Nasandratra ho olomasina ny Papa Joany XXIII sy Joany Paoly II

Dia nasandratry ny Papa Fransoà ho olomasina ny 27 aprily teo ary ny Papa Joany faha-23 sy ny Papa Joany Paoly faha-2. Sambany teo amin'ny tantara no nisian'ny fihaonana papa 4 toa ny tamin'iny lamesa lehibe iny, satria dia nanatrika teo ihany koa ny Papa misotro ronono Benoà faha-16. Tomefy olona tanteraka i Vatikana. 

"Lehilahy nanana herim-po teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana sy izao tontolo izao ireto Papa roa ireto", hoy ny filazan'ny Papa Fransoà, raha nanazava ny fiaimpiainan'i Wojtyla sy Roncalli izy.  "Tsy nihemotra nanoloana ny fijaliana sy ny ferin'izao tontolo izao fa vao maika kosa aza nijoro ho vavolombelon'ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny famindram-pony". Alahadin'ny famindram-po tokoa ny alahady faharoan'ny Paka izay nanandratana ireto olomasin'ny Fiangonana ireto ka nampifandraisin'ny Papa Fransoà tamin'izany lohahevitra izany izao zava-dehibe iainan'ny Fiangonana izao. "Mpisorona nandritra ny taonjato faha 20 izy ireo ka nahita ireo fikorontanana nisy teto amin'izao tontolo izao, saingy tsy mba resin'izany izy ireo fa vao mainka kosa fitaratra nahitana ny tanjaky ny finoana."

Teny Amparibe teny amin'ny Sekoly Masindahy Misely no nankalazan'ny diosezin'Antananarivo manokana ity fotoana lehibe ity izay naha tomefy olona tokoa. Na izany aza anefa dia nisy ihany ireo Malagasy izay nisolo tena an'i Madagasikara nanatrika tany am-potony tany Roma ny fanandratana ho olomasina ny Papa roa ity.

                                                                                                                                                                 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0265