Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy

Alahady fankalazana an'i Kristy Mpanjaka

Ary rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak'olona otronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy” (Mt 25, 32-46)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Voalohany indrindra aloha dia miarahaba antsika rehetra tratran’ny Fetin’i Kristy Mpanjaka. Androany tokoa, ny Fiangonana Katolika maneran-tany dia mankalaza an’i Kritsy Mpanjaka sy Mpifehy ny tontolo. Tsy hoe fihetseham-po na eritreritra tsy tàna akory ny anton’izao fankalazana izao fa tena ny fototrin’ny Finoana mihitsy no omen-danja sy hasina ary ankatoavina amin’izao fihetsika feno fankasitrahana izao. Arahabaina ihany koa anefa isika rehetra satria nahatratra izao faran’ny taonan’ny Fiangonana izao; mifarana amin’izao fankalazana an’i Kristy Mpanjaka izao manko ny taona Litorjika. Averiko ihany: samy arahabaina isika rehetra.

Raha ny Evanjely vakiana amintsika amin’ity andro androany ity dia momba ny hataon’i Kristy amin’ny andro farany: hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany Izy ary hitsara ny tsirairay amintsika rehetra, dia hanavaka ny tsara amin’ny ratsy: ny tsara moa homeny ny anjara lovany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny fahasambarana tsy misy fetra, ny ratsy kosa, higoka ny ngidy sy ny hafaitran’ny fiainam-pijaliana mandrakizay. Zavatra mazava izany; tsy hitovy na oviana na oviana ny valisoa raisin’ny tsirairay mandritran’ny fiainana fahavelona. Ny soa sy ny ratsy atao fahavelona no mamaritra ny anjara toerana rehefa mandao ity tany fandalovana ity. Tsy hoe ny finoana kristianina ihany akory no manana izany finoana izany fa na ny finoan-drazantsika malagasy dia efa nahatakatra izany tanteraka. “Izay mamafy rivotra, mijinja tadio” hoy ny ohabolan-drazana. Fa tsy izany ihany, fa ao dia ao ihany koa ny finoana momba ny razana mitahy sy ny razana mihalohalo ary mandoza. Ny olona nanao ny marina fahavelona ihany no antsoina hoe “razana” fa ny olon-dratsy, ny mpamosavy, ny mpamorika kosa tsy antsoina toy izany fa antsoina fotsiny hoe “very”. Ireo olona antsoina hoe razana ireo dia miaraka mifaly ary eo akaikin’ny Zanahary no misy azy ireo; ary tsy vitan’izay ihany fa antsoina ireo mba hitahy sy hiaro ny velona amin’izay hatao sy kasaina eo amin’ny fiainana. Miankina amin’ny “atao” ankehitriny fahavelona no mamaritra ny ampitso andaozana ny tany.

Ny “atao” tsara haha-razana kristianina antsika, izany hoe ny haha eo an-kavanan’i Kristy ao amin’ny fiainam-pahasambarana mandrakizay dia tsy inona tsy akory fa ny fanantaterahana ny “noana aho, nomenareo hanina, nangetaheta aho, nomenareo hosotroina; nivahiny aho, nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, notafianareo; narary aho, novangianareo, tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo”. Tsy ny fitafianao tsara, tsy ny tranonao miezinezina, tsy ny laza amam-boninahitra, tsy ny tany be mitoman-davana, tsy ny omby vositra maro ao am-bala, tsy izany akory no lasitra hamaritana antsika hahazo na tsia ny fanjakan’ny lanitra. Tsy ny maha relijiozy na maha-pretra, tsy ny maha filoha na manam-boninahitra, tsy ny maha ray aman-dreny ankatoavina sy henoin-teny, tsy izany velively no ho mizana handanjana antsika. Ny mizana tokana hizahana ny tsirairay fa mendrika na tsia handova ny lanitra dia ny “Fitiavana”; izay ihany. Soa ihany fa izay satria mitovy ny kianja hifanandrinana tsinona amin’izay. Ny Fitiavana no hitsarana antsika fa tsy ny hoe fanarahana ny finoana atsy na ny fiangonana aroa akory; ary soa ihany satria tsy misy fanavakahavana dieny ety am-piandohana amin’izay. Meteza ho Fitiavana ary aza sasatra mijoro amin’ny Fitiavana ary tadidio fa ny fetran’ny Fitiavana dia ny Fitiavana ihany. Zay!

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1244