Mb. Clotilde - 4 jona

Teraka tao Lion tamin’ny taona 474 i Clotilde. Panjaka ny Rainy, ary Kristianina ny Reniny. Nobeazina tamin’ny finoana Kristianina sy ny fanajana ny Maritiry izy. Novonoin’ny rahalahan-dRainy ireo Ray aman-dReniny tamin’ny taona 490, ka ny panjaka tao Geneve sady rahalahan-dRainy ihany no nitaiza azy. Nangatahan’ny panjaka Clovice ho vady izy. Nandalo fitsapana mafy izy tao amin’ny tokatranony, indrindra teo amin’ny fiterahana. Vavaka hatrany no nentin’I Clotilde niatrehany izany.
Taorian’ny ady nifanaovan’ny tafik’ I Clovice , dia nibebaka ary niroso natao batemy Kristianina rehefa nampanatena an’I Clotilde izy. Nifantoka tamin’ny fanabeazana ireo zanany efatra mianadahy izy, ary nifanaraka tamin’ny vadiny ihany koa ka nanorina fiangonana teo amin’ny tendrombohitra sady nasiany fasana rahatrizay rahateo. Roapolo taona nivadian’izy ireo no nodimandry I Clovice. Nanomboka teo iany koa ny fijalian’I Clotilde. Mbola fitsapana sy sedra mafy kokoa noho ny efa niainany izy, nefa noraisiny ho asa fivalozana avokoa izany. Tsy naha-kivy azy fa mbola nanorina fiangonana, trano fianarana maro, trano fitokana-monina ary fanavaozana ireo fotodrafitr’asan’ny fiangonana. Nodimandry teo amin’ny faha 70 taonany izy ny 3 Jiona 545.

Ny hoe Clotilde dia avy amin’ny teny Germanique hoe “Cold” sy “ Heald” izay midika hoe voninahitra sy ady.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099