Md. Rafael Arnaiz Barón - 26 aprily

Ankalazaina ny 26 aprily. Novisy. Teraka ny 9 aprily 1911 tany Burgos tany Espagne izy. Lahimatoa amin'ny zanaka efatr'i Rafael Arnaiz y Sanchez sy Mercedes Baron Torres, izay fianakaviana manan-katao sy katolika mafana fo.

Tamin'ny 1930, raha afaka bacc izy dia nalefan'ny ray amandreniny niala sasatra tany amin'ny dadatoany tany akaikin'i Avila. Nifandray am-po akaiky tamin'io dadatoany io izy, ary hita taratra tamin'ny taratasy nifandraisan'izy ireo izany. Tamin'io fialantsasatra nataony io no nanoroan'ny dadatoany azy hevitra ho any amin'ny monastera iray. Nanohina azy loatra ny fahanginana sy ny fiainana tao amin'io monastera io indrindra rehefa mivavaka ireo "moines" ka nijanona tao am-pony. 

Noho ny talenta fanaovan-tsary nananany dia nanomboka niditra nianatra tany amin'ny teknika fanamboara-ntrano izy. Kanefa tsy naharitra fa ny taona 1934 dia nanapa-kevitra hiditra any amin'ny monastera. Noho ny aretina diabeta izay hita tampoka taminy sy nampijaly azy mafy anefa dia voatery najanona aloha izy na dia vao novisy monja aza. Roa taona taty aoriana, nandritra ny fitsaboana maharitra, vao afaka niverina tany amin'ny monastera indray izy saingy tsy afaka tena nanaraka ny tena fitsipi-piainana intsony noho ny fahasalamany. Maty tao amin'ny monastera izy ny 26 aprily 1938, paka tsara tamin'izay.

Voamarika tsara teo amin'ny fiainany ny faniriana mafy ny hiaina miaraka amin'i Kristy ao anatin'ny fiainan-drelijiozy na dia teo aza ny sakantsakana avy amin'ny aretina nahazo azy, sy ny ady izay nisy tamin'izany fotoana izany. 

Nasandratry ny Papa Joany Paoly II ho olontsambatra izy ny 27 septambra 1992 ary natsangan'ny Papa Benoà XVI ho olomasina kosa ny 11 oktobra 2009.

 

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107