Lamesa momba ny fanambadiana masina

Fanambadiana ankalazaina mandritra ny Sorona Masina

Tononkira fidirana

Sal. 19, 3. 5.

Handefasan’ny Tompo vonjy avy any an-toerana masina anie ianareo sy hotohanany avy any Siôna, ka izay irin’ny fonareo anie hotanterahiny, izay rehetra kasainareo homeny.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, nasandratrao ho sakramenta sy nohamasinina ny fitia varo-maty ifaneken’ny mpivady mba hanambara ny firaisan’i Kristy sy ny Eglizy; koa mihanta aminao izahay: enga anie ny fahasoavana raisin’ireto mpanomponao amin’izao sakramenta izao, hampiasainy hitera-bokatsoa eo amin’ny fiainany manontolo.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 1, 26-28. 31a

 

Nataon’Andriamanitra lahy sy vavy ny olombelona.

Hoy Andriamanitra hoe: “Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voro-manidina eny amin’ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby mandady sy mikisaka amin’ny tany.”

Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika aminy no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo. Dia nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: “Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy; ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voro-manidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.” — Ary hitan’Andriamanitra izay nataony, ka tsara indrindra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

na:

Bokin’i Siràka

Ekleziastika 26, 1-4. 13-16

 

Toy ny masoandro miposaka ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy ao an-tranony voahaingo tsara.

Sambatra ny vadin’ny vehivavy tsara fanahy, ary hampitomboina avo sasaka ny andro iainany. Ny vehivavy mahery fo, dia fifalian’ny vadiny, izay miadana amin’ny taona iainany. Anjara soa ny vehivavy tsara fanahy, ary homena ho anjaran’izay matahotra ny Tompo izy. Ravoravo ny fon’ny lahy, na manan-karena izy na malahelo, miramirana lava ny tarehiny na rahoviana na rahoviana. Ny hasoan’ny vehivavy dia fifalian’ny vadiny, ary ny hazavan-tsainy mandrotsaka hery amin’ny taolany.

Fanomezana avy amin’Andriamanitra, ny vehivavy mangina, ary tsy misy azo oharina amin’ny vehivavy tsara taiza. Fahasoavana mihoatra noho ny fahasoavana rehetra ny vehivavy maotina, ary tsy misy rakitra soa noho ny vehivavy madio. Toy ny masoandro miposaka eny amin’ny hahavon’ny Tompo, ny famirapiratry ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy eo an-tranony voahaingo tsara.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

na:

Boky Jenezy

Jen. 2, 18-24

 

Ho nofo iray izy ireo.

Ary hoy ny Tompo Andriamanitra: “Tsy tsara raha irery ny lehilahy; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.” Ary ny Tompo Andriamanitra, izay efa namorona tamin'ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin'ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran'ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy. Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin'ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy. Ka nataon'ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony. Ny taolan-tehezana nalain'ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy. Ary hoy ralehilahy: “Amin'izao ity no taolana avy amin'ny taolako, sy nofo avy amin'ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy.” Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

na:

Bokin’i Tobia

Tob. 8, 5-10

 

Enga anie ho tratra antitra, ho salama tsy marofy izahay roroa.

Ny alin’ny nanambadiany, dia hoy i Tobia tamin’i Sarà hoe: “Zanaky ny olomasina isika ka tsy mahazo miray araka ny fanaon'ireo firenena tsy mahalala an'Andriamanitra.” Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po mba hanomezany azy ny fahasalamana. Hoy Tobia: “Ry Tompo Andriamanitry ny razanay, hisaotra anao anie ny tany aman-danitra, ny ranomasina, ny loharano sy ny ony, mbamin'ny zava-boahary rehetra ao aminy. Hianao no nanao an'i Adama, tamin'ny fota-tany sy nanome an'i Eva ho vadiny. Ary ankehitriny, ry Tompo, fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filan'ny nofoko no angalako an'ity anabaviko ity ho vadiko, fa noho ny faniriako ta-hamela taranaka izay hidera ny anaranao amin'ny taona rehetra ihany.” Ary hoy Sarà: “Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindra fo aminay, enga anie ka ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

na:

Boky Tononkira

Tononk. 2, 8-10. 14. 16a ; 8, 6-7a

 

Mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana.

Injay ny feon'ny malalako, indry tamy izy, miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra; mitsambikina amin'ny havoana. Manahaka ny gazela ny malalako, sy ny zanaky ny serfa vavy. Indro izy eo ivohon-drindrin-tranonay mijery eo am-baravarankely, mijery eo amin'ny makarakara. Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia! Ry voromahailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato; eo amin'ny fialofan'ny rindrim-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao. Ahy ny malalako, ary azy aho. Ataovy vita tombo-kase eo ambonin'ny fonao aho, sy vita tombo-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny seoly ny fahasarota-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon'ny Tompo. Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana, ny ony koa tsy mahasafotra azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 32, 12 sy 18, 20-21. 22.

Fiv.: Ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.

Sambatra loatra ny firenena manana ny Tompo ho Andriamanitra! Tretrika koa ny vahoaka izay nofidiny ho lovany! 
Izay matahotra ny Tompo no ahîny. Izahay manantena ny Tompo, ilay Mpitahy sy Mpiaro anay, fifalifalian’ny fonay: ny Anarany masina no tokinay. 
Ny fitiavanao, ry Tompo ô, ho eo aminay matoky Anao.

 

na:

Sal. 102, 1-2. 8-13. 17-18a

Fiv.: Ny hatsaram-pon’ny Tompo dia mandrakizay amin’izay matahotra Azy.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko: ny soa avy aminy aza misy hadinoina. 
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsy mba lalandava no ifandaharany, na mandrakizay no ahatezerany. Tsy araka ny otantsika no ataony antsika, na araka ny helotsika no avaliny antsika. Tahaka ny lanitra mambomba ny tany, ny fitiavany mambomba ny matahotra Azy. Tahaka ny atsinanana lavitra ny andrefana, ny hadisoantsika halaviriny amintsika.Tahaka ny ray mangoraka ny zanany, no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy. 
Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon'ny Tompo ho an'izay matahotra azy, sy ny fahamarinany amin'ny taranaky ny zanak'izy ireo, dia amin'izay mitandrina ny fanekeny.

 

na:

Sal. 127, 1-2. 3. 4-5.

Fiv.: Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra fehizay amin’ny lalany. Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao: hasambarana moa ny anao! 
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra eo anivon-tranonao; ny zanakao solofon’ôliva manodidina ny latabatrao. 
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Avy ao Siôna anie ny Tompo hitahy anao hatrany: hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra hiainanao.

 

na:

Sal. 148, 1-2. 3-4. 9-10. 11-12ab. 12d-14a

Fiv.: Hoderaina anie ny Anaran’ny Tompo.

Miderà ny Tompo any an-tampon'ny lanitra, miderà Azy any ambony any! Miderà Azy hianareo anjeliny rehetra, miderà Azy hianareo tafiny rehetra! 
Miderà Azy ry masoandro amam-bolana; miderà Azy hianareo kintana mamirapiratra rehetra. Miderà Azy ry lanitry ny lanitra ary hianareo rano ambonin'ny lanitra. 
Tendrombohitra mbaminareo havoana rehetra, hazo fihinam-boa mbaminareo havoana sedera rehetra, biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manan'elatra. 
Mpanjakan'ny tany mbamin'ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin'ny tany, zatovolahy sy virjiny tanora, lahiantitra sy zaza. 
Aoka hidera ny anaran'ny Tompo izy ireo, fa ny anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin'ny lanitra sy ny tany. Nanandratra ny fahefan'ny vahoakany Izy.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 5, 2a. 21-33 na 2a. 25-32 (fohy kokoa)

Zava-miafina lehibe no ambarako, dia mankamin’i Kristy sy ny Eglizy no lazaiko.

Ry kristianina havana, mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika.

Ary mahaiza mifanoa amim-pahatahorana an’i Kristy. Ianareo vehivavy maneke ny vadinareo toy ny anekena an’i Kristy Tompo; fa ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy no lohan’ny Eglizy izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy. Koa tahaka ny aneken’ny Eglizy an’i Kristy no tsy maintsy aneken’ny vehivavy ny vadiny koa, amin’ny zavatra rehetra.

Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy nahafoizany tena ho azy, mba hanamasina azy rehefa nodioviny tamin’ny rano sy ny teny izy, ka hanolotra azy ho an’ny Tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina, tsy manan-tsiny amam-pondro. Toy izany koa no tsy maintsy hitiavan’ny lehilahy ny vadiny izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy, toy ny ataon’i Kristy amin’ny Eglizy, satria rantsam-batany avy amin’ny nofo aman-taolany isika. Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa. Misy zava-miafina lehibe ny amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko.

Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

na:

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Piera 3, 1-9

Miraisa saina ianareo, miombòna alahelo, mifankatiava toy ny mpiray tam-po.

Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, ka raha misy ny sasany tsy mino ny Evanjely, dia mba ho voataonan’ny fitondran-tenan’ny vadiny na dia tsy amin’ny fitorian-teny aza, rehefa mahita ny fitondran-tenanareo madio sy feno fahatahorana. Aoka ny firavakareo tsy ho zava-tsoa ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena amana didy akanjo ara-pomba, fa ny olona eo anaty tsy miseho no ravaho halemem-panahy tsy miovaova sy fiadanana: izany no tena zavatra eo imason’Andriamanitra. Fa toy izany no firavaky ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an’Andriamanitra sy nanaiky ny vadiny; tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy nanao azy ho tompony; ary zanany ianareo, raha manao soa tsy aman-tahotra, na inona na inona fampitahorana anareo.

Ianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena, toy ny fanao amin’ny fanaka malemy; ento amim-panajana izy, fa mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana ianareo, mba tsy hisy hanampontsampona ny fivavahanareo. Farany, miraisa saina ianareo rehetra, miombòna alahelo, mifankatiava toy ny mpiray tam-po, mifamindrà fo, manetre tena. Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

na:

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 12, 31 — 13, 8a

Raha tsy manana fitiavana aho, dia tsy misy inoninona mahasoa ahy.

Ry kristianina havana, ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy, dia izao làlana tsara indrindra hatoroko anareo izao: Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho. Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin'ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho. Na dia zaraiko ho an'ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin'ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany. Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon'ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

na:

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina Kôlôsy

Kôl. 3, 12-17

Ambonin’ny zavatra rehetra dia mitafia fitiavana amim-pisaorana an’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, olom-boafidin’Andriamanitra ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin'ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan'ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin'izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin'ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan'ny Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie hianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin'ny Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin'ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin'ny fahasoavana hihira ho an'Andriamanitra ao am-ponareo, amin'ny salamo aman-kira fiderana, mbamin'ny tonon-kira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amim-pisaorana an'Andriamanitra Ray amin'ny alàlany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

na:

Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 19, 1. 5-9a

Sambatra izay nasaina ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.

Izaho Joany dia nandre hoatra ny feom-bahoaka betsaka tany an-danitra, reko nanao hoe: “Aleloia! An'Andriamanitra ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery.” Dia nisy koa feo nivoaka avy ao amin'ny seza fiandrianana nanao hoe: “Miderà an'Andriamanitra hianareo mpanompony rehetra, sy hianareo matahotra azy rehetra, na kely na lehibe.” Ary nisy hoatra ny feon'olona maro be, sy tahaka ny firohondrohon'ny ranobe, ary sahala amin'ny fikotrokotroky ny kotro-baratra mafy, reko nanao hoe: “Aleloia! fa ny Tompo Andriamanitsika tsitoha no manjaka. Mifalia sy miravoravoa isika, ary manomeza voninahitra azy, fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ary efa voahaingo ny Vadiny; rongonim-bazaha madinika fotsy mamirapiratra no nomena hitafiany, dia ny asa soan'ny olo-masina izany.” Dia hoy ilay anjely tamiko: “Soraty: Sambatra izay nasaina ho amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra dia fitiavana; koa mifankatiava isika toy ny nitiavan’Andriamanitra antsika.

Aleloia.

na:

1 — Jo. 4, 12: Aleloia. Aleloia.

Raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.

Aleloia.

na:

2 — 1 Jo. 4, 16: Aleloia. Aleloia.

Izay mitoetra amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra ary Andriamanitra ao aminy.

Aleloia.

na:

3 — Aleloia. Aleloia.

Izay rehetra tia an’Andriamanitra dia avy amin’Andriamanitra sy mahalala an’Andriamanitra.

Aleloia.

1— Evanjely masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 19, 3-6

Aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.

Tamin’izany andro izany dia nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: “Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony?” Dia hoy Izy namaly azy ireo: “Tsy novakìnareo va fa Izay nahary ny olona tamin’ny voalohany dia nanao azy lahy sy vavy ary nilaza hoe: ‘Noho izany dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa.’ Noho izany, tsy roa intsony izy fa nofo iray. Ka aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

na:

2— Evanjely masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 10, 6-9

Tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.

Tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

na:

3— Evanjely masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 7, 21. 24-29 (lava) na 21. 24-25 (fohy)

Teo ambony vatolampy no nanorenany ny tranony.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo! no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hohàrina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany.” Ary nony efa vitan'i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin'ny fampianarany, satria nampianatra toy ny manana fahefana izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisiana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

na:

4— Evanjely masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 2, 1-11

Ilay famantarana nataon’i Jesoa Kristy tany Kanà any Galilea no voalohany tamin’ny famantarana nataony.

Tamin’izany andro izany, dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Nony inona, lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy: “Tsy manan-divay izy ireo.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako.” Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: “Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.” Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy, ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Fenoy rano ireo siny ireo.” Dia nofenoiny hatramin’ny molony. Ary hoy i Jesoa taminy: “Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana.” Dia nentiny. Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra ka nanao taminy hoe: “Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny.”

Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

na:

5— Evanjely masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 15, 12-17

Ny anafarako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Fanamasinana ny fanambadiana

Vita ny toriteny, dia aroso ny fombam-pivavahana amin’ny fanambadiana

 

Indro tonga eto ianareo hitondra ny fitiavanareo hohamafisin’Andriamanitra sy hankatoaviny amin’ny tombo-kase masina eto anatrehan’ny Pretran’ny Eglizy sy ny vahoaka kristianina, mba haharetanareo tsy hivadika hatramin’ny farany sy hahatontosanareo ny adidy rehetra ao amin’ny tokantrano.

Noho izany, eto anatrehan’ny Fiangonana, dia aoka ianareo hilaza ny tena hevitrareo.

— R... sy R…, tsy noterena ve ianareo, fa samy tonga eto an-tsitra-po tokoa hanao Mariazy?

* An-tsitra-po tokoa, Mompera.

— Samy vonona ve ianareo hanaraka ny lalàn’ny Mariazy, ka hifankatia sy hifanaja mandritra ny andro rehetra hiainanareo?

* Vonona izahay, Mompera.

Azo avela ilay fanontaniana manaraka ity, raha hita fa tsy ilaina.

 

— Samy vonona ve ianareo handray amim-pitiavana izay taranaka homen’Andriamanitra anareo sy hanabe azy araka ny lalàna avy amin’i Kristy sy ny Eglizy?

* Vonona izahay, Mompera.

— Noho ianareo vonona hanorina tokantrano marina, dia mifandraisa tanana, ary ambarao eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana ny fifanekenareo.

Mifandray tanana ny mpivady, ary mifandimby manao hae:

 

* Izaho R. . . dia mandray anao R. . . ho vadiko ary manome toky fa tsy hivadika aminao na an-kasoavana na an-karatsiana, na inon-kidona na inon-kihatra, ka ho tia anao sy hanaja anao mandritra ny andro rehetra hiainako.

Raha hita fa mety hahasoa, dia azon’ny Pretra anontaniana tsirairay ny mpivady ka mamaly tsirairay koa.

 

— R…, tianao ve ny handray an-dRa... ho vadinao ary manome toky ve ianao fa tsy hivadika aminy na an-kasoavana na an-karatsiana, na inon-kidona na inon-kihatra, ka ho tia azy sy hanaja azy mandritra ny andro rehetra hiainanao?

* Tiako izany.

Dia azon’ny Pretra atao ny manatsotra ny tanany havanana eo ambonin’ny tanan’ny mpivady mifandray, sady hoy izy hoe:

 

— Hankatoavin’Andriamanitra sy hohamasininy anie izao fifanekenareo teto anatrehan’ny Fiangonana izao, ary hofenoiny tso-drano mitafotafo ianareo. Izay nakamban’Andriamanitra aoka tsy hosarahin’olombelona.

* Amen.

Raha hita fa mety dia atao ny fanamasinana ny peratra sy ny fifanolorana azy.

 

Hamasino, ry Tompo, ireto peratra tsofinay rano amin’ny Anaranao ireto, ka enga anie ireo hitondra azy, mba tsy hivadika amin’ny vadiny na oviana na oviana, ary hombàn’ny fiadanana hatrany, eo am-panatanterahana ny sitra-ponao, dia ho velona mifankatia mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

* Amen.

Atsofoky ny lahy (aloha vao ny vavy) amin’ny rantsan-tanan’ny vadiny ny peratra, ary azony atao ny milaza an’izao raha hita fa mety:

 

* R. . . , raiso ity peratra ity ho famantarana ny fitiavako anao tsy mivadika, amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

* Amen.

Ranombavaky ny mpino

Miaraha isika mampakatra vavaka amin’Andriamanitra ho an’ireto mpanambady ireto sy ho an’ny tokantrano kristianina rehetra eran-tany ary izay rehetra mbola miandry ny ho anjara fiainany, mba samy ho vavolombelona hahitana ny fitiavan’Andriamanitra ny fitiavana asehony.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Mivavaha isika ho an’ny tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny Eglizy mba hahaizany manomana ny olombelona hifankatia, hahafahan’Andriamanitra manjaka ao aminy. 
* Mangataha amin’Andriamanitra ho an’ny filoham-pirenena rehetra hanajany tanteraka mandrakariva ny zon’ny fianakaviana sy ny mpivady, mba hahafahan’ireo manabe tsara ny taranany. 
* Maro ireo fianakaviana mijaly na ara-panahy na ara-nofo na ara-tsaina, maro koa ireo tsy misy mpitia; koa mivavaha mba hampisehoan’Andriamanitra ny fitiavany izy rehetra. 
* Tsarovy manokana eto ireo tanora mbola manomana ny ho aviny sy mamantatra izay ho anjarany, mba ho fitiavana mandrakariva no hokendreny amin’izay rehetra kasainy. 
* Mivavaha mba ho feno ny tso-dranon’Andriamanitra ireto mpanambady ireto, ho vavolombelona hampiseho ny fitiavan’Izy Tompo eo amia’ny mpiara-monina amin’ny fifankatiavany. 
* Akambano ny fontsika rehetra hivavaka ho azy, hahatonga taiza ny zanany sy ho mamy hoditra amin’ny mpiara-belona ary hiadam-pinaritra ao amin’ny tokantranony.

 

Andriamanitra ô, fony Ianao nahary ny taranak’olombelona dia sitrakao naseho ny maha-iray nofo amam-panahy ny mpivady; koa akambano amin’ny fehim-pitiavana iray tsy mivaky ireto mpanomponao ary ataovy miroborobo fitiavana mba ho vavolombelona haneho ny fitiavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

na hoe:

Avia, ry Tompo, mora fo, mba atreho ny fitalahoanay, ary rotsahy ny fahasoavanao ireto mpanomponao; efa nakambany teo amin’ny ôtelinao ny fony, koa enga anie izy hiorina amin’ny fifankatiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

na hoe:

Tompo ô, nakambanao tamin’ny fanambadiana masina tsy azo sarahina ireto mpanomponao, ary efa nirinao ny hanampy azy hiray fo na an-kasoavana na an-karatsiana; koa mba ampitomboy sy hamasino ny fitiavany, hahitany hafaliana omban-janaka amam-para, ary hifanampiany handroso fahamasinana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ity fanatitra atolotra ho an’ny mpanambady ity, fa Ianao no nanome izao fahasoavana izao, ka enga anie hitantana azy hatrany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy

 

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Fa nofehezinao amin’ny jiogam-pitiavana mampiray fo sy amin’ny fatorana mampihavana tsy azo vahana ny fifaneken’ny mpivady; ka ampitomboy isa amin’ny zanaka atsanganao, ny tokantrano kristianina manana fara aman-dimby. Fa ny fandaharanao sy ny fahasoavanao, ry Tompo, no itsimbinanao ny mpivady amin’ny fomba tsy hay lazaina, ka ny zaza aterany, ravak’ity fiainana ity, dia hampitombo isa ny zanaky ny Eglizy, noho ny aina vaovao omena azy amin’ny Batemy, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Fa amin’ny alalany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Olomasina rehetra, mihira sy mankalaza Anao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina masina...

 

Vavaka manokana ho an’ny mpanambady

Atao aorian’ny Rainay:

 

Mangataha isika amin’ny Tompo ho an’ireto mpanambady manorina tokantrano ka manatona ny ôtely ireto, mba hiezaka hifankatia lalandava izy (fa mandray anjara amin’ny Vatana aman-dRan’i Kristy).

Ry Ray masina ô, ny olombelona nataonao mitovy endrika aminao dia noarînao lahy sy vavy, mba hanatontosa ny adidiny eo amin’izao tontolo izao ny lehilahy sy ny vadiny miray nofo sy miray fo.

Andriamanitra ô, sitrakao hanambara ny kendren’ny fitiavanao ny fifankatiavan’ny mpivady ary tianao ho tandindon’ilay fanekeni-pihavanana natomboka tamin’ny vahoakanao.

Ary ny Sakramenta iraisan’izay mpivady mino Anao dia mampiharihary ny firaisan’i Kristy sy ny Eglizy. Koa mihanta aminao izahay: mba arovy amin’ny herinao ireto R… sy R.. . mpanomponao ireto.

Enga anie, ry Tompo, izao tokantrano aoriny amin’ny sakramenta izao mba hifanomezany ny soa avy amin’ny fitiavanao; mifankatia sy miara-monina izy mivady, ka enga anie izany hahatsiarovany fa eo anilany Ianao, ka ho iray fo amam-panahy izy ireo.

Ary enga anie, ry Tompo, ny tokantrano aoriny mba hiarahany manatevina amin’ny asany, ary ny zanany kosa hobeaziny araka ny Evanjely, hahazoan’izy rehetra hiara-miriaria amin’ny fianakavianao any an-danitra.

Ramatoa R… mpanomponao anie ho sitrakao hofenoina ny tso-dranonao hahatontosa ny adidiny amin’ny vadiny aman-janany, hadio fitiavana hanafana ny tokantranony, ary ho sariaka endrika handravaka azy.

Ary Andriamatoa R… mpanomponao koa, ry Tompo, ombao ny tso-dranonao avy any an-danitra, mba hahatanteraka ny adidiny amin’ny vadiny izy ary ho andry hiankinan’ny zanany.

Tonga hanorina tokantrano eto anatrehanao izy ireo, ry Ray masina, (ary maniry hiara-mihinana amin’ny fanasanao), koa mba ataovy faly ho anisan’ny voaasa any an-danitra indray andro any.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Ef. 5, 25. 27

I Kristy dia fatra-pitia ny Eglizy ka nanolo-tena ho azy mba hifidianany azy ho malalany, masina tsy manan-tsiny.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie ny hasin’ny Sakramenta noraisin’ireto mpanomponao mba hitombo ao aminy mandrakariva, ary ny Sorona natolotray anie hampahazo voka-tsoa anay rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Tso-drano

— Enga anie Andriamanitra Ray mandrakizay hitahy anareo haharitra hifankatia sy hiray fo, mba hanjaka ao aminareo ny fiadanan’i Kristy ary honina lalandava ao an-tokantranonareo.

V— Amen.

— Enga anie hombàn-tso-drano ianareo, hahazo fara aman-dimby, ho hendry taranaka amam-para, ho finaritra amin’ny havana aman-tsakaiza ary hihavana sy hiray hina amin’ny tany ama-monina.

V- Amen.

— Enga anie ianareo ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao, ary enga anie ireo havantsika ory sy malahelo hahita vonjy aminareo, mba ho faly handray anareo rahatrizay.

V— Amen.

— Ho antsika mianakavy manatrika etoana: Hitsodrano antsika anie Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra: ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

V- Amen.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0663