Ry Tomponay Mpanjakanay rehetra

Nampiditra: Belle
Sokajy: Komonio,


  • Fihirana Dera p. "89
  • Vavaka sy Hira p. "746
  • Fihirana Vaovao p. "376

1 - Ry Tomponay, Mpanjakanary rehetra,
 Jesoa Hôstia, Andriamanitray:
 Ekenay mafy, inoanay tokoa
 Fa ianao eto anatrehanay.
 
Fiv: Hoderaina hatraiza hatraiza anie
Jesoa Kristy anaty Eokaristia;
Ny tenanay, ny Nosinay
Aoka hanjakany mandrakizay. (indroa)
 
2 - Ny hery be 'zay ianteheranay
 Dia ianao, ry Andrin'ny fonay;
 Tahio, vonjeo, fa manantena anao
 Ny Malagasy izay te ho anao.
 
3 - Notiavinao ireto olon-dratsy,
 Ka nomenao ny Ra, ny Vatanao,
 Namoizanao ny ainao sarobidy:
 'Zahay koa, ry Jesoa, ho tia anao.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay