Mb. Marie-Euphrasie Pelletier - 24 aprily

Ankalazaina ny 24 aprily. Virjiny sy Mpanorina fikambanana (1796-1868). Zanaka dokotera anakiray nantsoina hoe Julien Pelletier izy. Teraka ny 31 juillet 1796 tao amin'ny tanana kely nantsoina hoe Noirmoutiers. 

Niditra tao amin'ny fikambanan-dry Masera Notre-Dame de Charité izay noforonin'i Md. Jean Eudes izy raha mbola vao 19 taona monja. Fikambanana izay niahy indrindra ireo vehivavy tsy misy mpiahy sy ratsy fitondran-tena, manabe azy ireo indray ka mamerina azy ho olombanona. Tamin'ny faha 29 taonany izy dia lasa lehiben'ny ankohonana nisy azy tao Tours. Tao ihany koa no namondronany ny vehivavy tanaty fikambanana nataony hoe "Madeleines" izay miaina tahaka ny relijiozy karmelitana.

Tamin'ny taona 1829 izy dia nandeha tany Angers mba hanorina trano fialofana toa izay nisy tany Tours. Nila fahalalahana bebe kokoa izy hanaovany izany asa izany ka nisintaka sy namorona fikambanana vaovao izay nantsoiny hoe "Maseran'ny Mpiandry Ondry Tsara" na "Soeurs du Bon Pasteur". Betsaka ihany ny sakantsakana avy amin'ny manodidina sy avy amin'ireo rahavaviny tao amin'ny Notre-Dame de Charité tamin'ny namoronany io fikambanana vaovao io. Noho ny filofosany anefa dia neken'ny Papa Gregoire XVI ihany ny fijoron'ny fikambanana ny 3 aprily 1835. Izy no lehibe jeneralin'ny fikambanana hatramin'ny fotoana nahafatesany.

Tamin'ny nahafatesany dia nahatratra 2376 ny masera tao amin'ny fikambanana.

Tamin'ny taona 30 aprily 1933 izy no nasandratry ny papa Pio XI ho olontsambatra ary ny papa Pio XII kosa no nanangana azy ho olomasina ny 2 mey 1940.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098