Afaka olan-teny 'zay manan-joky

Nampiditra: hery
Sokajy: Trinité Masina, Jesoa Kristy, Andriamanitra Ray,


  • Ankalazao ny Tompo p. "201
  • Fihirana Dera p. "252
  • Fihirana Hasina p. "92
  • Vavaka sy Hira p. "458
  • Fihirana Vaovao p. "525

1. Afaka olan-teny 'zay manan-joky: 
I Jesoa no Zoky Andriamanitray. 
Sitraky ny Ray mba hisolo vava: 
Hifona ho anay noho ny helokay! (indroa)

2. Manan-jara ihany 'zay velon-dray. 
Mahery ny Ray Andriamanitray; 
Manan-jo 'zahay satria mpandova: 
Nomeny anay ' zao rehetra izao! (indroa)

3. Sambatra tokoa'zay mifankatia: 
Iray ny Fanahy Andriamanitray, 
Fihavananay zanaky ny Ray,
Ka mamy ny miaina ny fiainanay ! (indroa)

4 Velom-bolo kosa ny manan-dreny:
Fa Reny tokoa ny Fiangonanay,
Miaritra ny mafy fa mpivahiny:
Mitantana anay ho any an-tranon-dRay.  (indroa)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0068 s.] - Hanohana anay