Noho ianao nahatoky tamin'ny kely

Alahady faha 33 tsotra mandavan-taona

Noho ianao nahatoky tamin'ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin'ny tomponao” (Mt 25, 14-30)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ataoko fa tsikaritrao fa ity Evanjely vakiana amintsika amin’ity alahady androany ity dia manjohy ny novakiana tamintsika tamin’ny heriny; mbola manamafy an’ilay “Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”. Fa ny tena ifotorany kosa androany dia tsy ny fiambenana loatra fa ny atao mandritra an’io fotoana iambenana io. Resaka talenta moa no vontoatin’ny Evanjely androany; talenta hampitomboina fa tsy hasitrika an-davaka sanatria. Rehefa hoavy amin’ny andro farany eo amin’ny tsirairay ny Tompo dia hanontany antsika ny fomba nampiasantsika ny talenta nomeny teo am-pelatanantsika.

Sary roa no anehoana ny talenta eto; ny sary voalohany dia miainga ara-bakiteny amin’ny voambolana ary ny faharoa kosa dia ny finoana. Oharin’ny Evanjely amin’ny “vola” omena ny tsirairay hampitomboina sy hampiasaina ny Finoana. Horesahantsika tsirairay ireo sary roa ireo. Ny talenta dia tsy inona akory fa ireo harena sy fahasoavana maro nomen’Andriamanitra ahy sy anao: ny fotoana, ny toerana, ny fahaizana sy ny halalinan-tsaina, ny andro sy ny ora, ny fahasalamana sy ny hery, ny vola sy ny harena. Rehefa hoavy amin’ny andro hiverenany indray ny Tompo dia hitaky amiko, hitaky aminao ny fomba nampiasanao ny Fotoana, ny fomba nampiasanao ny fahasalamana, ny fomba nampiasanao ny halalinan-tsainao sy ny harena rehetra misy teo am-pelatananao. Hozahany raha toa ka nampiasaiko ary nampiasainao araka ny tokony ho izy ireo harena sy fahasoavana nomeny. Tsy hoe ihany nampiasana araka ny tokony ho izy fa hozahany ihany koa raha toa ka nampitomboina. Ny fampitomboana tiana ho lazaina eto dia tsy lafiny isa loatra fa indrindra indrindra ny fampiasana azy hahasoa ny besinimaro ary nanasoavana ny mpiara-belona. Saingy izao, rehefa hitsara antsika ny Tompo, tsy hanontany Izy hoe nahavita asa mahagaga sy mahatalanjona ny mpiara-monina ianao. Tsy ny isa vokatrin’ny talenta nomena no hitsarany antsika. Ny mizana handanjany antsika tsirairay dia mitovy; tsy isa na tarehimarika fa ny ezakin’ny tsirairay nampitombo ny eo am-pelatànana ka nanao izay azo atao rehetra, tsy amin-tahotra fa am-pitiavana tanteraka hanasoa ny mpiara-belona.

Ny sary faharoa tiana hambara dia ny Finoana. Tsy misy olona afaka hilaza hoe tsy manam-pinoana izany; raha lazaiko amin’ny fomba hafa dia hoe tsy misy olona tsy naheno an’izany atao hoe “Andriamanitra” izany. Efa voarotsaka ao am-pontsika Andriamanitra hatrany am-pahariana; efa voarotsaka niaraka tamin’izay koa ny Finoana azy fa tsy hoe akory vao ho volavolaina taty aoriana. Manafin-talenta anefa isika rehefa variana amin-javatra hafa ka mametraka Azy ho faharoan-draharaha, mandevin-talenta isika rehefa manadino sy manao antsirambina ireo andro sy fotoana tokony hivavahana sy hampitomboana ny Finoana. Tsy misy valaka amin’ilay “mpanompo nandray talenta iray ka nandevina izany tao anaty lavaka” aho rehefa injay ka mandeha mirenireny sy manjono rehefa Alahady, fotoana tokony hivavahana sy hampivelarana ny finoana. Mandevin-talenta sy mandevim-pinoana ianao rehefa injay ka manapa-kevitra ny hamonjy sofà sy seza salony ny alahady ary mitsilailay manaraka ny fandarahana baolina kitra amin’ny fahita-lavitra, na koa mijery ilay horonan-tsary mpandeha isak’herinandro. Sanatria dia sanatria raha toa ka moraly na sazy am-panahy no ilazako izany fa manao izay haha ankehitriny ny fampianaran’ny Evanjely aho. Tsy tokony ho hadinoko ary aza hadinoinao fa ny fomba tokana handraisanao anjara amin’ilay fanasan-dehibe amin’ny andro farany dia ny fampitomboanao ny talentam-pinoana noraisinao.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0709