Antsa mialoha ny hatory

Ity vavaka ity dia azo lazaina ho famintinana ny toe-panahin'ny olona iray votom-pinoana ka afaka mivavaka marina tokoa amin'ny Fanahy sy Fahamarinana :
Vavaka famaranana ny andro izy ity
(Azo jerena ao amin'ny tohiny ny dikan-teny niaviany; ny sora-mandry dia fanazavana hanampy hampahazo ny hevitry ny antsa):

Ry Tompo o! Akimpio ny masoko
Mba hahita indray ireo zava-mahagaga vitanao
Ka amin'izao andro efa mandrorona izao,
Meteza ianao hampiposaka hazavana vao indray
Hamirapiratra ao anatin'ny alina.

Tsy mety hahita ny fahasoavana azontsika avy amin'Andriamanitra isika raha toa ka mbola variana amin'ny zavatra ivelany ny masontsika. Mila mikimpy ny maso mba hahatsapa fa tsy ny hitany na izay ezaka nataontsika no nampamokatra ny zavatra nisasarana fa ny fahasoavany irery ihany.
Izay no mahatonga ny mpino hahatoky mandrakariva na dia tonga haizina sy tsy misy fanantenana aza ny fiainana : Izy ilay mampitsimoka ny voa rehefa matory ny mpamafy...

Enga anie ny fahanginana manodidina ahy
Hankahery ahy amin'ny halemen'ny finoako
Reko manakoako ao anatiko ao manko
Ireo Teny izay naloaky ny vavanao.

Raha mbola maheno ny tabataban'ny tontolo manodidina isika tsy afaka ny haheno ny tenin'Andriamanitra izay mibitsika ao anatin'ny mangina. Ny fahanginana no manampy antsika haheno sy hampiditra ao anaty ny tenin'Andriamanitra.

Ry Tompo o! Raha mbola miposaka ny andro
Dia hatolotro anao ny fanahiko
Ampy ho ahy ny fahasoavanao
Ka izy ihany no italahoako aminao
.

Ny fanantenana ny ampitso vaovao dia apetraka mandrakariva eo ampelatanan'Andriamanitra. manampy antsika be dia be kosa tsy hioha-pefy ny hafatr'i Ignace tany Loyola hoe : "rehefa miasa ianao dia hevero ho miankina aminao ny zava-drehetra... rehefa mivavaka hevero ho miankina main'Andriamanitra avokoa..."

 

More...

Ferme mes yeux pour revoir tes merveilles
En ce moment que le jour fuit!
Allume dans la nuit
Une clarté nouvelle!

Que le silence alentour me console
De la faiblesse de ma foi,
Puisque j'écoute en moi
Rèsonner ta parole!

Jusqu'à demain si se lève l'aurore,
Je t'abandonne mon esprit !
Ta grace me suffit,
C'est elle que j'implore.
P 127

(Antsa amin'ny vavaka famaranana ny andro PTP frantsay)

Hevitra mandeha

Isaaim ( 20/02/2014 19:59)
FANGATAHANA FIAROVANA AMIN’I MASINA MARINA
RY MASINA MARIA MPANJAKAVAVY NY LANITRA SY NY TANY
BE FIANDRIANANA INDRINDRA SY TOMPO VAVIN’I ANJELY
IANAO NO NOMENAN’ANDRIAMANITRA NY FAHEFHANA HATRIZAY ELA IZAY
HANOROTORO NY LOHAN’I SATANA
KOA MANGATAKA SY MIFONA AMINAO IZAHAY
MBA HIRAO NY TAFIKAO MASINA
ISAKANA NY DEMONY - IADY AMINY – ANDRESY AZY
ARY AMARINA AZY ANY AMIN’NY AFOBE.
AMEN

Masina Maria Mpanjakavavin’I Madagascar : mivava ho anay sy ho an’izao tontolo izao mba ho afaka amin’ny fitiavan-tena, fitiavam-bola sy fitiavam-boninahitra ary ny filandratsy ny nofo izahay. (Averina in-3)

Masina Maria fanasitranan’I marary : sitrano ny marary rehetra na ara-batana, na ara-tsaina na ara-panahy (Averina in-3)

Masina Maria Mpanjakavavy ny Rosery : mivavaha ho anay (in-3)

Masina Maria Mpanjakavavy ny fiadanana : mivavaha ho anay (in-3)

Anjelin’Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanakinan’Andriamanitra mpamindrafo ny aiko : hazavao aho anio, ambeno, tahio ary zakao . Amen

Fo Masin’I Jesoa : mamindra fo aminay
Fo Madion’i Maria: mivavaha ho anay
Md Joseph : mivavaha ho anay
Md Roch : arovy amin’ny aretina mifindra izahay
Md Bénoît : arovy izahay amin’ny demony manodidina any
Victoire [b]Rasoamanarivo Olontsambatra : Mivava ho anay
Md Jacques
Berthieu : Mivava ho anay
Cher Frère Louis Rafiringa olontsambatra : Mivava ho anay
Md Don Bosco : Mivava ho anay
Mb Thérèse n’I Jesoa zazakely : Mivavaha ho anay

- Anjely mpiambina anay : ambeno sy arovy ny tenanay,
- Anjely mpiambina ny fianakavianay : ambeno sy arovy ny fianakavianay,
- Anjely mpiambina ny fanananay : ambeno sy arovy ny fanananay
- Anjely mpiambina ny tanindrazanay : ambeno sy arovy ny tanindrazanay
- Anjely mpiambina ny namanay : ambeno sy arovy ny namanay
- Anjely mpiambina ny asanay : ambeno sy arovy ary ampio izahay @ asa izay rehetra ataonay mba hisy vokany tsara afahanay miahy ny fiainanay sy ny ankohonanay ary ny mpiarambelona aminay.
Fanahy Masina : Azavao ny sainay
Fanahy Masina : Amasino izahay
Fanahy Masina : Erezo izahay

Ianareo Fanahy rehetra ao amin’ny afo fandiovana atolory an’I Jesoa Kristy Tompontsika anie ny fijalianareo, ny fangirifirinareo ho honitry ny fahotanay ka ahazoanay izao fahasoavana angatahinay aminy izao ……….

Ianareo Olomasina sy Olontsambatra rehetra any andanitra : mivavaha sy mangata fahasoavana ho anay

RY FO MASIN’I JESOA : MATOKY ANAO TANTERAKA IZAHAY

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776