Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora

Alahady Tsotra faha 32 mandavan-taona - Taona A 

Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.” (Mt 25, 1-13)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ataoko fa tsy ho vahiny aminao intsony kosa ity Evanjely aroson’ny fiangonana ho antsika androany ity; momba ilay virjiny dimy hendry sy dimy adala. Matetika rehefa hanao fanoharana sy fampianarana momba ny hanànana faharetana manko dia matetika io Evanjely io no raisina; tsy hoe fotsiny manko satria misy an’ireo vehivavy ireo miandry ilay mpampakatra fa indrindra koa satria mahakasika ny finoana ilay raha. Ny tadindona voalohany ambaran’ny jiro na koa fanala manko dia ny finoana, ary raha vao miteny finoana kosa dia faharetana no ambadik’izay.

Mahakasika ny fampakaram-bady manko ity evanjely ity dia tiako raha hijery ny mombamomba sy ny fombafomba momba izany eo amintsika malagasy no hanombohantsika ny fifampizarana sy ny dinidinika. Asa aloha raha mba toy ny any aminay ny any aminareo rehefa misy fangataham-bady. Fanao teo aloha, fa ny amin’izao tsy haiko loatra intsony, ny fampodiam-bady dia ny andro anaovana ilay fangataham-bady iny ihany. Izany hoe, rehefa vita ny fangataham-bady dia avy hatrany dia miaraka mody amin’ilay zazalahy omban’ireo fianakavian-drazazalahy ilay tovovavy nangatahana sy ampakarina ho vady. Fanaon’ireo fianakavian-drazazavavy ny mampiandry an-drazazalahy sy ny fianakaviany tonga hangataka an-drazazavavy, ary matetika aza dia efa takariva efa leti-masoandro vao ampandrosoin’izy ireo ny mpangata-bady; tsaroako amin’ny fotoana sasany fa efa tonga ny tolakandro ny mpangata-bady, fa dia miandry mijajihitra eo andrefa-tànana eo, tsy misy mpampandroso, tsy misy mpandray fa dia miandry eo hatramin’ny efa leti-masoandro. Ankoatrin’ny fiandrasana elabe toy izany, dia manginy fotsiny ny resaka sy ny kabary lava reny sy mitarozaka mandritran’ny fangataham-bady. Vokany, efa madiva haraina vao tonga an-tànana ny mpangata-bady sy ratovovavy nalaina; ao an-tànana koa anefa ny rehetra dia efa mba miandry sy vonona hahita ilay tovovavy vinanto vao. Toy izany indrindra no mitranga eto amin’ity Evanjely ity; niandry ka niandry ireo fianakavian’ny mpampakatra ny hiavian’ny mpangata-bady sy ireo mpiara-dia. Misy moa milaza fa tsy dia mifanalavitra amin’ny fomba jody ny fombafombam-piainana sasany malagasy; tsy iny loatra no tiako hasiana tsindrim-peo fa ny “faharetana” miandry. “Izay maharitra vadin'Andriana, izay tsy maharitra vadin'i Kotokely” hoy ihany koa ny tenin-drazantsika. Antoka iray hahazahoana ny tsara indrindra ny faharetana.

Araka ny efa voalazako tery am-piandohana moa dia sary iray lehibe no ambaran’ny “fanala” na ny “jiro” sady efa fatatsika rahateo izany. Ny Finoana no tiana hambara amin’ny Fanala eto ary izany matetika no sary asehony. Ny “solika” kosa dia ny fanaovana ny soa sy ny tsara ary izay sitrapon’Andriamanitra. Ny mpampakatra dia i Kristy ary ny ampakarina kosa dia ny fiangonana. Aza hadino anefa fa isika tsirairay, ny tenantsika tsirairay dia fiangonana kely satria tempolin’i Kristy rahateo isika. Noho izany, isika tsirairay dia ampakarina ihany koa. Ny virjiny miandry ny mpampakatra dia mbola isika rehetra ihany; tsy anjarako ary tsy anjaranao no mitsara hoe i ranona virjiny hendry fa i ranona kosa virjiny adala. Ny fotoana fampakarana, izay tsy arakin’ny fiheverantsika azy matetika hoe amin’ny andro farany na amin’ny andro hahafatesana, dia isan’andro kosa. Isan’andro, isan’ora ary isa-minitra ihany koa aza ny fotoana hiavian’ny Kristy hampakatra antsika tsirairay. Sady virjiny asaina hiandry ny mpampakatra isika rehetra eto amin’ity fandalovana ity no sady ihany koa ilay ampakarina. Koa hamafiso ary ny Finoana, hatanjaho ny Fanantenana ary isikino ny faharetana, isan’andro isan’ora, fa tsy misy mahalala isika ny andro hiavian’ny Tompo na izao na ho rahampitso.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718