Arahaba ry Maria

(Na Fiarahaban'ny Anjely)

 

Arahaba ry Maria, feno hasoavana.

Ny Tompo ao aminao.

Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,

ary nosoavina i Jesoa hateraky ny kibonao.

Masina Maria, Renin'Andriamanitra,

Mivavaha ho anay mpanota.

Ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay.

 

Amen.

Hevitra mandeha

Fyrose ( 27/02/2024 07:03)
Mbola tsara jiaby.

Mikasika ARAHABA RY MARIA.
Fiarahabana nataon'ny Anjely io tamin'izany andro izany.
Mbola tao ambohoka i Jesoa tamin'io fotoana io.

Efa teraka ela be izy. Manao ahoana tompoko ilay fotoan'ny fehezanteny dia mbola fotoana ho avy(futur) ihany no ampiasaintsika. " Nosoavina i Jesoa hateraky ny kibonao".
I Jesoa moa tsy misy mahafantatra ny fotoana nisiany tany an-danitra tany. Izy tompony no niteny tamin'ireo mpianany hoe:" Mbola tsy ary aza i Moizy dia efa nisy zaho". Mazava izany teny izany fa efa ela be no nisiany.

Tamin'ny fandalovany teto an-tany ihany no resahintsika eto, efa 2000 taona lasa koa izany.
Mba tokony hiova amizay ny "temps" ampiasaintsika eto.

Sa kosa ilay fandikana teny tany no nisy tsy nety satria taty afara be no vao nisy ny boky.
Misaotra.

Serge Fyrose

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0844