Md. Rodrigue - 13 martsa

Pretra Espagnol teraka tao Cordou tanana iray ao Espagne i Masindahy Rodrigue. Niafina ny fanamasinana azy ho pretra satria nobaboin’ny Sarasin ny toerana nisy azy ireo tamin’izany fotoana izany. Nivadihan’ny rahalahiny silamo i Rodrigue ary nohelohina noho ny finoana narahany. Nasaina nandà izany finoana izany izy nefa tsy nety nivadika. Naiditra am-ponja izy ary tao no nihaonany tamin’i Salomon ilay Kristianina nampijaliana ihany koa. Nifankahery izy mirahalahy ireto ary niaraka novonoina martiry ny 13 Marsa 857 tao Cordou ihany.

Ny hevitrin’ny teny hoe Rodrigue dia avy amin’ny teny Germanique “hrod” midika hoe : voninahitra sy “ric” midika hoe : mahery na matanjaka.

Loharano RadioDonBosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095