Nivarotra izay mety ho fananany izy ary nividy io saha io

Nampiditra : admin
Daty : 29/07/2017

Alahady tsotra faha 17 mandavantaona - Taona A

Nivarotra izay mety ho fananany izy ary nividy io saha io.

(Mt 13, 44-52)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

“Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io. Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara. Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.”

Sarin-teny roa indray ary androany amin’ity Alahady ity no anoharan’i Kristy amintsika momba ny Fanjakan’ny lanitra; ny voalohany amin’izany dia ny rakitra ary ny faharoa kosa dia ny voahangy na vato sarobidy. Ny hevi-teny azontsika tsoahina voalohany indrindra amin’ireo dia ny maha-zava-dehibe ny fanjakan’ny lanitra. Sarobidy ny Fanjakan’ny Lanitra.

Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha. Miafina ny Fanjakan’ny lanitra. Ny tian’ny Kristy hambara amin’ilay miafina dia tsy hoe akory sanatria fahalozàna tsy hizara izany amin’ny hafa fa anehoany ny maha-sarobidy azy. Ny zavatra soa sy mendrika indrindra dia tsy mba “ajilajila” fa tandrovana fatratra ary apetraka amin’ny toerana tsy misy mpahita. Fa izany eo ihany, fa ny tiany holazaina ihany koa amin’ilay teny hoe “miafina” dia satria miafina eo amin’ny fiainantsika ny Fanjakan’ny Lanitra. ny Fanjakan’ny Lanitra dia tsy mba zavatra ho karohina alavitra be fa eo anivon’ny saham-piainantsika izy no miafina sy misitrika. Dia anjaran’ny tsirairay ny mitady azy eo anivon’ny fiainany, anjaran’ny tsirairay ny mikaroka azy ary manao izay hahazahoana azy. Tsy lavitra hoy aho teo ny Fanjakan’ny lanitra fa eo anivon’ny fiainantsika fa anjaran’ny isam-batan’olona ny mikaroka sy manapoitra azy. Saingy “valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika”; dia lazain’i Kristy dieny mialoha ihany koa fa tsy hoe takari-potsiny ny Fanjakan’ny lanitra fa mila misikim-ponitra ny tsirairay mba hahitana azy eo amin’ny fiainana, mila mahafoy izay ananana ny isan’olona mba hahazahoana azy. Zava-tsarobidy ny Fanjakan’ny Lanitra ka tsy azo raha tsy ahafoizana izay mamy eo am-pelatànana ihany koa.

Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny fitadiavana vato saro-bidy. Efa natsidiko etsy ambony fa mila misiki-ponitra ny fitadiavana ny Fanjakan’ny lanitra. Tsy azo anaovana “ariary zato am-pandriana” ny Fanjakan’ny lanitra fa mila mikofokofoka vao mahazo azy. Eto dia tsaroako ilay sangisangy fanaon’ireo olon-dehibe fahiny mahakasika ny Batemy: “heverinao ho moramora angaha ny Katesisy rehefa mahita an’i Ralekisisy vita Batemy”. Ny tiana holazaina dia hoe tsy azo mora ary tsy kilalao akory ny raharaham-pinoana fa mila fihafiana sy fahafoizan-tena, mila fahafoizam-panànana ary fandavan-tena goavana. Tsy zavatra atolo-maina ny Fanjakan’ny Lanitra fa ny tsirairay no mila mitsangana ka “mitsakaraka” izany eny rehetra eny. Ny eny rehetra eny tiako holazaina dia ny fiainana manontolo mihitsy.

Koa alao hery àry, hatanjaho ny heri-po, ankaherezo ny finiavana hikaroka ny Fanjakan’ny lanitra eo amin’ny fiainanao. “Aza miriorio an-karona fa ny zezika am-bala”; aza misahirana mandeha mitety an’izao karazam-piangonana rehetra izao hitady ny Fanjakan’ny Lanitra. Ao anatinao ao ny Fanjakan’ny lanitra. Ny fiainanao io no saha iafenan’ny Fanjakan’ny Lanitra. Sahia mitady ary sahia mahafoy.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0138 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org