Avia fa ho hitanareo

Alahady tsotra faha 2 mandavantaona - Taona B

Avia fa ho hitanareo” (Jn 1, 35-42)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Miditra sahady amin’ny herinandro faharoan’ny vanim-potoana mandavataona sahady isika; mandeha ny fotoana, mandeha ny lera ary efa misasaka sahady aza ny volana voalohany diavintsika amin’ity taona vaovao ity. Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana Katolika renintsika hanombohana izao taona vaovao ara-pinoana izao dia ny Evanjelin’i Jesoa Kristy nosoratan’i Masindahy Joany ary ny votoaton’ny fampianaram-pinoana omeny antsika dia mifototra betsaka amin’ny fijoroana vavolombelona ataon’i Joany Mpanao Batemy tamin’ireo mpianany manoloana an’i Kristy ilay Mesia. Mba hahazahoantsika haingana kokoa ny votoaton’izany fampianaram-pinoana izany dia heveriko fa tsara raha averiko eto manontolo ny Evanjely vakiana amintsika amin’ity Alahady ity.

Nony ampitson'izay indray, dia mbola teo koa Joany sy ny mpianany roa lahy; ka hoy izy nahatazana an'i Jesoa nandalo: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra. Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an'i Jesoa. Ary nitodika Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka azy, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy ireo taminy: Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza hianao no mitoetra? Dia hoy izy taminy: Avia fa ho hitanareo. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin'iny andro iny; ary tokony ho tamin'ny ora fahafolo tamin'izay.

      Andre rahalahin'i Simona Piera no anankiray tamin'izy roa lahy izay nandre ny tenin'i Joany ka nanaraka an'i Jesoa. Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia Simona rahalahiny ka nilazany hoe: Efa hitanay ny Mesia (izany hoe ny Kristy, raha adika). Dia nentiny nankany amin'i Jesoa izy, ka nony nijery azy Jesoa dia nanao hoe: Hianao no Simona zanak'i Joany; hatao hoe Sefasy hianao, izany hoe, Piera”.

Fampianarana telo no azontsika tsoahina amin’io ampahan’Evanjely io. Ny voalohany dia ny mahakasika ny fijoroantsika ho vavolombelona. Rehefa nilaza i Joany fa “iny tamy iny ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra” dia avy hatrany ireo mpianany dia nanara-dia an’i Jesoa. Toy izany koa isika kristianina; ny fijoroantsika ho vavolombelona fa i Jesoa no zanak’Andriamanitra dia manampy betsaka ireo olona sasany izay mbola marefo osanosana amin’ny finoana ka mankahery azy ireo hanantona ny Tompo sy hanaradia Azy. Ny fampianarana faharoa kosa dia ny tebitebitsika eo anatrehan’ny fifikirana amin’i Kristy. Ataoko fa tsy izaho irery no manontany tena hoe “mba manao ahoana marina kay izany miaraka mitoetra amin’i Kristy izany”. Betsaka ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ireo manodidina ahy fa ny tena azo antoka ho marina dia ny fitokiana ny Tenin’i Kristy ka manara-dia Azy sy miaraka monina Aminy. Toy ireo roalahy izay nametraka fanontaniana tamin’i Kristy ihany koa isika; ka manontany Aminy hoe “manao ahoana izany miaraka monina Aminao izay ry Jesoa”. Ny teniny dia tsotra “Avia fa ho hitanareo”. Ny hany azo antoka hahatsapana ny hasambarana miaraka amin’ny Tompo dia ny fiarahana Aminy; tsy ny famakiana boky betsaka, tsy ny fanaovana “statut” amin’ny aterineto sy ny tambajotra sosialy, fa ny fonenana miaraka Aminy. Ary ny Tompo tsy milaza angano na “manao ariary zato ampandriana” fa izay miaraka monina Aminy dia tamana avokoa. Toy ireo roalahy izay nanaiky hitoetra miaraka Aminy, rehefa nahita ny fiadanam-po niaraka Taminy dia “tamana” sy “taraiky” ary nanaiky ny hiara-dia Aminy hatrany hatrany aza. Toy izany koa isika, meteza hiaraka monina amin’ny Kristy ary mandrosoa ao Aminy fa ao ihany no hahazahoana ny fitoniana sy ny fitsaharana ary ny fahafenoan’ny hasambarana.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hevitra mandeha

craigy ( 14/01/2018 23:04)
Bonjour Mompera Nary,
Tena misaotra sy mankasitraka tamin ny fanazavanao ny evanjely androany amin ny alalany internet ity fa tena nahafapo tanteraka.Mba mangataka raha mety mba tohizo hatrany fa tena ilainay vahoakan Andriamantra ny toy izao. Ny Tompo anie hitantana anao hatrany amin ny zavatra rehetra sy ampitombo ny fahamasinanao.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011