Hatramin’ny impito-polo fito

Alahady tsotra faha 24 mandavantaona Taona A

Izaho tsy milaza mainao hoe hatramin’ny impito fa hatramin’ny impito-polo fito” (Mt 18, 21-35)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

“Ny heloka ibabohana tonga rariny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka” hoy ny ohabolan-drazantsika. Raha hazavaina fohy dia hoe na inona na inona hadisoana sy tsy fahamendrehena ara-pitondran-tena eo anivon’ny fiaraha-monina, rehefa ibabohana sy ekena fa diso dia tonga rariny ary ahazahoana famelana. Fa na rariny toy inona koa anefa, rehefa izahozahoana sy ahindrahindra ary anaovana tsinotsinona ny hafa dia tonga heloka satria tsy misy olona tonga lafatra ary tsy misy olona ambonin’ny hafa. Ataoko fa mifanandrify tanteraka izany ohabolan-drazantsika izany amin’ity Evanjely vakiana amintsika androany ity. Marihiko eto am-piandohan’izao fifampizarana izao fa manohy ny Evanjely efa novakiana sy nifampizarantsika tamin’ny heriny moa izy ity ary mahakasika indrindra ny fiekena heloka sy ny fibabohana.

Tonga rariny ny helok’ilay mpanompo ananan’ny tompony talenta iray alina (and-26) satria niaiky teo anatrehan’ilay mampiasa azy izy fa tsy manan-kaloa ary hiezaka hamerina izany arak’izay azony atao. Noho ny fiekeny, noho ny fibabohany dia nahazo rariny izy satria “tany mena ve hirehitra”; tsy manan-kaloa eo noho eo izy ka mba niangavy andro hamerenana ny fananan’ilay mpampiasa azy. Ary noho izay fiekeny izay dia nahazo rariny izy tamin’ilay lehibeny izay manana trosa aminy. Fa io olona io ihany koa anefa mba manana trosa amin’olon-kafa izay samy mpiara-miasa aminy. Vao nifanena tamin’io izy dia nitaky ny trosany. Rariny dia rariny ny azy raha nitaky izany izy satria fananany izany. Rariny raha hidrikina izy sy hanao izay fomba rehetra hamaizana ilay manana trosa aminy ihany koa satria fananany no atao tsinotsinona. Rariny tanteraka raha hitaky ny talentany izay any amin’olon-kafa izy satria hatsembohan’ny tavany iny. Fa saingy izay rariny itompoany izay dia tonga heloka ho azy. Tonga heloka satria lasa fanaovana tsinotsinona ny hafa sy tsy fiheverana ny manodidina; tonga heloka satria lasa fanitsakitsahana ny zon’ny hafa izay mba te-hanan-drariny ihany koa.

Ilay fiteny hoe “maso efai-maso, nify efai-nify” dia rariny. Saingy ny Rariny ho antsika Kristianina dia mihoatra lavitra noho izany. Ny Rariny faratapony ho antsika kristianina dia ny Famelan-keloka ary androany dia mampianatra antsika i Kristy fa ny Famelan-keloka dia tsy azo isaina ary tsy misy fetra tratrarina fa mitoetra ho Rariny mandrakariva. Ny “lafatra tsy misy fa ny minia mikipy tonga heloka”. Mazava, ary averiko lazaina amintsika fa tsy misy olombelona tonga lafatra na iray aza. Raha ny filazan’ny raiben’ny finoana azy aza moa dia hoe “ny olomasina indrindra no manota impito fara fahakeliny ao anatin’ny indray andro”. Noho izany, efa tandra vada-koditrin’ny olombelona ny tsy fahalavorariana. Andriamanitra irery ihany no lavorary, Izy irery no lafatra fa isika rehetra, eto amin’ity tany fandalovana ity dia mandavorary tena tsikelikely mba hahafahana mihaona Aminy indray andro any. Tsy efantsika irery izany asa fandavorariana izany fa mila ny herin’Andriamanitra isika; izay fanampian’ny Tompo antsika izay no antsoina hoe “famelan-keloka”. Ny fiezahantsika, omban’ny famelan’ny Tompo ny helokantsika no mandavorary antsika tsikelikely. Fa ho tambin’izany rehetra izany ihany koa anefa dia isika samy isika koa dia tsy maintsy mifamela heloka ary mifampizaka fahalemena. Tsy fikambanan’ny olona madio ny fihavanana kristianina, fa olona tsy lavorary manaiky hiombom-piainana mivelona amin’ny famindram-pon’Andriamanitra sy mifampizara an’izany amin’izy samy izy ary mijoro ho vavolombelon’ny Fitiavana.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226