Ny fihevitro tsy fihevitrareo

Alahady tsotra faha 25 mandavan-taona - Taona A

Ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny làlanareo tsy mba làlako” (Mt 20, 1-16a)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Manoloana Fanoharana iray indray isika amin’ity aalahady faha-25 mandavataona ity; fanoharana anakiray izay mampitroatra sy maha-te hiteny hoe “tsy rariny kosa izany, dia hitovy ve izany ny karaman’ny rehetra? Sao lahy ka dia zara vilana izao?” Dia izany tokoa aloha; rehefa mamaky tsara ary mahazo an-tsaina ny tantara sy ny zava-misy dia izany tokoa no fihetseham-po voalohany. Nahoana kosa moa no dia hitovy ny karama raisin’ny olona miditra amin’ny enina maraina sy miditra amin’ny enina hariva? Raha izaho manokana aloha dia mba tsy nanaiky hijanona amin’izao fotsiny aho satria tsy rariny izany. Asa ianao raha toa ahy sy ireo olona nisavoritaka lazain’ny fanoharana ireo? Rariny ny fomba fijerin’ireo olona ireo; rariny ny fomba fijeriko sy ny fijerinao. Rariny avokoa satria fomba fijery amin’ny maha olona no ijerentsika sy itsarantsika ny zava-misy. Fa ny an’Andriamanitra hafa mihitsy ny fomba fijeriny sy ny fitsarany; ny Azy hafa mihitsy ny fandanjany ny zavatra ampitondrainy antsika olombelona. Rariny amin’izay fomba fijerintsika isika fa Andriamanitra kosa Marina amin’ny fomba fijeriny sy ny fitsarany.

Amin’ny maha fanoharana azy dia misy sary ampitain’i Kritsy amintsika. Ny Fanjakan’ny Lanitra dia tsy inona tsy akory fa ny Fiainana mandrakizay miandry antsika rehetra indray andro any, rehefa rahatrizay isika mandao ety. Ny tompontrano mpampikarana kosa dia tsy iza fa Andriamanitra Ray, izay miantso ny tsirairay amin’ny fotoanany sy tsy amin’ny fotoanany ho eo amin’ny tanimboly. Ny tanimboly dia ny fiainantsika tsirairay isam-batan’olona ary ny voaloboka kosa dia ny Finoana; noho izany ny tanimboaloboka dia fanoharana momba ny Fiainam-pinoan’ny tsirairay amintsika rehetra. Mazava loatra, ny mpikarama moa dia tsy iza akory fa isika rehetra tsirairay kosa indray. Miantso antsika tsirairay hirotsaka eo amin’ny Fiainam-pinoana ny Tompo satria tsy zakany ny mahita antsika midonanam-poana sy mihaihay tsy manan-kianteherana eo amin’ny fiainana ary satriny dia satriny raha mba samy miditra amin’ny fahasambaran’ny fiainana mandrakizay isika rehetra. Asa tokoa hoy aho fa rehefa tsy misy “zavatra” hinoana sy hantenaina dia toy ny mihaihay sy mitsingevana fotsiny izany ny fiainana… Izany indrindra no mahatonga ny Tompo hiantso antsika ho amin’ny Finoana; mba tsy ho verivery foana ny fanantenana ao anatintsika. Isika olombelona anefa tsy mitovy fiainana avokoa. Noho izany dia tsy mitovy ihany koa izany ny ora sy ny fotoana ary ny toerana hiantsoan’Andriamanitra ho amin’ny finoana; ao ireo mandray sy velona amin’ny finoana fony fahakely mihitsy, ao indray ny sasany amintsika eo amin’ny fahatanorana. Fa tsy vitsy ihany koa ireo resilahatra sy latsa-paka amin’ny finoana ary mirotsaka tanteraka amin’ny fiainana araka ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fahanterany. Fa na akory anefa fahasamihafan’ny fotoana idirantsika amin’ny fiainam-pinoana dia iray ary mitovy ny karama sy valisoa miandry antsika rehetra dia ny “fiainana mandrakizay”. Tokana ihany ny fiainana mandrakizay dia ny “fiainana mandrakizay”. Fa isika olombelona moa “tsy maina fa lena” ka manjohy eny foana ny fialonana ary izany no mahatonga antsika hisakoroka amin’ny fihevitr’Andriamanitra mampitovy saranga antsika rehetra. Efa toetra raiki-tapisaka sarotra ialana amintsika loatra ny fialonana; mialona raha vao mba mahazo fahasoavana manokana ny hafa; mimenomenona be resaka sy takoritsika rehefa mba misy olon-dratsy ikoizana kanefa nibebaka sy niverina amin’ny fiainam-pinoana rehefa mby amin’ny androm-pahaterany. Samia mamisavisa fa ny fihevitr’Andriamanitra tsy mba toy ny fihevitrantsika.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0948