Papa Joany XXIII sy Joany Paoly II ho olomasina

Amin'ny 27 aprily 2014 no hasandratra ho olomasina ny Papa Joany XXIII sy ny Papa Joany Paoly II ary eto Vatikana Roma no hanaovana izany. Fotoan-dehibe ho an'ny Katolika izany ary koa ho an'ireo olona rehetra izay nomarihin'ny toe-panahy nananan'ireto Papa roa ireto ny fiainany. Tsy ny Katolika ihany mantsy no mahalala ireo Papa roa ireo satria ny Papa Joany XXIII izay nanokatra ny Konsily Vatikana faharoa dia Papa izay isan'ny nisokatra voalohany tamin'ireo kristianina rehetra maneran-tany. Ny Konsily Vatikana Faharoa rahateo dia mitory ny fisokafan'ny Fiangonana. Ny Papa Joany Paoly II kosa indray dia nisantatra ny famangiana firenena maro maneran-tany sy nihaona tamin'ireo filoham-pinoana isan-karazany. Koa azo lazaina fa fety lehibe ho an'izao tontolo izao mihitsy ny 27 aprily izay hanambaran'ny Fiangonana ampahibemaso fa masim-piaina ka azo alain-tahaka ireto Papa roa ireto.

Mialoha ny 27 dia misy ireo fiomanana isan-karazany izay atao any fiangonana isan-tsokajiny. Raha ny eto Roma manokana dia toa izao ny fandaharam-potoana.

  • 22 Aprily: amin'ny 8 sy sasany alina dia fihaonana ho an'ny tanora hanomanana ny fanandratana ho olomasina. Ao amin'ny Bazilikan'i Md. Joany ao Laterano (Roma) no anaovana izany.
  • 26 Aprily: manomboka amin'ny 9 ora alina dia hisokatra ny fiangonana maromaro eto Roma ka hisy alim-bavaka sy fikofesena mandritra izany. Ireto ireo fiangonana hisokatra

    S. Agnese in Agone a Piazza Navona

    Via di Santa Maria dell’Anima 30 A – 00186 ROMA PO

    S. Marco al Campidoglio

    Piazza San Marco 48, 00186 ROMA ITA, ING

    S. Anastasia

    Piazza di Sant’Anastasia - 00186 ROMA POR

    Santissimo Nome di Gesù all’Argentina

    Piazza del Gesù, 00186 ROMA ITA, SPA

    S. Maria in Vallicella

    Via del Governo Vecchio 134 – 00186 ROMA ITA

    S. Giovanni dei Fiorentini

    Via Acciaioli 2, 00186 ROMA ITA

    S. Andrea della Valle

    Piazza Vidoni 6, 00186 ROMA FRA

    S. Bartolomeo all’Isola Tiberina

    Isola Tiberina22, 00186 ROMA ITA, ARAB

    S. Ignazio di Loyola in Campo Marzio

    Via del Caravita 8/a, 00186 ROMA ITA

    Chiesa delle SS. Stimmate

    Largo delle Stimmate 1, 00187 Roma ITA

    Chiesa dei XII Apostoli

    Piazza Santi Apostoli, 51 00186 ROMA ITA

    Basilica Sacro Cuore di Gesù

    Via Marsala 42 00186 ROMA ITA
  • 27 aprily: Amin'ny 10 ora Lamesa lehibe hanandratana ho olomasina ny Papa Joany XXIII sy Papa Joany Paoly II eo amin'ny tany malalak'i Md. Piera Vatikana. Marihina fa tsy misy tapakila hozaraina toa ny mahazatra amin'io fa fidirana malalaka.
  • 28 aprily: amin'ny 10 ora. Lamesa fisaorana an'Andriamanitra eo amin'ny tany malalaka Md. Piera Vatikana

Araka ny nambaran'ny Eveka Malagasy izay nandalo teto Roma tamin'ny fara'ny volana marsa teo dia ny kristianina malagasy eto Roma no nangatahan'izy ireo hisolo tena ny Malagasy rehetra izay tsy afaka manatrika izany fotoan-dehibe izany.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102