Hafatry ny Eveka 11 novambra 2014

Nampiditra : admin
Daty : 13/11/2014

HAFATRA AVY AMIN' IREO EVEKA RAIAMANDRENINTSIKA, taorian'ny fivoriam-be zay fanaony isaky ny volana novambra, tamin'ity taona ity ny faha 04 hatramin'ny 11 novambra. Miangavy sy mirary anareo hamaky ny hafatra fa tena manan-danja.

ALEO MANAIKY AN’ANDRIAMANITRA TOY IZAY NY OLOMBELONA (Asa 5,29 )

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo

Tonon-taona lehibe ho an’ny Eglizy ny volana oktobra 2014 teo iny, nanandratana ho olontsambatra ny Papa Paoly VI . Fa iza marina moa ity olontsambatra ity ? Izy no nanondro sy nanao antso avo eran’izao tontolo izao fa MANAN-KASINA NY AINA. Izy koa no nanambara fa ny FAMPANDROSOANA sy FAMPIVOARANA no anaram-baovao iantsoana ny « fiadanana sy ny fandriam-pahalemana » (PP 76) . Tsy ho tanteraka izany raha tsy ao anatin’ny « tontolom-piainana entanin’ny fitiavana » (civilisation de l’amour).

Ny fototra iorenan’ireo fampianaranany ireo dia mametraka mazava tsara fa ny « maha olona no voalohany », araka ny voalazan’i Jesoa : « Ny sabata no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no natao ho an’ny sabata »( Mk 2, 27). Tsy azo atao ambanin-javatra ny fiahiana ny hasiny sy ny zony ary ny fivelomany (rano, sakafo, fianarana, fianakaviana, fahafahana, fahasalamana…). Tsy nitsahatra nampahatsiahy ny mahazava-dehibe ny fiandrianam-pirenena izy, indrindra ho an’ireo firenena madinika vao avy nahazo ny fahaleovan-tenany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka hanome anjara toerana azy ireo ao amin’ny fanapahan-kevitra iatadiavana ny soa iombonana.

Ny Papa Paoly VI koa no nampihatra voalohany ny sinaoda, araka ny voalazan’ny Konsily. Anisan’ny vokatr’ izany ny sinaoda manokana voalohany ho an’i Afrika tamin’ny 1994, notarihin’ny Papa Joany Paoly II, izay nampisongadina fa ny Eglizy dia « Fianakavian’Andriamanitra ». 20 taona taty aoriana, tamin’izao oktobra 2014 izao dia nampiantso sinaody tsy ara-potoana momba ny fianakaviana ny Papa François. Fanamby lehibe ho antsika izany satria tandindomin-doza io rafitra voajanahary io ankehitriny. Maro no tsy mandala ny aina intsony. Teren’ny fiainana sarotra ny tsirairay ka samy maka ho azy, manao tokan-tranom-boalavo, samy mihinana izay hitany. Jamban'ny vola ka mifamono sy mifandripaka. Ny hasin’ny aina mihitsy no voahitsakitsaka . Mivadika biby ve raolombelona sanatria? Efa manao an’Andriamanitra ho tsy misy matoa tonga amin’izany. Tena mifaninana amin-Janahary ka mikiribiby hanova ny rafitra voajanahary momba ny fanambadiana.

Zovy anefa no tsy mahalala fa ny maha-fianakaviana ny fianakaviana dia ny ray, ny reny, ny zanaka. Nohamafisin’ny Sinaodan’ny fianakaviana io. Nasiany tsindrim-peo fa: loharano ipoiran’ny aina sy ny fahasambarana ny fianakaviana ary sekoly fanabeazana ny soa toavina ho an’ny olona. Ny Eglizy no miorina dia noho ny fanandratana avo ny hasina nomen’Andriamanitra ny Fianakaviana ary ny Firenena no tsara fototra dia noho ny Fianakaviana manaja ny aina sy mitsinjo ny taranak’olombelona.

Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona

Noharin’andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona, nataony lehilahy sy vehivavy, ary notsofiny rano mba hiteraka . Ny rafitra voajanahary atao hoe fianakaviana : io ihany no tontolom-piainana ivelaran’ny maha olona feno entanin’ny fitiavana. Adidy sy andraikitry ny rehetra ny mikolokolo sy miaro azy. Etsy an-kilany anefa mihanaka ny kolon-tsaina mamboly fahafatesana (culture de la mort). Izany no nahatonga ny Eglizy eto Madagasikara nametraka ny sekolin’ny Ray aman-dreny ho làlana ahafahana man
dresy ny fanimbazimbana ny vatana sy fanapotehana ny aina. Tsy misaraka amin’izany ny EVA (Fibeazana miaina sy Mitia – Education à la Vie et à l’Amour) izay manampy ny Ray aman-dreny sy ny zanaka hanamafy orina ny fifanajana sy ny fifankatiavana. (cf : Ef 6, 4)).

« Sambatra izay madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy » (Mt 5,8 ).

Efa antomotra izao ny JMJ andiany faha-8 izay miompana amin’io tenin’ny soratra masina io. Fantaro àry ry tanora fa takin’i Jesoa amintsika “ ny Fahadiovam-po”. Mahaiza mitandrin-tena manoloana ny fakam-panahy mahery ankehitriny ( fanaranam-batana, rendrarendra, kamo mianatra, fitiavam-bola.....). Aoka ho sahy mijoro manomana ny ho avy. Ambarao mazava ny tena hevitrareo. Mivavaha, halalino ny fahalalana an'i Jesoa sy ny finoana azy. Meteza ho tompon’andraikitra.

« Aoka ho lavorary tahaka ny Rainareo izay any an-danitra ianareo» ( cf : Mt 5,48 ).

Mitodika aminareo tompon'andraikitra eto amin'ny firenena izahay. Miatrika zavatra sarotra ny firenentsika amin’izao fotoana izao, anisan’izany ny tsy fisian’asa, nefa natao hiasa ny olombelona (cf : Jen 2 ) . Mitombo ny mponina, kanefa tsy voatsinjo ny fiatrehana izany : maro ny matin’ny hanoanana, ny mandry andalambe sy ny manao tafolanitra ary mivarotra lova amam-pananana…, manampy trotraka an’izany ny jiro maty lava ka maharava tanteraka ny filaminam-bahoaka an-tanan-dehibe sy ambanivohitra. Milamina ve ny feon'ny fieritreretana ny amin'izany? Anisan’ny tsy itokisan’ny olona anareo ny tsy ahitanareo vahaolana mirindra ny amin’izany.

Resaka dahalo : misy ny lazaina fa mibebaka, nefa tsy maharesy lahatra ny maro. Enga anie ka ho fibebahana marina miaraka amin’ny fanonerana satria izany no andrasantsika amin’izao tontolom-piainana mifamahofaho be izao mba tsy hanjakan’ny tsy maty manota. Aoka isika mpitondra sy tompon’andraikitra « tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa hijinja amin’ny fotoana raha tsy ketraka ». ( Gal 6,9 ), ka ho sahy hiaro ny zo aman-kasin’ny olona sy ny harem-pirenena amin’ny gaboraraka ka hametraka rafi-pandaminana vaovao (ohatra : côde minier – ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany). Antoky ny fampandrosoana maharitra izany araky ny fampianaran’ny Papa Paoly VI sy ny fampianaran’ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy sosialy. Mampirisika ny mponina amin'ny faritra manontolo izahay, ho malina amin’ ireo mpitily ny harem-pirenentsika, mamitaka sy misoloky ity firenena ity, na eto an-toerana izany na avy ivelany. Tsy mieritreritra izy ireo afa-tsy ny hamita-bahoaka, handrava ny maha-malagasy, handrava ny harena ary hamotika ny finoana maha Kristiana.

“Avelao ny fahotanay tahaka ny namelanay izay nanao ratsy taminay” (Mt 6,12)

Izao androntsika izao no mampahatsiahy ny fitenindrazan-tsika hoe : Ny heloka ibabohana mody rariny ary fototra lehiben’ ny sivilizasionan’ ny fitiavana dia ny fifamelan-keloka sy fihavanana marina. Meteza mandinin-tena eo anatrehan’Andriamanitra hahatsapanao ny hadisoanao ary hahafahanao miaiky heloka sy mibebaka. Koa ialao tanteraka ny fanaovana an-dolom-po, ny manao fo vato. Ary izay voavela heloka, mahaiza mankasitraka ny fitiavana natolotra azy. Izay no mitondra antsika amin’ny làlan’ny fampihavanana marina.

« Mifalia ianareo miravoa samia mitotorebika » (Is 66,10-14).

Mitodika aminareo nanokan-tena ho an’Andriamanitra izahay. Amin’izao taom-pahasoavana natokan’ny Eglizy ho anareo izao, Misaotra anareo tamin’ny asa sy fanompoana izay nasehonareo. Ho entinay hankahery anareo dia mindrana ny tenin’i Papa Francois izahay : « Tsy isalasalana fa ny olona ankehitriny dia mila mandre ny teny fanantenana, fa mila indrindra ihany koa ny hanehoantsika ny hoe : ny famindram-po, ny fitiavan’ny Tompo manafana ny fo, mamohafoha fanantenana, mitarika amin’ny tsara. Hafaliana hampita ny fampionana avy amin’Andriamanitra. » (Mifalia ianareo, n°8).

Ny fankalazana ny fetin’i Kristy Mpanjaka sy ny fidirana amin’ny fiomanana amin’ny fetin’ny Noely anie hanampy antsika rehetra hanaiky an’Andriamanitra sy hanatanteraka ny sitrapony isan’andro. I Masina Maria, Notre Dame de Vocation, hivavaka ho antsika mba ho voninahitr’Andriamanitra izay mba kely vitantsika.
Mivavaka sy mitso-drano anareo izahay Eveka Ray aman-dreninareo.

Natao teto Antananarivo, anio 11 novambra 2014

Fetin’i Masindahy Martin, Evekan’i Tours

Mgr TSARAHAZANA Désiré, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagascar.
Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Arsevakan’Antsiranana, Filoha lefitra
Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe, Sekretera Jeneraly
Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo
Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary
Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Arsevekan’i Fianarantsoa,
Mgr ROSARIO Saro Vella, Evekan’Ambanja
Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’i Mahajanga
Mgr SCOPELLITI Antoine, Evekan’Ambatondrazaka
Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’i Moramanga
Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana
Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’i Tsiroanomandidy
Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’i Miarinarivo
Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra
Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’i Mananjary
Mgr RAZAKARIVONY Fulgence, Evekan’Ihosy
Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’i Tolagnaro
Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’i Morombe
Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’i Morondava
Mgr Georges VARKEY, Evekan’i Port-Bergé
Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Eveka Mpanampy Antananarivo
Mgr RANDRIAMBOLOLONA Philibert, Archevêque Emérite de Fianarantsoa
Mgr MALO Michel, Archevêque Emérite d’Antsiranana
Mgr RAZAKARIVONY Raymond, Evêque Emérite de Miarinarivo
Mgr ZEVACO Pierre, Evêque Emérite de Tolagnaro
Mgr TOASY Armand, Evêque Emérite de Port-Bergé

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0617 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org