Ansikilika Spe Salvi

spe_salvi.jpgNatolotry ny Papa antsika ny 30 novambra lasa teo ny Ansiklika faharoa nosoratany. Spe salvi, novonjen'ny fanantenana no teny nanombohany azy. Efa milaza sahady koa ny votoatiny sy ny tian-kasiana tsindrim-peo izany. Fitiavana Andriamanitra (Deus Caritas est) no voalohany. Milaza fa ny fifampikasohantsika amin'Andriamanitra dia tsy hamela antsika hijery fotsiny ny tsy rariny misy eo amin'ny fiaraha-monina. Tsy midika anefa izany fa hiraviravy tanana isika raha sanatria ka tojo ny mafy.

Misy laharana 50 ny ansiklika. Ankoatra ny Fampidirana sy ny Vavaka famaranana dia nozarain'ny Papa fito n fampianarany. Ambarany fa ilay Fanantenana tsy manodòka dia mamehy ny zavatra hinoantsika (1). Tsy manambany ny fiainana ety an-tany, hoy ny Papa ny fanantenana ny lanitra, kanefa kosa mampametra-panontaniana ihany raha sanatria ka ny olona mankamamy ny fiainana no tsy misaina na mametra-panontaniana kely akory ny amin'ny fiainana mandrakizay!!! (2).Tsy sanatria anefa fiainan'ny samy maka ho azy izany fizorana ho amin'ny fanantenan'ny lanitra izany, fa fifankatiavana izay efa santarina sahady sy iezahana dieny ety an-tany (3).

Avy eo dia miresaka ny momba ny finoana-fanantenana nandritra ny taonjato lasa teo ny Papa (4) mba hamaritana mazava ny mampiavaka ny Fanantenana kristianina (5).

Ny tena nahalasa ny saiko ary nanintona ahy hovakiana voalohany dia ny lohahevitra farany izay nozarainy ho telo : ny toerana hahafahana manazatra tena hiaina ny Fanantenana... Ny fivavahana no hakàna ny lesona; ny asa sy ny fijaliana no entina manaza-tena; fa ny fanadinana kosa dia ny Fitsarana farany izay hanomanantsika tena ho mponin'ny lanitra....

Halalinina misimisy kokoa amin'ny manaraka

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.083