Hafatry ny Eveka – Volana Novambra 2015

« Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy » (Mt 5, 7) HAFATRA HO AN’NY KRISTIANINA SY IREO TSARA SITRAPO REHETRA Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanana.

 

FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA

Hafatra – Volana Novambra 2015

 

 

Hosokafan’ny Papa Ray Masina Fransoa amin’ny 8 desambra ho avy izao ny vavaravaran’ny Taona Masina momba ny « FAMINDRAM-PON’ANDRIMANITRA », izay hiombonan’ny diosezy tsirairay avy. Asaina hiara-mamakivaky izany taom-pahasoavana manokana izany isika ho fanamasinana koa ny fiainantsika.

 

I- Miara-dàlana amintsika mandrakariva Andriamanitra.

 1- Indroa miantoana ny Eglizy no niara-nankalaza ny sinaody ho an’ny Fianakavina, manaporofo fa manan-kasina amin’ny fandavorariana ny maha-olona feno sy manontolo ny fianakaviana. Mampisaotra an’Andriamanitra miaraka amin’ny Papa sy ireo solon-tena niara-dia taminy. Miandry ny fampianarana vokatr’izany isika.

2- Niombom-po amam-panahy tamin’ny fankalazana JMJ Mada8 tany Fianarantsoa isika mianakavy. Misaotra amin’ny fiaraha-mientana mavitrika. Tsy tanjona iny fa fanomboham-piainana vaovao : « hadio fo hatrany, hahita an’Andriamanitra ».

3- Tsy latsa-danja amin’izany ny fankalazana ny taonan’ny fiainan’ny voatokana. Nandalina izy ireo miaraka amin’ny Eglizy mba hampiharihary ny maha-izy azy ireo hahafahany mizara ny hafalian’ny vaovao mahafaly amin’ny maha mpaminany.

4- Ankizy sy tanora maro no niara-nankalaza ny taon-jobilin’ny Afafi sy FET, nanehoan’izy ireo fa « ny Fivavahana , ny Tenin’Andriamanitra, ny Eokaristia » no manosika hijoro ho iraka sy ho vavolombelona eo anivon’ny fiainana andavanandro. Mahavelom-panantenana ho an’ny Firenena sy ny Eglizy ny fahitana azy ireo miara-mientana.

5- Taom-pahasoavana ho an’Eglizy eto Madagasika ity taona 2015 ity, satria diosezy 10 no feno 60 taona. Niara-nisaotra an’Andriamanitra tany Morondava ny Fivondronamben’ny Eveka, notronin’ i Mgr Savio HON TAI FAI, sekretera jeneralin’ny Foibe mitantana ny fitoriana ny vaovao mahafaly manerantany any Roma. (Propaganda Fide). Manambara fa efa tsara orina eto amintsika ny Eglizy katolika.

6- Nahazo tombom-pitiavana isika eto Madagasikara fa namangy antsika ny « reliques »n’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely sy ireo Ray aman-dreniny, namelona ny finoana sy namohafoha indray ny hasin’ny fianakaviana. Mila olom-baovao ho modely izao androntsika izao, ka ny toe-piainan’izy ireo  ho fakantahaka ho  antsika.

 

II- Satria  famindram-po Andriamanitra.

 1- Ny famindram-po no hatsaram-panahy faratampony isehoan’ny toetran’Andriamanitra. Ny fony mihitsy no atolony amin’ny alalan’i Jesoa, teo amin’ny Lakroa. ( jereo Jn 19, 34 ). Io no banjinintsika manoka amin’izao TAONA Masina ho an’ny famindram-pon’Andriamanitra izao, araky ny hafatry ny Papa Fransoa “Ny famonjena atolotr’Andriamanitra antsika dia asan’ny famindrampony.  Tsy misy asa nataon’olombelona, na dia izay tsara indrindra aza, tokony hahamendrika antsika hahazo an’izany fanomezana lehibe dia lehibe izany.  Fa Andriamanitra, noho ny indrafony madiodio, no misintona antsika hiray aminy” (Hafalian’ny Evanjely, 112).

2- Antso avo ho antsika hibebaka sy hihavao  izao taona Masina izao mba hirosoana amin’ny fiainam-baovao hahatonga antsika koa ho famindram-po tahaka ny Ray ( Lohahevitry ny Taona Masina). «Ny Eglizy no tokony ho sehatry ny famindrampo madiodio, ahafahan’ny olona rehetra mahatsiaro tena ho voaray tsara, ho tototra fitiavana, ho voavela heloka, ho nahazo fankaherezana hiaina araka ny lalam-piainana tsara raketin’ny Evanjely”. (Hafalian’ny Evanjely n°114).

 

III- Saingy isika no be siasia

 

1- Marary izao tontolo izao noho ny hetraketratsika olombelona. Tsy izao tontolo izao ihany anefa fa ity tanindrazana malalantsika ity koa, ka mila fitsaboana ( jereo - Encyclique Laudato si  n°13 -14). Mararin’inona?

2- Tsy misy intsony ny fanajana ny soa iombonana, babon’ny fitiavan-tena ny ankamaroan’ny Malagasy ka potika ny fiainana amin’ny lafiny rehetra. Tsy hisy ny fanajana ny soa iombonana raha tsy voafongotra hatrany am-potony ny kolikoly, ny fahalovana, ny tsy fahamarinana, fa indrindra ny vono olona. Jereo ny taratasy efa nosoratanay volana novambra 2012.

3- Ny politika mifototra amin’ny lainga sy ny kobaka am-bava dia mibaribary hitam-bahoaka. Tsy misy fanompona fa fitadiavana seza, ka zary fametrahana fianakaviana, havana sy olom-pantatra ary ireo mahaloa vola. Ireo no loharano ipoiran’ity kolikoly ity. Vokatr’izay, tsy ny fahaizana sy ny fahendrena intsony no mampandroso ity firenena ity fa ny vola sy ny fahefana no mibaiko.  Dia ho gaga ve isika raha misy sahy mivarotra ny tany nolovaina tamin’ny razana amin’ny vahiny ny sasany ka zary mifampifahavalo ny mpianakavy : miady, mifampitory, mifamono... Mivalaketraka tanteraka ny vahoaka fa tsy hita taratra ny finiavana hanavotra azy ao anatin’ny hantsana mangitsokitsoka.

4- Marary ny fihavanana satria ny fihatsarambelatsihy sy ny henamaso no mandrafitra ny fifandraisana, mamatotra ny olona  ka tsy afa-mijoro intsony amin’ny fahamarinana. Mba hahatanteraka io hevi-dratsy io dia misy sahy manapotika fikambanana na Eglizy izay manao ho soatoavina ny fihavanana ombam-pahamarinana. Manampy trotraka koa ny fahasimban’ny fiaraha-monina, ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Toy ny mandrora mitsilany isika mandrava ny trano iombonana : mikorontana tanteraka ny toetr’andro. Izay mandoro tanety mamono tanteraka ny mahaolona.

 

IV- Antsoantson’ny tany karakaina, antsoantson’ny voageja.

Hoy ny Papa : « Sokafy ny masontsika hahita ny fahoriana eo amin’izao tontolo izao, sy ny ratra mahazo ireo havana maro tsy omen-kasina, ary aoka isika hahatsiaro fa voaantso hihaino ny hiakan’ireo miantso vonjy. Aoka ny tanantsika hifamihina amin’ny tànany, ary hitarika azy ireo hanatona antsika, mba handrenesany hafanana noho isika eo anilany, noho ny fifankatiavana sy ny firahalahiana atolotra azy. Aoka ny antsoantsony no ho antsoantsotsika koa, dia hiaraka isika handrodana ny rindrin’ny tsy firaharahana, izay mazana manjakazaka tsy refesi-mandidy mba hanafenana ny fihatsaram-belatsihy sy ny fitiavan-tena » (Ny endriky ny famindram-po, 15)

Inona àry no havalintsika izany antso avo mahasoa avy amin’ny Papa izany ? Mibebaha mba tsy ho mpitazana kanosa. Aza kivy fa mitrakà hatrany.

1-  Volena amin’ny seha-panabeazana rehetra ( fianakaviana, sekoly,  fikambanana ary fiaraha-monina) ny fanajana ny soa iombonana ka hahatonga ny rehetra hahafoy ho an’ny firenena, handresena ny toe-tsaina mitodika mandrakariva amin’ny fitiavan-tena sy ny fihaviana.

2- Atsaharo ny politikan’ny fitiavan-tena ho an’ireo rehetra anankinana andraikitra amin’ny fitantanam-bahoaka. Ny atao hoe fanjakana tsara tantana dia miahy ny soa iombonana mifototra amin’ny fanajana  ny zo maha-olona sy ny fahaizana mihaino ny feon’ny tsirairay. Esory lavitra ny toe-tsaina manavakavaka eo amin’ny asa fanompoana.

3- Asio lanjany sy hasiny ny tontolo iainana satria asan’Andriamanitra io. Ny krizin’ny  fiainantsika  ankehitriny dia taratry ny fiainantsika anaty karakaina tsy misy fanahy. Mila fibebahana sy fiovam-penitra mahery vaika ny fifandraisantsika amin’ny tontolo iainana sy ny zava-boahary. (cf-Laudato si n°217). Asehoy  an’asa izany fibebahana takina amin’ny tsirairay  sy amin’ny besinimaro izany.

4- Marina fa miorim-paka eto amitsika ny Eglizy, mila fikolokoloana maharitra izany. Amin’ny alalan’ny fiainana andavanandro no anehoana ny fibebahana. Miezaha ho vavolombelona toa an’ireo olomasina sy ireo Ray aman-dreny razantsika hendry teto. Izao taon-jobily izao dia vanim-potoana lehibe hiainantsika ny famindram-pon’Andriamanitra, mitondra antsika hihavao ho an’ny fahamasinana. Miombom-bavaka  amin’ny Papa isika manao hoe : « Tompo ô, izaho no nanaiky ho voafitaka, ary maro ny fomba nandosirako ny fitiavanao, saingy inty aho tonga eto indray, hanavao ny fanekempihavanako aminao ! (Hafalian’ny Evanjely 3).

Miombona amin’ny Eglizy manerantany àry isika mandritra izao Taona Masina izao. Enga anie tsy hihazakazaka any amin’ny tontolom-pahafatesana fa hifampitantana ho any amin’ny fahavelomana arafitry ny fitiavana sy ny fiadanana. « « Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy » (Mt 5, 7) »

Masina Maria mpanjakavavin’ny Fiadanana, mpiaro an’i Madagasikara anie hitari-dàlana sy hitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra ho antsika.

 

Mitso-drano anareo izahay Eveka, Ray aman-dreninareo.

 

Antananarivo anio, 12 novembre 2015

Fetin’ny Masindahy Josaphat, Eveka Martiry

 

Mgr TSARAHAZANA Désiré, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagascar

Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Arsevekan’Antsiranana, Filoha lefitra

Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe, Sekretera Jeneraly

Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo

Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary

Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Arsevekan’i Fianarantsoa,

Mgr Georges VARKEY,  Evekan’i Port-Bergé

Mgr ROSARIO Saro Vella, Evekan’Ambanja

Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’i Mahajanga

Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Evekan’Ambatondrazaka

Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’i Moramanga

Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’i Tsiroanomandidy

Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’i Miarinarivo

Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra

Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’i  Mananjary, Administrateur Apostoliquen’i Farafangana

Mgr RAZAKARIVONY  Fulgence, Evekan’Ihosy

Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’i Tolagnaro

Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’i Morombe

Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’i  Morondava

Mgr MALO Michel,  Evêque Emérite d’Antsiranana

 

Mgr RANDRIAMBOLOLONA Philibert, Archevêque Emérite de Fianarantsoa

Mgr RAZAKARIVONY Raymond, Evêque Emérite de Miarinarivo

Mgr SCOPELLITI Antoine, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

Mgr ZEVACO Pierre, Evêque Emérite de Tolagnaro

Mgr PELLETIER Donald, Evêque Emérite de Morondava

Mgr TOASY Armand, Evêque Emérite de Port-Berger

 

 

Nalaina tao amin'ny http://www.lakroa.mg

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102