Md. Norbert - 6 jona

Norbert dia teraka tao amin’ny Tanana kely iray tao Alemagne ny taona 1080. Tarananka Amperora avy tao Alemagne sy Laurene ny Ray aman-dReniny. Mbola tanora izy dia efa nanana andraikitra nosahanina tao amin’ny fiangonana, nefa tsy naha-toatra ny fironana tany amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao izany andraiki-tra noraisiny izany. Ny taona 1115, dia nisy feo avy tany andanitra nanambara taminy, ary nampiova ny fiainany hitodika tamin’Andriamanitra. 
Nilaozany ny fiainany maha panankarena azy, fa lasa izy nisalotra ny fitafian’ny pitokamonina ka nipetraka tao efa ho 3 taona. Andro Noely izy no namasinina ho Pretra. Fibebahana, asa famolahantena sy fifadiankanina no mameno ny fiainany. Tsy mba ty misehoseho izy fa ny miasa ampahanginana hatrany no nataony. Any amin’ny lava-bato izy no manao ny soratra masina sy mivavaka. Noenjehan’ireo Pretra namany izy noho izy ty mitokatokana ka, nilaozan’ny fananany rehetra, dia lasa izy nitory ny evanjely tany Frantsa rehefa nahazo alalana avy amin’ny Papa tamin’izany. 
Niverina tany Alemagne indray izy ka nanorina fikambanana tao rehefa nahazo ny fakatoavana avy tamin’ny Eveka tao antoerana ny taona 1120. Ny 18 jolay 1126 izy no voatendry ho Eveka ary nametraka fialana tsy ho lehiben’ny fikambanana intsony nook ny adidy goavana izay niantsorohany. Ny 6 Jiona 1134 i Norbert no nandray ny fanosorana farany ary nodimandry. 
Ny hoe Norbert dia avy amin’ny teny Germanique hoe “North” sy “ Berth” izay midika hoe avaratra sy mamiratra.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099