fanahiko,
 Fa miandry anao sy ny teninao.
 
5 Lehibe tokoa ny faniriako anao,
 Fa ianao irery no mpanavotra ahy.
 
6 O ry Israely, antsoy ny Tomponao:
 Izy no hamela ny hadisonao.
 
7 Ny famindram-pony dia lalina tokoa,
 Izy irery ihany no handray anao.
 
8 Ny laza sy ny dera dia ho anao irery,
 Tompo Zanahary Andriamanitray.
 

 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana - Karemy - Salamo
Fihirana Dera p. 52
Fihirana Hasina p. 262
Fihirana Vaovao p. 224
Vavaka sy Hira p. 364
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0421