Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra

Alahady tsotra faha 30 mandavan-taona Taona A

Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao” (Mt 22, 34-40)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Nony ren'ny Farisiana fa nataon'i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana, dia nivory izy rehetra; ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin'izy ireo nanontany azy mba haka fanahy azy hoe: Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? Ary hoy Jesoa taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.”

Niniako nadika ary naverina manontolo hanombohantsika izao fifampizarana izao ny Evanjely vakiana amintsika amin’ity Alahady androany ity; niniako izany satria heveriko fa mahafehy manontolo ny atao hoe Finoana. Raha lazaina faran’izay tsotra dia tsotra, ny Finoana moa dia ny Fankatoavana hery iray hifehy sy hizaka ny fiainana manontolo. Isika Kristianina dia mino an’Andriamanitra, Tokana olona telo dia ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Mazava hoazy, rehefa miteny hoe Andriamanitra isika dia efa voatonona ao ihany koa ny Zanaka sy Fanahy satria iray ihany izy telo ireo. Matoa koa anefa mino dia misy antony sy toniany. Ny antony inoantsika dia satria mba hahazo soa sy fanambinana dieny ety an-tany ary higoka hasambarana mandrakizay rahatrizay rehefa mandao ity tany fandalovana ity. Mino aho ary atombokako dieny ety an-tany ny mandrakizay.

Ny fototrin’ny fampianaram-pinoana aroson’ny Fiangonana amintsika androany sy amin’ity herinandro diavintsika ity dia mahakasika indrindra ny finoana an’Andriamanitra sy ny fomba fiainana takian’izany finoana izany eo amin’ny manodidina antsika. Voafintina tanteraka ao amin’io ampahan-tsoratra masina io indrindra manko ny momba ny atao hoe Finoana an’Andriamanitra sy ny fiainana takian’izany eo amin’ny andavanandro. Tsy misy kabary lava, tsy misy lahatsoratra mameno boky ary tsy mila safary mitarazoka ny fomba filazan’i Jesoa ny atao hoe Finoana an’Andriamanitra. Teny tokana ihany no namintinany azy dia ny hoe “Fitiavana”. Ny finoana sy fanajana an’Andriamanitra dia tsy inona akory fa ny Fitiavana Azy amin’ny Fo manontolo. Angamba ataoko fa tsy hisy indray hilaza hoe ahoana ny mitia satria dia fiainantsika andavanandro io fitiavana io, ary izany indrindra no nisafidian’i Kristy an’ilay voambolana. Ny Finoana an’Andriamanitra hoy aho teo, arakin’ny ilazan’i Kristy azy dia mitovy lasitra tanteraka amin’ny Fitiavana Azy. Tsy sarotra ny hanekena izany satria ahoana tokoa moa no handraisana olona iray hizaka ny fiainanao manontolo raha tsy tianao ilay olona. Tsy ho latsa-paka ny Finoana raha tsy atosikin’ny Fitiavana ary ny Fitiavana aza no fototrin’ny Finoana. Fa tsy hoe rehefa tia an’Andriamanitra akory dia ampy izay; fa ny Fitiavana an’Andriamanitra ihany koa dia mitondra mankany amin’ny Fitiava-namana. Raha adikako mivantana dia hoe: tsy maintsy tia namana izay tia an’Andriamanitra. Raha misy olona milaza fa tia an’Andriamanitra ary milaza azy ho vontom-pinoana sy mivavaka mafy, dia mpihatsaravelatsihy ihany izy raha toa ka mankahala sy manaratsy ny namany. Tsy azo ihodivirana io mari-drefy io fa tò tanteraka. Toy ny alerijia ny Fitiavana an’Andriamanitra ka tsy maintsy mivoaka ary mipoitra ety antsisin-koditra rehefa betsaka ao anaty. Ny lafatra anefa tsy misy ary an-dàlana isika fa tsy mbola tonga amin’ny Fahamasinana; ezaka isan’andro ny Fitiavana ny namana tahaka ny tena satria olombelona isika fa tsy anjely. Antsoy ny Tompo hampitombo fitiavana anao ary hamasino eo anatrehany ny fifankatiavana mba tsy hibiririoka.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098