Ny toky fitaka fa ny atao no hita

Alahady tsotra faha 26 mandavantaona Taona A

Ny toky fitaka fa ny atao no hita” (Mt 21, 28-32)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ny antso avo nataon’i Kristy dia antso ho amin’ny fibebahana mandrakariva; antso mba hiverenan’ny besinimaro ho amin’ny Ray indray. Izany no antso avo nataony mba “tsy hisy ho very na dia iray aza”. Nampiasainy avokoa na teny mamy na teny mahery ary tsy nisorona mihitsy Izy nampiasa ireo voambolana sy fanoharana samihafa mba ho tonga any ampototsofin’ny tsirairay ny antsony. Hany ka betsaka ihany koa ireo tafitohina; tafitohina satria voatohitohina amin’ny tombotsoa nifikirany; ary izany ihany koa aza no namoizany ny ainy. Fa tsy nahoany fa ny adidiny sy ny iraka naniraharan’ny Rainy azy ihany no nataony. Voaantso ho amin’izany adidy izany ihany koa ny kristianina tsirairay; voaantso mba tsy hikosomaso hanitsy sy hananatra ireo mpiara-monina aminy ho amin’ny fibebahana na dia hiteraka fankahalana sy fanenjehana aza izany. Adidy masina ny fanitsiana sy fanoroana ny mpiara-belona ho amin’ny làla-marina hiverina amin’ny Ray.

Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa tonga teo aminareo tamin'ny làlan'ny fahamarinana Jonasa, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no nino azy; ary hianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy”. Mafy izany teny izany; maharary izany ary tena mandona ny aty fanahy. Ho ahy manokana aloha dia tena nanaitra ahy tanteraka ary nanohina ny atifanahiko. Fampihorohoroana ve? Fampitahorana ve? Angamba. Tsia; tsy izany fa tena “teny tsy misorona”. Notsoahana tao amin’ilay fanoharana momba ilay zanaka roalahy nirahin’ny rainy ho any amin’ny tanimboalobony. Ny lahimatoa moa avy dia nanaiky ny handeha saingy tsy nandeha akory nony avy eo; ny zandriny kosa nandà ny tsy handeha fa saingy nony avy eo dia nandeha ihany. Ny marimarina kokoa dia samy tsy nety ny azy roalahy saingy raha hisafidy eo amin’ny ratsy anankiroa dia izay mba tsy dia ratsy no safidiana. Noho izany, aleo kokoa mandre hoe nandà nefa nanao ihany avy eo toy izay manaiky saingy tsy manatanteraka avy eo.

Matetika tokoa dia misy fifanolanana sy tsy fifanandrifiana ny sitrapontsika sy ny sitrapon’Andriamanitra. Mazàna dia mamaly “eny” isika amin’ny antson’ny Ray amin’izay sitrapony sy izay ampanaoviny. Fa saingy “eny” somambisamby sy tsy tena matotra akory ary tsy vokatrin’ny faharesen-dahatra avy ao am-po fa entim-pahazarana fotsiny ihany. Ireny “eny” am-bava ataontsika ireny dia tsy vokatrin’ny fo akory fa “faohy any, faohy any” fotsiny ihany ary tsy vokatrin’ny fiekena tanteraka hanao ny sitrapon’ny Ray. Hany ka na dia ny fiainantsika aza tsy ahatazanana fiovam-po sy fibebahana na dia sombiny akory aza. Na izaho, na ianao, dia samy kristianina isika, samy mivavaka isakin’ny alahady, samy mandray anjara amin’ny litorjia ary samy miombona anjara amin’ny Eokaristia. Na izaho na ianao dia samy lahimatoa amin’ny finoana isika. Saingy misy loza mitatao goavana ho ahy sy ho anao satria tsy latsa-pàka ao amintsika ny tena fitiavana ny Tompo fa manao ny olona dia mba manao aho; mivavaka ny olona dia mba mivavaka aho. Tsy latsa-pàka hoy aho fa manara-drenirano sy manaiky bontolo fotsiny aho amin’izay fombam-pivavahana eo. Ny loza mitatao ho ahy dia io lazain’ny Kristy io hoe hialoha làlana ahy any am-paradisa ny makorelina sy ny jiolahim-boto raha tsy miova amin’izany fomba fivavahako sy fomba fiainana somambisamby izany aho. Tsy dia ny fanaovana “eny” no ilain’ny Ray fa ny “fanantaterahana” ny sitrapony. Hamaranako ny fifampizarana dia miarahaba manokana ireo rehetra mitondra ny anarana hoe “Terezy” aho fa fetinareo androany; fetin’ny olomasina mpiaro anareo dia i Terezy kelin’i Jesoa; ilay andrarezin’ny Fitiavana ny Tompo.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0661