Md. Maximin de Treves - 29 mey

Maximin dia teraka tao Silly departemantan’I Vienne, tamin’ny faraparan’ny taonjato faha telo. Fanta-daza tao an-tanana ny fianakaviana nipohirany, ary nalaza tamin’ny faha-masinana. Hatramin’ny fahaterahany izy dia efa nahazo ny fanabeazana mendrika. Mirahalahy izy no voahantso iandry omby ao amin’ny fiangonana.
Ny fandalinana an’Andriamanitra no tena nimasoany, ary niakatra tany Trève izy mba hanatevenany ny finoany sy ny fahaizany. Nitombo tao aminy ny fahendrena sy ny faha-mendrehana ka isan’ireo noraisina ho pretra sy nandray ny Sakrametan’ny filaharana izy. Nahafapo tokoa ny asa nankinin’ny fiangonana taminy,ka mamy oditra tamin’ny vahoaka sy ireo mpino I Maximin teo amin’ny fiaraha-monina. Ny 13 Janoary 332 I Maximin no voatendry ho Eveka hisolo toerana an’I Masindahy Agrisse Eveka teo aloha sady isany namolavola azy ihany koa. Fotoana nampi-vaivay ny fanenjehana ireo Kristianina tamin’izany, ary nampi-rongatra ireo Arianina pampiely ny fampianarandiso. Niezaka hatrany i Maximin tamin’ny fiarovany ny fiangonana sy ireo Kristianina na dia efa nihatra tamin’ny ainy aza. Ny taona 349 izy no nodimandry, ary efa maro ireo fahagagana vitany taorian’ny fahafatesany.
Ny hoe Maximin dia avy amin’ny teny Latinina hoe “Maximus” midika hoe “ilay lehibe indrindra”.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1662