Mitsangàna fa sasa-miandry
(Mitsangàna fa miandry)
Mitsangàna fa sasa-miandry antsika anie ny Ray. (Lk. 15, 18)
(Sal. 23)
1 Ny tany, ny hareny: azy Tompo avokoa,
Dia izao rehetra izao ary izay monina ao,
Naoriny ambonin'ny rano izy ireny,
Napetrany tsara eo ambonin'ny ony;
2 Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo,
Hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
Sy 'zay tsy mianiana tsy to amin'ny hafa;
3 Dia izy no hany hotsofina rano,
Ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy,
Fa izy no dimbin'ireo izay nizaha
Ny endrik'ilay Andriamanitra Tompo.
4 'Nareo vavahady, atrakao ny tatao,
'Nareo varavarana re, miskatolika.orgondrotra!
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza àry moa no Mpanjaka malaza?
5 Ny Tompo mahery, ny Tompo tsitoha,
Ny Tompon'ny tafika mahery an'ady!
'Nareo vavahady, atrakao ny tatao,
'Nareo varavarana re, misondrota;
6 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompon'ny tafika mahery an'ady,
Ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!
7 Handeha àry hiara-midera ny Tompo!
Ny Ray: hanome voninahitra antsika;
Ny Zanaka: santatra, niantsoana antsika;
Fanahiny: nanamarina antsika!