Mb. Larissa - 26 martsa

Niaina tany amin’ny taonjato faha efatra I Mb Larissa. Maritiry tany Crimée tao amin’ny fiangonana Grika izy ny taona 375. Namoaka adidy ny mpanjaka mba handorana velona azy niaraka taminy izay nankalaza ny Eokaristia masina tao anaty trano lay. Tonga tao ity mpanjaka nitondra sampy ary niteny tamin’ireo mpino kristianina izay niaraka tamin’i Larissa fa tsy maintsy miankohaka sy mitsaoka an’ilay sampy. Nisy moa ireo nanaiky noho ny tahotra ka tsy nokitihina, fa i Larissa sy ireo namany kosa izay miisa 26 dia tsy nanaiky ka nodorana velona. Taoriana kelin’izay dia nisy vadina mpanjaka Goth izay no nanangona ny sisataolan’ireo maritiora ireo ka nitondra azy nankany Sirie; Novonoina marity ihany koa io vehivavy io.

Ny hoe Larissa dia avy amin’ny teny “Grika” hoe “Lara” midika hoe “mouette” (Vorona misidina ambonin’ny onja )

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0558