Hafatry ny Eveka Mey 2017 - Am-bava homana, am-po mieritra

Nampiditra : admin
Daty : 18/05/2017

“Manaova asa mendrika vokatry ny fibebahana ary miovà

ho amin’ny tsara”( Lk 3,8)

HAFATRA HO AN’NY KRISTIANINA REHETRA SY IREO TSARA SITRAPO REHETRA

« Homba antsika mianakavy anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’i

Jesoa Kristy Tompontsika!».

 

Efa imbetsaka izahay Eveka no nanoratra sy nanaitra mikasika ny zavamisy eto amin’ny firenena. Marina fa misy ireo ezaka natao, na avy amin’ny mpitondra isan’ambaratonga, na eo anivon’ny vahoaka. Milaza miara-mahita anefa isika fa mikorosy fahana hatrany ny fiainam-pirenena amin’ny lafiny maro. Hamafisinay izay efa nambaranay tamin’ny alalan’ny Birao maharitra sy ireo fikambanan-dRelijiozy lahy sy vavy momba an’iny habibiana mampihoron-koditra sady zava-doza niseho tany Antsakabary, Antsirabe ary Antsohihy iny; ka tsy fanairana intsony no ilaina fa fiovam-penitra mahery vaika hanova izao zava-misy izao. Tsy inona no fototr’izao fa difotry ny lainga sy fitaka ny fiainam-bahoaka ka tsy re intsony ny feon’ny olo-marina;ny vola no zary fenitra lasa andriamanitra tompoin’ny hatrany amin’ny faratampony.

 

Anatin’ny vanim-potoan’ny Paka rahateo isika, Paka manambarafahariana vaovao, Paka mitondra fanantenana araka ny antso avo nataon’i Md Piera Apôstôly hoe : “Mibebaha.... satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any”...Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona ka hoy izy ireo tamin’i Piera sy ireo apôstôly namany:“Inona ary ry rahalahy no hataonay?” ( Asa 2, 38-39)

 

1- Mibebaha ho an’ny fitiavan-tanindrazana : Môdely i RamoseBotovasoa.

 

Manana môdely sy mpivavaka isika amin’izany dia Ramose LucienBotovasoa. Tahaka ny tamin’ny andro niainany izao vanim-potoana atrehintsika izao ka mitaky fiainam-pibebahana.Velom-panantenana tokoa isika ary mahatsiaro ho sambatra satria nahazo fanomezana manokana avy amin’Andriamanitra. Tamin’ny 2 mai 2017 tokoa mantsy no nambaran’ny Papa Fransoa fa Martiry noho ny finoana sy ny fitiava-namana i Ramose Lucien Botovasoa: Lehilahy kristianina, terisiera fransiskanina avy ao Vohipeno; lehilahy nibebaka, tsy nety voavidim-bola, nijoro ho vavolombelon’ny marina sy ny fampihavanana, ary indrindra, nahafoy ny ainy ho fitiavantanindrazana. Hoy izy: “Enga anie ny rako latsaka amin’ny tany, ho fanavotana ny tanindrazako”. Miara-misaotra an’Andriamanitra isika noho izao fahasoavandehibe izao, miara-midera ny asan’ny Eglizy. Mbola holazaina amin’ny manaraka ny toerana sy ny daty hanamarihana ny fankalazana lehibe. Fa dieny izao dia entanina sahady isika hivavaka ho an’ny Tanindrazana.

 

2- Inona àry no ataontsika ?

 

Hoy ny Papa François : “Rahefa ny fiainana anaty no zary mihiboka, manao salobon-komana, dia tsy misy toerana ho an’ny hafa intsony eo aminy, tsy tafiditra eo intsony ny mahantra, tsy heno intsony ny feon’ Andriamanitra, tsy hay intsony ny mianoka amin’ny hamamin’ ny fitiavany, tsy mirehidrehitra intsony ny hafanam-po hanao ny tsara. Na ny mpino aza tandindomin’io loza miharihary sy mananontanona lalandava io. Maro no lavo aminy, ka zary miova : lasa olona sosodava, malazo tsy misy aina”. ( Hafalian’ny Evanjely n°2)

 

• Ho antsika mpitondra fivavahana :

 

Hoy ny 0lontsambatra Papa Paoly VI: “Tsy mpitory teny fotsiny no ilain’izao vaninandrontsika izao fa vavolombelona. Matoa henoina ny mpitory teny dia noho izy vavolombelona amin’ny ataony sy ny teniny”. Koa meteza àry isika mpitondra fivavahana ho sahy handinin-tena isan’andro sy hiady amin’ireo fahalemena mandavo ny olombelona. Sao dia isika indray no ho mpitaribato vilam-bava ka hanafintohina ny hafa!

 

• Ho an’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka:

 

Natao hiaro ny aina ny hôpitaly. Firifiry moa ny marary mafy entina amin’ny hôpitalim-bahoaka no jerem-potsiny, voatery mody maina ka maty an-dàlana satria tsy afaka “nametraka kely” araka ny fiteny ankehitriny. Ny vidim-panafody rahateo midangana. Matahotra izahay sao dia efa misy manao fandringanana ankolaka (génocide silencieux) eto amintsika, anatin’izany ny fanalan-jaza... Ry dokotera sy mpitsabo ô! aoka hiainanareo ny fianianana nataonareo.

 

• Ho an’ny Ministeran’ny fanabeazana sy ny fampianarana:

 

Ahoana ny hamerenana ny fitiavan-tanindrazana amin’ireo olona volavolaintsika? Mitaky olon-kendry sy olom-banona tahaka an-dRamose Lucien Botovasoa izay vao hiverina ny hasin’ny mpanabe sy mpampianatra. Ny ohatra velona no tena fanabeazana mahomby. Koa fadio ny mivarotra diplôma sy ny manodinkodina mpianatra.

 

• Ho an’ny Mpiandraikitra nyFandriam-pahalemana sy ny Fiarovam-pirenena.

 

Ho anareo Zandary, Pôlisy sy Miaramila, na tsotra na manamboninahitra: be ny re sy hita ataonareo toy ny firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo sy mpanao ratsy, miseho amin’ny fivarotana bala sy fampanofana basy ary ny fampihorohoroana ny tantsaha any ambanivohitra. Ary ny mahazatra ataonareo dia ny“fanorana saofera eran’ny làlana”. Henoy ny tenin’ny Md Joany Batista manao hoe: “Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny kolikoly, ary mahaiza mianona amin’izay karamanareo”. (Lk 3, 14). Ary tadidio ny velirano nataonareo ho an’ny Tanindrazana. Ianareo rehetra ireo no natao hiaro ny aina nefa lasa mpamono. Loza izany!

 

• Ho an’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny angovo:

 

Mifanesika manao tsy omby loha ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany vahiny izay mahalala ny haren’ny Malagasy. Zary tompony mpangataka atiny isika, ary manao tantely afa-drakotra ny harentsika ry zareo. Aza miray tsikombakomba sy matinkanin-kely hanome mora foana fahazoandàlana hitrandraka. Diniho fa ny harena nomenjanahary tsy miverina indroa. Nahoana re no viraviraina tahak’izao ny tanindrazantsika?

• Ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana :

 

Aminareo mpitsara sy tontolon’ny fitsarana, ny resaka re momba anareo dia tsy misy madio fa kolikoly sy fanapotehana ny marina, ary fanamelohana ny tsy manan-tsiny syny tsy manam-bola. Mampalahelo fa na dia ireo namanareo manao asa tsara sy marina aza dia potehinareo na afindra toerana. Vokadratsin’izay dia ny fitsaram-bahoaka no heverin’ny olona ho vahaolana. Zary resabe fotsiny ny hoe: “Tany tan-dalàna”. Mibebaha kaaraho ny feon’ny fieritreretana (Konsiansy) sy ny fianianana nataonareo Mpitsara.

 

• Ho anareo olom-boafidy :

 

Notoloran’ny vahoaka fahefana ianareo nefa zary nampiasainareo hitadiavana ny tombon-tsoanareo samirery, toy izay nentina hanasoavana vahoaka. Tolotolotra sy ambin-kanina ve no nataonareo odin-tsento ho an’ny vahoaka. Tsarovy ny lokaloka sy ny fifanekena nataonareo tamin’ny fampielezan-kevitra.

• Ho anareo mpanao politika , na mpanohitra na mpomba ny  fitondrana : Toa nanjavona ny tena hevitry ny « pôlitika : fanasoavambahoaka », ka ny fitadiavana sy ny fiarovan-tseza no hany tanjona manjaka sy hitan’nyvahoaka. Ny soa iombonana re no katsaho sy arovy toy ny anakandriamaso.

 

3- Ho antsika mianakavy :

 

Efa maro amintsika ny mikatroka hiaro ny tombontsoan’ ny Eglizy sy ny Firenana : mijoro amin’ny marina, miady amin’ny ratsy ary miaro ny soa iombonana, saingy tsy ampy fandrindràna fa mbola samy mila ho azy. Tsy misy firaisan-kina. Noho ny finoana an’i Kristy nandresy ny ratsy dia matoky isika fa ny Fanahy Masina miasa mandrakariva sy manavao antsika. Ka aoka isika mianakavy hiombom-po sy fanahy, miaraka amin’i Masina Maria sy ny Apôstôly hanao vavaka hasivian’andro manomboka ny alakamisin’ny « Ascension » ka hatramin’ny sabotsy mialoha ny« Pantekôty ».

 

Ireto ny vavaka atao :

 

Zaho mino,

Vavaka ho an’ny fandriam-pahalemana,

Rainay any an-danitra,

Arahaba ry Maria,

Voninahitra anie….,

Fo Masin’i Jesoa,

Fo Madion’i Maria,

Md Josefa,

Md Franscisco,

Mb Jancinta, …..

NyMpanompon’Andriamanitra Lucien Botovasoa,

Ry Fomasin’iJesoa……..

 

Mitso-drano anareo izahay Eveka Ray aman-dReninareo.

 

Antananarivo, anio 13 mai 2017.

 

Faha-100 taonan’ny Fisehoan’i Masina Maria tany Fatima.

 

Mgr Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny

Eveka eto Madagasikara

Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filoha lefitra

Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly

Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana,

Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo,

Mgr Fulgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa,

Mgr Fulgence,RABEONY Arsevekan’i Toliary

Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé

Mgr Rosario VELLA, Evekan’Ambanja

Mgr Roger Victor RAKOTONDRAJAO, Evekan’i Mahajanga

Mgr Jean de DieuRAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka

Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Moramanga

Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Mgr Philippe RANAIVOMANANA, Evekan’Antsirabe

Mgr Gustavo Bombin ESPINO, Evekan’i Maintirano

Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra

Mgr José Alfredo Caires DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary, Administrateur

Apostolique-n’i Farafangana

Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy

Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro

Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe

Mgr Michel MALO, Archevêque Emérite d’Antsiranana

Mgr Philibert RANDRIAMBOLOLONA, Archevêque Emérite de Fianarantsoa

Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo

Mgr AntonioSCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

Mgr Pierre ZEVACO, Évêque Émérite de Tolagnaro

Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava

Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé

RP Jean ClaudeRAKOTOARISOA, Administrateur diocésain-de Tsiroanomandidy

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1054 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org