Vavaka (hasivianandro) amin'ny alalan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely

Ianao ry Masimbavy Terezy fatra-patoky an'i Jesoa. Ianao koa nilaza hoe "Ho laniako amin'ny fanaovan-tsoa ny tany ny Lanitro". Koa mangataha amin'Andriamanitra ho anay mba:

- ho tia sy hatoky Azy tahaka anao izahay

- ho tia sy hanompo ny Fiangonanay

- ho tia sy hanasoa ny namana sy ny mpiara-belona.

Fa ny angatahinay indrindra aminao dia ny mba... (tononina eto ny fahasoavana angatahina), ho voninahitr'Andriamanitra. Amen

Rainay...

Arahaba ry Maria...

Voninahitra...
 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0641