Md Piera sy Paoly - 29 jona

Apôstôly roa lehibe tsy azo ampitahana ra i Piera sy Paoly. I Piera dia nisolo an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiangonana. I Paoly kosa dia tsy nikely soroka sy tsy nitandro hasasarana tamin’ny fampielezana ny finoana teo amin’ireo Grika sy Rômanina. Samy andrin’ny Fiangonana izy ireo, ary samy nijoro ho tompon’andraikitra tamin’ny fampiombonana ny fiangonana sy ny fanitarana azy. Nafoin’izy ireo mihintsy atramin’ny ainy tamin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy. Samy niaina tamin’ny taonjato voalohany i Piera sy Paoly, ary samy maritiry tamin’ny andron’i Neron. 
Masindahy Piera dia zanaka mpanjono teraka tao Betsaida. Tsotra ny fianakaviany. Teo ampanjonoana teo amin’ny farihin’i Tiberiady izy no naheno an’i Jesoa niantso azy hoe “ Avy hanaraka ahy fa ataoko ho mpanarato olona ianao”. Tsy nandao ny Tompo mihintsy i Piera fa hita teny amin’ny fiainan’i Kristy foana izy, eny fa na talohan’ny nahafatesany aza. Na dia teo aza ny fandavany in 3 tamin’ny fotoana nijalian’i Kristy dia voaonitra izany ka nataon’ny Tompo ho filohan’ny Apôstôly sy ny Fiangonana izy, ka nambarany fa Piera Vato anorenana ny fiangonana. Nosamborina izy ary nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana toa an’i Kristy ihany koa fa nangataka izy ny ho afototra fa tsy toa an’i Kristy. Hafaliana no nanenika ny fon’i Piera ka nahatonga azy hiteny hoe “Ity no hazon’ny fiainana, hazo nandresy ny fahafatesana sy nanavotra izao tontolo izao. Tontosa izany noho ianao zanak’Andriamanitra velona”. 


Masindahy Paoly indray dia Saoly no anarany, ary noheverina fa teraka tamin’ny taonjato faha 5 tao Tarsa Antioky izy. Jody i Saoly ary mpanenona ny rainy. Nizaka ny zo maha Rômanina ihany koa izy ireo. Isan’ireo mpanenjika sy mpanohitra ny mpianatr’i Kristy i Saoly. Tampoka sy tsy nampoizina ny fibebahan’i Saoly. Tamin’izy teny andalana ho any Damasy, hanohitra ny Kristianina no niantsoan’ny Tompo azy. Nanomboka teo ny fibebahany ary nandraisany ny anarana hoe Paoly. Nentiny nitory an’i Kristy sy ny fampielezany ny finoana ny talentany sy ny fahaizany rehetra ary nahomby izy tamin’izany. Nitety firenena maro tany Eoropa izy nitory ny Evanjely, tamin’ny taona 61. Naharitra 30 taona ny nanaovany izany asa masina izany. Nosamborina tao Sezarea izy avieo, ary nentina tany Rôma ka tao no nanapahana ny lohany tamin’ny taona 67. Taty aoriana dia nanorenana Bazilika ny toerana namonoana an’i Masindahy Paoly io.

Loharano: Radio RDB

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258