HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKA HO AMIN’NY FIRAISAN’NY KRISTIANINA 2017/ 18 - 25 Janoary 2017

NDAO HIHAVANA ISIKA AMIN'ANDRIAMANITRA: « Ny fitiavan’i Kristy no manery antsika amin’izany. »  2 Ko 5, 14-20 

FAMPIDIRANA

Ho an’ireo rehetra mandamina ny Herinandro Fiaraha-mivavaka ho amin’ny firaisan’ny kristianina

Tadiavina mandava-taona ny firaisana, fa tsy ao anatin’ny herinandro fotsiny, na amin’ny andro alahady iaraha-mivavaka ihany.

Any amin’ny faritra avaratra, ny 18-25 Janoary no fanaovana ny herinandron’ny Vavaka mba hiraisan’ny kristianina : daty natolotr’i Paul Wattson, eo anelanelan’ny fankalazana ny fetin’ny Petera sy ny an’i Paoly. Misy dikany manokana io safidy io. Aty amin’ny ilany atsimo kosa, dia daty hafa, amin’ny andro mafana, « Pentekôsta » ohatra no naroson’ny Foi et Constitution, tamin’ny taona 1926, hanaovana azy.

Fotoana hahafahana mifanerasera sy mifankafantatra misimisy kokoa eo amin’ny samy mpino eo anivon’ny FFKM mantsy ny fotoana toa izao, ka tokony hararaotina. Tari-dalana ihany ity, fa ianareo any amin’ny faritra samihafa no mahafantatra izay hanatanterahana an’izany.

Farany araraotina koa izao fotoana izao hampahatsiahivana antsika ny « Alahadin’ny FFKM » izay hanatanterahana ny rakitra ho an’ny asa ao amin’ny Foibe FFKM. Ny 22 Janoary no alahady ivon’ny Herinandro Fiaraha-mivavaka ho amin’ny firaisan’ny Kristianina amin’ity taona ity. Aoka tsy hohamaivanintsika izany adidy fanao niaraha-nanaiky efa an-taonany maro izany, fa mariky ny fiombonana hita maso, ary tena ilaintsika eo amin’ny fanefana ny asa.

 

Tenin’ny Soratra Masina ho an’ny taona 2017: II KO 5, 14-20

Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray : maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray ; noho izany, nandalo fahafatesana koa izy rehetra. Maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony ireo velona, fa ho an’Ilay efa maty sy nitsangan-ko velona hamonjy azy.

Ka hatramin’ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan’olombelona intsony aza izahay fahiny, dia tsy manao toa izany intsony ankehitriny. Raha misy olona tafaray amin’i Kristy dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra tranainy, ary efa mby eo ny zavatra vaovao. Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra. Izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana hitaona ny hafa hihavana aminy. Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan’ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy, ary efa napetrak’Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany.

Koa dia iraka solotenan’i Kristy izahay, ka tahaka ny hoe Andriamanitra mihitsy no mananatra anareo amin’ny alalanay. Solotenan’i Kristy izahay no miangavy anareo hoe: meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo.

 

 

FANOLORANA NY LOHAHEVITRA II KO 5,14-20

  • Avy amin’Andriamanitra ny fampihavanana amin’ny zava-boahary rehetra
  • Izany no avoitran’ity andalan-tsoratra masina ity : « Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan’ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy ; ary efa napetrak’Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany. »

    Noho ny asan’Andriamanitra, raha nampihavanina ao amin’i Kristy ny olombelona, dia voantso hitory ny fampihavanana amin’ny asa. « Manery antsika ny fitiavan’Andriamanitra » « Voairaka isika, ka Andriamanitra mihitsy no miteny sy miantso anareo. Miangavy anareo izahay, amin’ny anaran’i Kristy, meteza hampihavanina amin’ny Tompo. Tsy ho moramora foana anefa izany fampihavanana izany. Nahafoy ny ainy ho antsika rehetra i Jesoa. Ireo iraka ho an’ny fampihavanana koa dia tsy maintsy mivonona hanolotra ny fiainany toa azy. Tsy velona ho an’ny tenan’izy ireo intsony izy, fa velona ho an’i Kristy, izay maty noho ny fitiavany azy ireo.

  • Ireo lohahevitra hodinihina mandritra ny havaloana:
  • Andro voalohany : Iray no maty hanavotra ny olona rehetra.
  • Andro faharoa : Tsy hivelona ao anatin’ny fitiavan-tena intsony,
  • Andro fahatelo : Tsy mijery toetran’olona amin’ny endrika eto ivelany fotsiny, 
  • Andro fahaefatra : Efa nilaozana ny lasa rehetra,
  • Andro fahadimy : Indro fa tongany fahamarinana tena izy,
  • Andro fahaenina : Nampihavanin’Andrimanitra aminy izao tontolo izao,
  • Andro fahafito : Ny asa fanavotan’ny fampihavanana,
  • Andro fahavalo : Mihavana amin’Andriamanitra. 

Manainga antsika hidera ny Tompo ny fotoam-pivavahana ekiomenika, satria nampihavana an’izao tontolo izao miaraka aminy izy. Fa tsy maintsy miaiky ny fahotantsika isika alohan’ny fihainona ny tenin’Andriamanitra, ary hanovo famelan-keloka eo anivon’ny famindram-pon’ny Tompo.

Vita izany vao afaka mijoro ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra eo anoloan’izao tontolo izao isika. 

  • Antso avo maika sy manery antsika hijoro ho vavolombelona

 Sady manery antsika hiombom-bavaka ho an’ny firaisan’ny kristianina ny fitiavan’i Kristy no mitaky amintsika hahay mangataka amin’ny Tompo ny fahasoavan’ny fampihavanana, izay tena ilain’ny Fiangonana sy ny fiarahamonina, satria loharanon’ny fiainana. Fa ny tena ilan’izy ireo izany fahasoavana izany dia mba ahazoany mijoro ho vavolombelona eo anatrehan’izao tontolo izao, « Mba ho iray izy rehetra, Ray ô, enga anie ho anatintsika izy rehetra, tahaka Anao ato anatiko, ary Izaho ao anatinao, mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy » Jo 17, 21.

Tena mila iraka ho mpampihavana izao tontolo izao, handrodana fefy, hanorina tetezana, handrindra fiadanana, ary hamoha lalana mitondra any amin’ny fomba fiainana vaovao amin’ny anaran’ilay nampihavana antsika amin’Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy. Ny Fanahy Masina no mitari-dalana antsika mankany amin’ny fampihavanana, amin’ny anarany.

Fony nosoratana tany Alemaina ity lahatsoratra ity tamin’ny taona 2015, dia maro ireo olona sy Fiangonana, izay nampihatra ny asa fampihavanana teo amin’ny fiainan’izy ireo. Nandray mpifindra monina maro an’isa izy ireo, na avy tany Syrie, na avy tany Afghanistan, na avy tany Erythrée, na koa avy tany amin’ny faritra ny Balkans tandrefana, izay nitady fialofana sy ainga vao hitantanany indray ny fiainany. Izany fanohanana azo tsapain-tanana sy ny fijoroana hanohitra ireo hetsika sy fanambarana mankahala vahiny, dia fambara tsy azo lavina amin’ny fiainan’ny vahoaka alema ny fampihavanana.

Eo amin’ny maha-tompon’andraikitra eo amin’ny fivelomana ny fampihavanana ny Fiangonana izay, dia nirotsaka an-tsehatra mihitsy izy teo amin’ny fanampiana ireo mpifindra monina, tamin’ny fitadiavana trano honenana sy mandray anjara amin’ny fantsarana ny teo-pianan’ny olona mivelona amin’ny tany nandosirany. Samy tena ilaina ny mandray andraikitra azo tsapain-tanana mivantana sy ny mivavaka miaraka ho an’ny fampihavanana sy ny fiadanana, raha toa ireo izay mandositra ny teo-piainana mahatsiravina niainany.

Enga anie mba hitobaka ny loharanon’ny famindram-pon’Andriamanitra, mandritra ity herinandro fiaraha-mivavaka isa-taona ity, ka mba ho maro an’isa ireo olona hiadam-pinaritra, ary mba hajoro anie ny tetezana hampifandray.

Ny fitiavan’i Kristy anie hanery antsika kristianina sy Fiangonana, hiaina ny fampihavanana, ka handrodana ny rindrina mampisaratsaraka.

 

FANKALAZANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA IARAHANA EKIOMENIKA

« Hifampihavana isika. Ny fitiavan’i Kristy manery antsika amin’izany. » II KOR 5, 14 - 20

 

Fahatsiarovana ny faha-dimanjato taonan’ny reformasiona

Nanapa-kevitra ny  hankalaza ny fahatsiarovana io tsingerin-taona io ny Fiangonana any Alemaina, ka hihoby an’i Kristy. Nitarika ny kristianina handalina bebe kokoa momba ny famonjena azo avy amin’ny fahasoavana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa-Kristy. Mifaly amin’ny famonjena avy amin’Adriamanitra isika, izay mifototra ao amin’i Kristy nofantsihana teo ambony hazo fijaliana ka manafoana ny fisaratsarahina sy manambatra antsika. Ny fotoam-bavaka ataontsika izao dia miaiky am-pahibemaso ary mangataka famelana ny fahotantsika vokatry ny fisaratsarahana nataontsika taorian’ny Reforme. Hankalaza an’i Kristy sy ny asam-pampihavanana nataony isika, amin’ny vavaka ataontsika, ka hitarika ireo kristianina mizarazara ho tonga masoivohon’i Kristy, ka hanolo-tena ho iraky ny fampihavanana.

 

Fanatanterahana ny fotoam-pivavahana

Isika dia efa manana Litorjia mahazatra, dia ny ao amin’ny Miara Mizotra. Na izany aza, tsara sy mahasoa ny fiombonantsika vavaka amin’ny kristianina rehetra eran-tany.

Mp : Mpitarika

Fg : Fiangonana (ny olona rehetra)

Va : Mpanao ny Vakiteny

I- Mivory amin’ny anaran’i Jesoa 

Hira fidirana (mandritra ny ilaharan’ny Mpitarika, ny Mpamaky teny sy ny Mpitari-bavaka mankeny amin’ny "alitara").

  • Fanokafana :

Mp : Amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Fg : Amen !

Mp : Ho ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanan’ny Tompo, izay nampihavana antsika taminy ao amin’i Kristy.

Fg : Sy ao amin’ny fanahinareo

  • Teny fampidirana :

Mp : Ry rahalahy sy anabavy ao amin’i Kristy, hankalaza ny fiherenan-taonan’ny « Refôrma » ny kristianina sy Fiangonana maro amin’ity taona ity.

Mampahatsiahy antsika i Paoly, fa nampihavana antsika ao amin’i Kristy i Andriamanitra, ka manery antsika ho iraky ny fampihavanana izany fitiavan’i Kristy antsika izany. Ivavahantsika sy deraontsika miaraka ny Tompo ao amin’ny firaisana amin’ny Fanahy Masina !

Salamo 98 (hiraina) na hira hafa fankalazana.

 

II-Voazarazara noho ny helotsika (fiaiken-keloka)

  • Fiangaviana hanaiky heloka :

Mp : Teo amin’ny tantara, dia nila nibebaka misimisy kokoa hatrany ao amin’ny filohany, Jesoa-Kristy, ny Fiangonana, ka nanao hetsika fihavaozana marobe. Nitarika antsika ho any amin’ny fisaratsarahana tsy nahy anefa izany, izay mifanohitra amin’izay angatahan’i Jesoa amin’ny Rainy, ao amin’i Joany 17,23 : «  Ka  ho iray tanteraka izy, dia ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy" sady isika hiaiky ny helotsika, ka hangataka ny famelan-keloka sy ny fanasitranana ny ratra marobe nateraky ny fisaratsarahana vitantsika. Raha tanisaintsika am-pahibemaso ireo heloka ireo, dia hazava amintsika fa nanangana rindrina nanasaraka antsika izy ireo.

  • Fahanginana :

Mp : Aoka isika hivavaka : Ry Tompo Andriamanitra, Rain’ny lanitra, manatona Anao izahay amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy. Nohavaozinao tamin’ny Fanahinao Masina izahay, nefa mbola manohy manangana rindrina mampisaratsaraka, rindrina izay lasa sakana ho an’ny fiombonana sy ny firaisana. Atolotray Anao ireo vato anangananay rindrina ireto ka ifonanay Aminao, sy italahoanay ny famindram-ponao sy ny vonjy avy Aminao.

Fg : Amen

    Tononina tsirairay ireo vato misakana ny firaisana, arahina fanginana fohy. Avy eo, dia mangata-pifonana amin’Andriamanitra ny mpitarika.

Fg : « Mamelà ny  helokay tahaka ny amelanay izay meloka taminay »

Mp: Iray amin’ireo vato misakana ny firaisana ny « tsy fahampian’ny fitiavana ».

Va 1 : Ry Andriamanitra be fitiavana ô, manery anay hifona Aminao ny fitiavan’i Kristy, koa mamelà ny helokay isaky ny tsy ampy fitiavana izahay.

Fg : Mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka taminay.

Mp : Vato hafa misakana ny firaisana koa ny fankahalana sy ny fanaovana tsinontsinona.

Va 2 : Ry Andriamanitra be fitiavana ô, ny fitiavan’i Kristy manery anay hifona Aminao noho ny fankahalana sy ny fanaovanana tsinontsinona ifanaovanay.

Fg : Mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka taminay.

Mp : Vato hafa misakana ny firaisana ihany koa ny endrikendrika sy ny fifanaratsiana.

Va 3 : Ry Andriamanitra be fitiavana ô, ny fitiavan’i Kristy manery anay hifona Aminao noho ny endrikendrika sy ny fanaratsiana.

Fg : Mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka taminay.

Mp : Mbola vato hafa ihany koa ny fifanavakavahana sy ny fifanilikilihana.

Va 4 : Ry Andriamanitra be fitiavana ô, ny fitiavan’i Kristy manery anay hifona Aminao noho ny fifanavakavahana sy ny fifanilikilihana.

Fg : Mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka taminay.

-Azo elanelanina hira fifonana iray ireto.

Mp : Vato iray hafa koa ny fifanenjehana.

Va 1 : Ry Andriamanitra be fitiavana ô, ny fitiavan’i Kristy manery anay hifona Aminao noho ny fifanenjehana misy eo aminay.

Fg : Mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay rehetra meloka taminay.

Mp : Mbola vato misakana hafa koa ny fiombonana potipotika.

Va 2 : Ry Andriamanitra be fitiavana ô, ny fitiavan’i Kristy manery anay hifona Aminao noho ny fiombonana potipotika sy mivahavaha eo amin’ny Fiangonanay.

Fg : Mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka taminay.

Mp : Vato misakana hafa koa ny « tsy fandeferana ».

Va 3 : Ry Andriamanitra be fitiavana ô, ny fitiavan’i Kristy manery anay hifona Aminao noho ny fanilikilihanay ireo rahalahy sy anabavinay hivoaka ny faritaninay, sy noho ny fandeferana ara-pinoana sy ara-piangonana mbola ataonay ankehitriny.

Fg : Mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka taminay.

Mp : Vato hafa indray ny ady ara-pivavahana.

Va 4 : Ry Andriamanitra be fitiavana ô, ny fitiavan’i Kristy manery anay hifona Aminao noho ireo ady ara-pivavahana rehetra nataonay tamin’ny anaranao.

Fg : Mamelà ny  helokay, tahaka ny amelanay izay meloka taminay.

Mp : Vato iray misakana koa ny fizarazarana, ny fanatokotokoana.

Va 1 : Ry Andriamanitra be fitiavana ô, ny fitiavan’i Kristy manery anay hifona Aminao Satria miaina ny fiainana kristianina izahay ao anatin’ny fizarazara, ary manetsin-tadiny eo anoloan’ny fiantsoana hiara-hitsabo ny haritananao izay maratra.

Fg : Mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka taminay.

Mp : Mbola vato misakana ny fialonana, ny fanavakavahana.

Va 2 : Ry Andriamanitra be fitiavana ô, ny fitiavan’i Kristy manery anay hifona Aminao noho ny fialonana sy ny fanavakavahanay na eo amin’ny samy kristianina, na eo amin’ny fiaraha-monina.

Fg : Mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka taminay.

Mp : Vato misakana iray ny fiavonavonana.

Va 3 : Ry Andriamanitra be fitiavana ô, ny fitiavan’i Kristy manery anay hifona Aminao noho ny fiavonavonanay.

Fg : Mamelà ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka taminay.

Mp : Aoka isika hivavaka :

Ry Tompo Andriamanitray ô, topazo maso ity rindrina natsanganay ity, izay manasaraka anay Aminao sy aminay tsirairay avy. Mamelà ny helokay. Sitrano izahay. Ampio izahay handresy sy hihoatra ireo rindrina rehetra manasaraka anay, ka mba ho iray ao Aminao izahay.

Fg : Amen !

Hira iray na feon-kira malefaka.

 

III- Mihavàna amin’Andriamanitra isika. Henointsika ny Teniny.

  • Vakiteny voalohany : Ezekiela 36, 25-27
  • Salamo ho entina mandinika ny vakinteny 18, 25-33

Tiako Ianao, ry Tompoko. Ianao no heriko.

  • Vakiteny faharoa : 2 Kô 5, 14-20
  • Aleloia (hiraina)
  • Evanjely : Lk 15, 11-24
  • Aleloia (hiraina)
  • Toriteny

 

IV- Valiantsika am-pinoana. Aoka isika hivelona ao anatin’ny fihavanana.

Mp : Aoka hivavaka isika:

Ry Andriamanitry ny fahasoavana ary Ray any an-danitra, renay ny teninao izay manambara fa nampihavaninao taminao izahay ao amin’i Jesoa-Kristy zanakao, Tomponay. Noho ny herin’ny Fanahy Masina, ovay ny fonay vato. Ampio izahay mba ho tonga mendrika ho vavolombelon’ny fampihavanana, ary hamitrana ny fisaratsarahan’ny Fiangonana ka hanatontosa tsaratsara kokoa hatrany ny asa hampanjaka ny fiadananao eran-tany.

Fg : Amen.

 

Ry Andriamanitry ny fahasoavana ary Ray any an-danitra, renay ny teninao izay manambara fa nampihavaninao taminao izahay ao amin’i Jesoa-Kristy zanakao, Tomponay. Noho ny herin’ny Fanahy Masina, ovay ny fonay vato. Ampio izahay mba ho tonga mendrika ho vavolombelon’ny fampihavanana, ary hamitrana ny fisaratsarahan’ny Fiangonana ka hanatontosa tsaratsara kokoa hatrany ny asa hampanjaka ny fiadananao eran-tany.

Fg : Amen.

 

V- Valiantsika am-pinoana, toriantsika ny fihavanana.

Fiekem-pinoana apostolika

Vavaka iombonana

Hira atao famerenana : Tompo ô, henoy izahay, miantso Anao.

V2 : Ry Andriamanitra Tompo mahery ô, nirahinao i Jesoa-Kristy Zanakao mba hampihavana an’izao tontolo izao Aminao. Midera sy manome voninahitra Anao izahay ho an’ireo izay nirahinao hitory ny Vaovao Mahafaly eran-tany noho ny herin’ny Fanahinao Masina. Misaotra Anao izahay noho ireo vondron’olona manerana an’izao tontolo izao izay miara-mivavaka sy miara-miasa am-pitiavana, ho an’ireo mpanomponao izay miantso ny anaranao hatraiza hatraiza.

 Tompo ô, henoy izahay, miantso anao.

V2 : Ry Andriamanitra tsara fo indrindra, mivavaka ho an’ny Fiangonanay izahay. Fenoy ny fahamarinanao sy  ny fiadanana avy Aminao izy ireo. Diovy ny finoana simba, avereno eo amin’ny lalan’ny fahamarinana ireo nania, amafiso ireo efa mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana, ampio sy vonjeo ireo sahirana, ary ampiraiso indray ireo izay misaratsaraka.

Tompo ô, henoy izahay, miantso anao.

V3 : Ry Andriamanitra nahary an’izao tontolo izao ô, nataonao mitovy endrika Aminao izahay, ary navotanao tao amin’i Jesoa-Kristy zanakao izahay. Jereo amin’ny maso miantra ny zanak’olombelona maneran-tany, esory tao am-ponay ny avonavona sy ny fifankahalana mandoto ny fonay, arodany ny rindrina mampisaratsaraka anay, ampiraiso amin’ny rohin’ny fitiavanao izahay. Ary  mba hanjaka eto an-tany anie ny fandaminana avy Aminao, ka hanompo Anao amim-pomba mirindra izahay, ka ho tafaray eo anoloan’ny fiandriananao any an-danitra.

Tompo ô, henoy izahay, miantso Anao.

V4 : Ry Fanahy Masina ô, Ianao no manome ny aina, ary nohariana mba hiray Aminao izahay, ary hizara izany fiainana izany eto an-tany miaraka amin’ireo rahalahinay sy anabavinay. Velomy ao am-ponay tsirairay avy ny fangorahana sy ny fitiavanao. Omeo anay ny hery sy ny fahasahiana hiasa ho an’ny fahamarinana eo amin’ny fiaraha-monina misy anay, hampajaka ny fiadanana ao an-tokantranonay, ho fankaherezana ho an’ireo marary sy ny miala aina, ary mba hizara izay anananay amin’ireo niangaran’ny vintana. Ary mba hiova ho tsara daholo ny fon’ny zanak’olombelona.

Tompo ô, henoy izahay, miantso Anao.

 

VI- Irak’i Kristy, ministry ny fampihavanana :

Raiso ny fahazavan’i Jesoa-Kristy, ary ento hanazava ireo toerana rehetra rakotry ny haizina eran-tany. Meteza ho ministry ny fampihavanana. Maneke ho irak’i Kristy.

Tsodrano sy Fanirahana.

Mp : Ry Andriamanitra be indra fo ô, mitalaho Aminao izahay :

Ampio ireo izay rehetra mikaroka ny fampihavanana avy Aminao, ka ho afaka hitory ny haleben’ny fitiavanao.

Amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Zanakao Tomponay no angatahanay izany.

Fg : Amen.

Mp : Ho ao aminareo anie ny tso-dranon’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, ary honina ao aminareo mandrakizay.

Fg : Amen.

Mp : Mandehana ao amin’ny fiadanan’ny Tompo.

Fg : Isaorana anie Andriamanitra.

Hira Famaranana

 

FAMOABOASANA SORATRA MASINA SY VAVAKA MANDRITRA NY HAVALOANA

1.Andro voalohany (18 Janoary 2017): « Maty hamonjy ny olona rehetra ny olona iray » 2 Kôr 5,14.

Is 53, 4-12 : Nanolotra ny ainy izy mba ho voavonjy isika rehetra noho izany fahafoizany ny ainy izany.

Sal 118, 1. 14-29 : Tsy namela ahy ho any amin’ny fahafatesana ny Tompo.

1 Jo 2, 1-2 : Maty ho antsika rehetra i Kristy.

Jo 15, 13-17 : Mahafoy ny ainy ho an’ireoo izay tiany.

Famoaboasana :

Tamin’ny fotoana nibebahan’i Paoly tao amin’i Kristy, dia nisokatra ny masony ; nisy olona iray maty ho an’ny olona rehetra. Tsy ho an’ny vahoaka Jiosy irery, na ho an’ireo mpianany irery no nanoloran’i Jesoa ny ainy, fa ho an’ny zanakolombelona manontolo, na ny omaly, na ny anio, na ny ho avy. Nandritra ny taonjato maromaro nifandimby, dia maro ireo kristianina nahafoy ny ainy ho an’ireo izay tiany. Anisan’ny iray tamin’izany i Frera Maximilian Kolbe fransiskanina, nogadraina tao amin’ny toby ny Auschwitz tamin’ny taona 1941. Naleony nanaiky ho vonoina mba hanavotana ny namany iray niara-nigadra taminy.

Maty hamonjy ny olona rehetra i Jesoa, nandalo fahafatesana ko aizy rehetra (2 Kôr 5,14). Hatramin’ny nahafatesantsika miaraka amin’i Kristy, dia niova tanteraka ny fiainantsika teo aloha : ny fiainana feno mitafotafo, fiainana izay ahitantsika sahady ny fiadanana, ny fahatokiana, ny famelan-keloka, fiainana izay misy dikany, na dia aorian’ny fahafatesana aza. Fiainana ao amin’Andriamanitra izany fiainam-baovao izany.

Azon’i Paoly tsara izany, ary tsapany fa manery azy hitory ny Vaovao Mahafaly ny fampihavanana amin’Andriamanitra. Miantefa any amin'ny Fiangonana Kristianina izany iraka izany : « Mitory ny hafatry ny Vaovao Mahafaly ». Tokony hanontany tena isika hoe : « Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manambara ny Vaovao Mahafaly ny fampihavanana nefa isika misaratsaraka ? »

Fanontaniana :

-Inona no dikan’ny hoe : « Maty ho an’ny olona rehetra i Jesoa ? ».

-Hoy i Pastora Dietrich Bonhoeffer, alemanina : « Rahalahin’ny olona manakaiky ahy izaho, noho izay nataon’i Jesoa-Kristy ho azy ». Misy fiantraikany amin’ny fomba fijeriko ny hafa ve izany?

-Mampiova inona ny fifanakalozana ekiomenika sy ara-pivavahana?

Vavaka :

Ry Andriamanitra Rainay ô,

Nomenao anay ilay maty ho an’ny olona rehetra, Jesoa. Niaina ny fiainanay Izy, maty ny fahafatesana. Nekenao ny fahafoizan-tenany, ary nakarinao ho any amin’ny fiainam-baovao eo anilanao izy.

Omeo anay, izay niara-maty taminy, ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina, ary higoka ny hakanton’ny fiarahana aminao, anio sy mandrakizay. Amen

 

2.Andro faharoa (19 Janoary 2017): « Mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona » 2 Kôr 5,15.

Mik 6, 6-8 : « Efa nampahafantarin’Andriamanitra anao ny tsara »

Sal 25, 1-5 : « Ry Andriamanitra mpamonjy ahy ô, ampahafantaro ahy ny lalanao »

1 Jo 4, 19-21 : « Tia isika satria izy no efa tia antsika mialoha »

Matio 16, 24-26 : « Izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy »

Famoaboasana :

     Noho ny fahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany ho velona, dia afaka amin’izay fitadiavana ny tena hevitry ny fisiantsika sy ny fahatokisan-tenantsika isika. Fa kosa, mivelona ny herin’i Kristy velona maty ary nitsangana ho antsika. Raha mahafoy ny fiainantsika ho azy isika, dia izy no hamonjy antsika.

     Nanontaniana matetika an’ireo mpaminanin’Andriamanitra ny tokony ho fomba fiaina eo anatrehan’Andriamanitra. I Mikae no mamaly mazava io fanontaniana io : « Tokony hiaina ny fahamarinana, ho tian y famindram-po, ary hanaraka an’Andriamanitra am-panetren-tena. » Ny mpanao Salamo koa ao amin’ny faha 25, Davida mpanjaka fa tsy tokony hatoky tena fa manaiky hotarihin’Andriamanitra sy ankahereziny.

    Tato ho ato, toa lasa endri-piarahamonina ny fiolonolonana. Entanina ny kristianina mba hampivelatra fomba fiaina vaovao eo anivon’ny fiarahamonina misy azy mba hisian’ny toe-tsaina tia mifampizara sy mifanohana. Ny filazan-tsara dia manery antsika handeha, hisokatra amin’ny hafa ary handrava ny rindrin’ny fitsitokotokoana.

Fanontaniana :

-Amin’ny fomba ahoana no itondran’ny kolontsaintsika amin’izao fotoana izao hivelona ho an’ny tenantsika fa tsy ho an’ny hafa ?

-Ahoana no ahafantsika ho velona ho an’ny hafa amin’ny fiainantsika andavanandro ?

-Inona no mety ho fiantraikany ara-toe-karena raha toa ka tsy velona ho an’ny tenantsika intsony isika ?

Vavaka : Ry Andriamanitra Rainay ô, ao amin’i Jesoa Kristy no anafahanao anay sy anomezanao fiainana mihoatra izay lavitra ny iainanay. Tariho amin’ny Fanahinao Masina izahay ary ampio ho velona toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy, Izy ilay velona, nijaly sy maty ary nitsangana ho velona ho anay ary manjaka mandrakizay, mandrakizay. Amen

 

3.Andro fahatelo (20 Janoary 2017): « Tsy nahafantatra olona araka ny nofo intsony izahay » 2 Kôr 5,16.

1 Samoela 16, 1. 6-7 : « Ny olombelona mijery ny tarehy fa ny tompo mijery ny fo »

 Sal 19, 7-13 : « Mahitsy ny didin’ny Tompo ary Mampahazava ny maso »

Asa 9, 1-19 : « I Saoly tonga Paoly »

Mt 5, 1-12 : « Ny hasambarana »

Famoaboasana :

Nampiova tanteraka an’i Paoly ny fahitany an’i Kristy teny amin’ny lalana ho any Damasy. Hitany : Jesoa ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao. Nanova tanteraka ny fomba fijeriny izany : tokony hiova-miaraka amin’izany ny fomba fisainany araka ny mba olombelona sy araka ny an’izao tontolo izao.

Manova ny fomba fijerintsika ihany koa ny fihaonana amin’i Kristy, kanefa, matetika isika mifikitra amin’ny lasa ary mitsara araka ny maha-olombelona. Amin’ny fitakiana na fanambarana ataontsika irery, dia mihevitra isika fa miasa araka an’Andriamanitra, nefa raha ny marina dia mitady ny tombontsoantsika manokana. Nandritra ny taon-jato maro, any Alemana sy any amin’ny tany hafa koa, dia manararaotra ny fahefany sy ny heriny ny mpitondra sy ny fiangonana mba hanaovana politika tsy araka ny rariny.

Tamin’ny taona 1741, rehefa niova noho ny fihaonany tamin’i Kristy dia namaly ny antso mba tsy hahalala olona araka ny nofo ary nifidy ny hanaiky ny lalan’i Kristy. Eo ampanarahana ny lalan’i Kristy ankehitriny dia antsoina isika hijery ny hafa tahaka ny hijeren’Andriamanitra azy, tsy am-pisalasalana sy tsy am-pitsaratsarana mialoha.

Fanontaniana :

-Teo amin’ny fiainako, inona avy ireo fotoana nahatsapako fa teo amin’ny lalan’i Damasy aho ?

-Inona avy no miova rehefa mandray ireo kristianina hafa sy ny olona hafa finoana araka ny fijerin’Andriamanitra azy ireo isika ?

Vavaka : Ry Andriamanitra Trinité ô , ianao no loharano sy hiafaran’ny zavatra rehetra, mamelà ny helokay indrindra rehefa tsy mihevitra afatsy ny tenanay izahay ary jamban’ny voninahitray manokana. Sokafy ny fo sy masonay. Ampianaro izahay hitia, hanaiky ary ho mpamela heloka mba ho afaka hitombo ao amin’ny fiombonana izay efa nomenao anay. Anao ny haja ary ny voninahitra mandrakizay. Amen

 

4.Andro fahaefatra (21 Janoary 2017): « Lasa ny zavatra taloha » 2 Kor 5,17

-Gen 19, 15-26 : « Aza miherika any ivohonao »

-Sal 77, 5-12 : « Mahatoky mandrakariva Andriamanitra »

-Filip 3, 7-14 : « Manadino ny efa nodiavina »

-Lk 9, 57-62 : « Apetraho amin’ny angadin’omby ny tànanao »

Famoaboasana :

Matetika isika mitodika amin'ny lasa. Mety ilaina sy mahasoa ny manao tamberina mba hanasitranana ny fitadidiana. Kanefa, mety hanakorontana na hanakana antsika tsy hiaina ny ankehitriny izany. Hafatra manafaka amin’izany no atolotr'i Md Paoly antsika : «  Efa lasa ny zavatra taloha ».

Mankahery antsika hitàna ao an-tsaina ny lasa ny baiboly, mba hanovo hery ao amin’ireo fahatsiarovana, ary hahatsiahy izay tsara nataon’Andriamanitra ho antsika. Kanefa, miantso antsika handao izay efa tranainy izy, eny fa na dia ny tsara aza, mba hahafahana manaraka an’i Kristy sy hahitana fiainam-baovao ao aminy.

Amin’ity taona ity, maro ireo kristianina mahatsiaro ny asan’i Martin Luther sy ireo « reformateur » hafa. Nanova be ny Fiangonana tandrefana io fanavaozana io (Reforme). Maro be ireo kristianina nijoro ho vavolombelon’ny finoany tamin-kerim-po, fa maro koa ireo mihavao tamin’ny fiainana maha Kristianina azy. Tahaka ny ilazan’ny soratra Masina azy dia tsy dia manan-danja loatra ny fifantohana amin’ireo zava-nitranga efa lasa, fa tokony hisokatra isika, noho ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, amin’ny ho avy vaovao hihoarana ny fisaratsarahana ary mba ho iray ny vahoakan’Andriamanitra.

Fanontaniana :

-Ahoana no hampianarantsika ny tantara iombonantsika misy fisarahana sy tsy fifampitokisana ?

-Amin’ny inona no tokony hiovan’ny Fiangonako hahafahany mihoatra ny fisarahana ary mba hahamafy ny fiombonana ?

Vavaka :

Jesoa Kristy Tompo ô, ianao ilay tsy miova, omaly sy anio ary mandrakizay. Sitrano izahay amin’ny ratran’ny lasa, tsofy rano ny dianay ho amin’ny firaisana ary tariho any amin’ny ho avy irinao izahay rehefa tonga ho zavatra rehetra ho anay rehetra ianao, miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, mandrakizay mandrakizay. Amen

 

5.Andro Fahadimy (22 Janoary 2017): « Indro ny zavatra vaovao » 2 Kor 5,17

-Ezek 36, 25-27 : Mandray fo vaovao avy amin’Andriamanitra

-Sal 126 : Feno hafaliana

-Col 3, 9-17 : Nohavaozina tao amin’i Kristy

-Jo 3, 1-8 : Ateraky ny fanahy Masina

Famoboasana : 

Ny fihaonana tamin’i Kristy, Tompo nitsangana tamin’ny maty dia manavao an’i Md Paoly, toy ny tonga amin’izay rehetra mino an’i Kristy. Tsy azo tsapain-tanana ny maha zava-boahary vaovao fa zavatra ara-pinoana velona ao amintsika Andriamanitra noho ny herin’ny Fanahy Masina ary nampandray anjara antsika amin’ny fiainan’ny Trinite Masina.

                   Noho io fahariana vaovao io dia nihoatra ny fahalavoan’ny olombelona ary miditra amin’ny fifandraisana mahavonjy miaraka                                  amin’Andriamanitra isika. Betsaka ny zavatra misy ary mahagaga azo lazaina momba antsika : araka ny ilazan’i Md Paoly azy, tonga                    zava-boahary vaovao ao amin’i Kristy isika, noho ny fitsanganany ho velona dia resy ny fahafatesana, tsy misy olona mahaesotra                           antsika eo an-tanan’Adriamanitra ; iray isika ao amin’i Kristy ary velona ao amintsika Izy. Ao aminy dia tonga «  fanjaka-mpisorona                     isika » Apok 5, 10. Isaorantsika Izy noho ny nandreseny ny fahafatesana, ary ambarantsika ny fampanantenana zava-boahary                                 vaovao.

                   Tonga hita maso io fahariana vaovao io rahefa avelantsika haka endrika izy ary iainantsika ao amin’ny « fiombonam-pijaliana,                              fahalemem-panahy, fanetren-tena, fahatsorana ary faharetana. » Tokony hita taratra koa izany eo amin’ny fifandraisana                                           ekiomenika. Betsaka ireo Fiangonana samy resy lahatra : Rehefa ao amin’i Kristy isika, dia miha-mifanakaiky amin’ny hafa.

                   Fotoana hahatsiahivana ny fahombiazana sy ny tolona teo amin’ny tantara izao faha 500 taonan’ny Reformasiona izao. Ny fitiavan’i                    Kristy no manery antsika ho lehilahy sy vehivavy nohavaozina, eo am-pitadiavana ny fiombonana sy ny fampihavanana.

Fanontaniana :   

-Inona no manampy hahazo fa zava-boahary vaovao ao amin’i Kristy aho ?

-Inona no tokony hataoko mba hiainako araka ny maha nohavaozina tao amin’i Kristy ahy ?

-Inona ny fiantraikany ara-toe-karena ny maha voary vaovao ?

Vavaka :

Ry Andriamanitra Trinite Masina, miseho aminay ho toy ny Ray sy Mpahary Ianao, ho toy ny Zanaka sy Mpamonjy, ho toy ny Fanahy sy loharanom-piainana. Nefa dia iray ihany. Ihoaranao ny fetra maha-olona anay ary avaozinao izahay. Omeo fo vaovao izahay mba hiala amin’izay rehetra manimba ny firaisanay aminao. Izany no angatahanay, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ary noho ny herin’ny Fanahy Masina. Amen

 

6.Andro faha enina (23 Janoary 2017): « Nampihavanin’Andriamanitra taminy isika » 2 Kôr 5,18.

-Gen 17,1-8 : Fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama

-Sal 98 : Nahita ny fandresen’Andriamanitra izao tontolo izao

-Rom 5, 6-4 : Torio ny filazan-tsara na Vaovao Mahafaly

Famoaboasana :

                    Toy ny sabatra roa lela ny fampihavanana : mahatarika sady mampatahotra izy. Mitarika antsika amin-kery izy toy ny haniriantsika                       ny hiorenany ao amintsika, amintsika samy isika, ary eo amin’ireo fombam-pivavahana maro samihafa. Satria ny hoe                                            « mihavana » dia miendaka amin’ny faniriantsika te haneho hery sy hankatoavina. Amin-kalemem-panahy, no                                                                  ampihavanan’Andriamanitra antsika amin’i Kristy na dia miodina aminy aza isika. Kanefa tsy mitsahatra eo ny                                                              asan’Andriamanitra : ny voaary tontolo no tafaray aminy miaraka amin’ny olombelona manontolo.

                  Ny Andriamanitra ny Testamenta taloha dia tsy mivadika ary mpamela heloka ho an’ny vahoaka Israely izay nanaovany                                             fanekem-pihavanana. Mitoetra izany satria « ny fanomezana sy ny antson’Andriamanitra dia tsy mba anenenany (Rm 11, 29). Jesoa,                     izay nanorina ny fanekem-pihavanana vaovao tamin’izany dia zanak’Israely, ary adinon’ny fiangonantsika izany matetika.                                      Taorian’ny fanaovana vono moka, ny Fiangonana tany Alemana dia niady manokana hanohitra ny fankahalàna ny Jiosy.                                          Ankoatr’izany, ny fiangonana manontolo dia antsoina hampiroborobo ny fampihavanana eo anivon’ny fiaraha-monina ary hanohitra                  ireo mety ho endrika fanilikilihana, satria voaantso hiaina ny fihavanana miaraka amin’Andriamanitra isika.

Fanontaniana :

-Inona no dikan’ny hoe miaina ny fanekem-pihavanana miaraka amin’Andriamanitra ho an’ny ankohonam-piainana kristianina ?

-Amin’ny fiarahamonintsika ankehitriny, inona avy ireo endrika fanilikilihana tsy maintsy toherin’ny Fiangonana ?

Vavaka : 

                  Ry Andriamanitry ny famelan-keloka, noho ny fitiavanao ny vahoakanao dia nanao fanekem-pihavanana taminy Ianao. Omeo anay                     ny hery hanoheranana ny fanavakavahana. Ary aoka anie ny fanomezana avy amin’ny fitiavana hameno hafaliana anay ary                                     hamporisika anay hikaroka ny fiombonana lalina. Amin’ny alalan’i Kristy ilay Tomponay nitsangana ho velona, izay velona sy                                 manjaka miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, mandrakizay mandrakizay. Amen

 

7.Andro fahafito (24 Janoary 2017): « Ny fandraharam-pampihavanana » 2 Kôr 5, 18-19.

-Gen 50, 15-21 : Nametram-pihavanana tamin’ireo rahalahiny i Josefa

-Sal 72 : Mitondra rariny sy fiadanana ny fanjakan’Adriamanitra

-1 Sao 3, 16b-21 : Manery antsika hitia ny hafa ny fitiavan’Andriamanitra

-Sao 17, 20-26 : Mivavaka ho an’ny firaisan’ny Fiangonana i Jesoa

Famoaboasana :

                  Ivon’ny finoantsika kristianina ny fihavanana amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Marina ny ilazàn’i Paoly fa manery antsika                           hivelona ny fampihavanana amin’ny lafim-piainana rehetra ny fitiavan’i Kristy. Noho izany, dia mitarika antsika hametra-                                      panontaniana ny anton’ny fisarahantsika ankehitriny. Tahaka ny asehon’ny tantaran’i Josefa, manome mandrakariva ny                                          fahasoavana ilaina hanasitrana ny fifandraisana Andriamanitra.

                 Ireo mpitondra fanavaozana, toa an-dry Lotera, Zwongli, Calvin ary koa ry Md Ignace de Loyola, Md François de Sales, Mb Terezy avy                    any Avila ary i Charles Borromée dia nihevitra ny hitondra fanavaozana tao amin’ny Fiangonana Tandrefana. Kanefa, izay noheverina                  ho asan’ny fahasoavan’Andriamanitra dia ràvan’ny fahotana sy tsy fifankahazoana, dia nitombo nandritran’ny taonjato maro ny                            fifankahalàna sy ny fifampiahiahiana.

                 Ny hoe tonga mpandraharahan’ny fampihavanana dia azo adika hoe miasa mba ho voahoatra ireo rindrina mampisaraka ny                                    kristianina. Amin’izao fotoana izao dia maro ireo Fiangonana kristianina miara-miasa anatin’ny fifampitokisana sy fifanajana.                              Ohatra azo alain-tahaka amin’izany ny Loterana sy ny Menonita. Taorian’ny famoahana ny tatitra ny fivoarana « Guérir les                                       mémoires : se réconcitier à Christ » dia nivory nanao ny fametraham-pihavanana izy ireo ny taona 2010 ary nisy fihaonana maro toy                       izany tany Alemana sy ny tany hafa koa.

Fanontaniana :

-Inona avy ireo tranga eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika ka tokony hahatsapantsika fa ilaina ny fandraharaham-pihavanana ?

-Ahoana no fomba ataontsika hamaliana io filàna io ?

Vavaka :

                  Ry Andriamanitra tsara indrindra ô, misaotra anao izahay, satria ao amin’i Kristy dia ampihavaninao izahay, ary ampihavaninao                            aminao izao tontolo izao. Atanjaho izahay, toy izany koa ny Fiangonanay amin’ny fandraraham-pihavanana izay ataonay. Sitrano ny                   fonay ary ampio izahay ho mpizara fiadanana. « Ka ny mankahala omenay fitiavana, ny nanaovan-dratsy, homena fahaiza-mamela,                     ny misalasala homena finoana, ny mamoy fo omena fanantenana, ny anaty haizina itondràna hazavana, ny malahelo                                             hampifaliana ». Izany no angatahinay aminao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ary noho ny herin’ny Fanahy Masina. Amen

 

                  8.Andro Fahavalo (25 Janoary 2017): "Nampihavanina amin’Andriamanitra" 2 Kor 5, 20.

-Mika 4, 1-5 : Amin’ny andro farany, hanjaka ny fahamarinana.

-Sal 87 : Zava-malaza no hambara momba an’Andriamanitra.

-Apk 21, 1-5a : Hanao lanitra vaovao sy tany vaovao Andriamanitra.

-Jao 20, 11-18 : Izay mahita an’i Kristy nitsangana ho velona dia tonga iraka.                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                             Famoaboasana :

Inona no hitranga raha ho tanteraka avokoa ny faminaniana ara-tsoratra masina ? Raha mitsahatra ny ady ary raha avy amin’ny fitaovam-piadiana no hanamboarana fitaovana mitondra aina ? Raha manjaka ny fahamarinana sy ny fiadanan’Andriamanitra, fiadanana tsara lavitra noho ny fahandriam-pahalemana ? Raha mivondrona hiara-mivavaka ny olona ka tsy hisy intsony ny fanilikilihana ? Inona no hitranga raha tsy hisy intsony ny alahelo, ny ranomaso sy ny fahafatesana ? Izay no fahatanterahan’ny fampihavanana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy. Izay no paradisa.

Salamo, tononkira, antsa no hirin’ny andro izay hahatratraran’ny voary tontolo ny hafenoany, ilay andro izay hahatongavan’Andriamanitra ho zavatra rehetra amin’olona rehetra. Izy ireo no hitantara ny fanantenana kristianina amin’ny hahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra, rahefa hiova ho hafaliana ny fahoriana. Amin’izany andro izany, hiseho amin’ny hatsaràny sy ny fahasoavany ho toy ny vatana tokan’i Kristy ny Fiangonana. N’aiza n’aiza hivoriantsika ka hihirantsika miaraka ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra dia hisokatra ny lanitra ary misantatra  ny hafaliana mandrakizay isika.

Satria efa afaka manandrana ny fisian’ny paradisa isika izao, dia andeha hiombom-bavavaka sy hiara-paly. Mizara sary, tononkalo, hiaraka ny lovam-panahintsika manokana dia mety hitondra zotom-po vaovao amin’izay ataontsika. Ireo loharano ireo no afaka manokatra antsika amin’ny tontolo vaovao hiainana ny finoana sy ny fanantenana ny fiavian’ny fanjakan’Andriamanitra.

Fanontaniana :

-Ahoana ny fisaintsainanao ny paradisa ?

-Inona avy ireo hira, tononkalo, sary avy amin’ny lovam-panahinao ka manome fietanam-po handray anjara ho amin’ny voninahitr’Andriamanitra ?

Vavaka :

   Ry Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina o, misaotra Anao izahay noho ity herinandro fiaraha-mivavaka ity, noho ny namondronanao anay tamin’ny firahalahiana ny maha kristianina. Miara miombom-po izahay mankalaza Anao, midera mandrakizay ny anaranao Masina ka hitombo ao aminay anie ny fiombonana ary ho tanteraka ny fampihavananao. Amen

Nadikan'i R.P Thierry

Nangonon'i Olive Ramarozatovo

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0943