Vavaka atao @ ORA MASINA, oran'ny Famindrampon'Andriamanitra

Hoy Jesoa t@ Mb Faustine: “Isakin’ny mipaika ny @ 3 ora dia mitafia tanteraka ny famindrampoko ianao sady mitsaoka azy no manome voninahitra azy, miantsoa ny heriny lehibe ho an’izao tontolo izao ary indrindra ho an’ireo mpanota fadiranovana satria @ io fotoana io ny fanavotana dia misokatra ho an’ny rehetra; @ io ora io dia afakahahazo izay rehetra ilainao ianao sy ho an’ny hafa ihany koa; @ io ora io, dia tsy ho haiko ny mandà ny fanahy mivavaka amiko  @ alalan’ny fijaliako”

 

VAVAKA:

Amin'ny anaran’ny Ray mahefa ny zavatra rehetra, sy ny Zanaka tompon’ny zavatra rehetra, sy ny Fanahy Masina iombonan’ny zavatra rehetra. Amen

Ry Ray mandrakizay o, atolotro Anao ny vatana, ny rà, ny fanahy, sy ny maha Andriamanitra an’ilay Zanaka malalanao, dia i Jesoa Kristy Tomponay, ho fanonerana ny fahotanay sy ny an’izao tontolo izao.

 

(Noho ny fijaliana mangirifiry niaretany,

Mamindrà fo aminay sy @ izao tontolo izao) averina im-polo

 

Ry Andriamanitra Masina, ry Andriamanitra mahery, ry Andriamanitra velona mandrakizay,

Mamindra fo aminay sy @ izao tontolo izao.

 

Ry Ra sy rano miboiboika avy @ fon’i Jesoa, loharanon’ny famindrampo ho anay,

Matoky Anao izahay.

 

Jesoa o, matoky anao izahay.

Hevitra mandeha

( 26/04/2024 22:17)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0243