Andriamanitray e

1. Andriamanitray e,
'Zahay misaotra Anao,
Noho ny zava-tsoa
Natolotrao anay.
Fa Ianao Ray be fitia
Mitsimbina anay zanakao.
Koa raiso ny fonay e
Avalinay Anao.

2. Ny saotra sy ny dera
Atolotray Anao izao
Tsy mba mendrika Anao
Ry Tompo mamin'ny fonay.
lraho ireo Anjely maro
Mpanotrona ny lapanao
'Zahay hiaraka hihoby
Ny fahandriananao.

3. Ry Ray be indrafo ô,
lantrao re ny vahoakanao
Milela-paladia
Fa nanota taminao.
Ario re ny helokay
Koa raiso re 'zahay rehetra
Ho tody soa aman-tsara
An-danitra tanindrazanay,

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 394
Vavaka sy Hira p. 472
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.13