Vavaka (hasivianandro) miaraka @ i Mb Thérèse d'Avila

Tompo o, inona no sitrakao amiko?

Anao aho satria noharinao,

Anao satria navotanao,

Anao satria leferinao,

Anao satria nantsoinao,

Anao satria nirinao,

Anao satria tsy navelanao ho very.

 

Koa inona no tinao hanaovana ahy?

Inty ny oko apetrako eo am-pelatananao.

inty ny vatako sy ny aiko ary ny fanahiko,

ary ny fihetseham-poko manontolo.

 

Inona no tianao hanaovana ahy?

Izay anavanao ahy na ho faty na ho velona,

na harary na ho salama,

na ho deraina na ho esoina,

na hikorontana na hiadana tanteraka,

na ho osa na hahery.

Ho valiako Eny hatrany hatrany.

Rainay any an-danitra...

Arahaba ry Maria...

Voninahitra anie...

 

VAVAK A MANGINA(5mn)

Mb Thérèse d'Avila, mivavaha ho anay.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101