Hatao hoe Zanak'Andriamanitra ny Masina haterakao

Alahady fiaviana faha efatra - Taona B

Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao, ary ny herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra ny Masina haterakao

(Lk 1, 26-38)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Rehefa mivavaka isika dia mitalaho amin’ny Tompo mba hiditra eo amin’ny fiainantsika Izy; tsy hoe moa miditra ihany fa mba manova ny fiainantsika mihitsy koa aza. Rehefa mivavaka isika dia maniry mba hitantana ny fainantsika ny Tompo. Ary noho ny Tompo tsara fo sy tsy mahafoy antsika dia tonga tokoa Izy ary miara-monina amintsika. Fa ny mahagaga, tsy hoe ho anao ihany fa na izaho koa aza mba sadaikatra ihany rehefa tojo izany, rehefa tonga eo amin’ny Fiainako, rehefa mirotsaka eo amin’ny fiainanao ny Tompo dia somebiseby ary sahirana ihany isika. Dia tonga amin’ny fitenin-drazantsika hoe “faly sahirana toy ny akohokely tsipazam-potsimbary” satria hafa noho izay heverintsika ny fitondran’Andriamanitra; tsy hoe moa aza hafa fa mihoatra noho izay heverintsika ny fandaharany. Izany mihitsy ny Azy; ny hevitsika tsy mba fiheviny. Efa ela dia ela ny vahoaka Israely no niandry an’izany atao hoe Mesia izany. Vahoaka voazanaka, vahoaka voafehim-pirenena hafa ny vahoaka Israely, ka naniry dia naniry ny mba hiavian’ny Mesia Mpamonjy hanafaka azy ireo. Ny tovovavy rehetra dia samy naniry ny mba ho renin’izany Mesia izany; dia samy niandry. Mazava hoazy, amin’ny maha Mesia azy dia dia ireo totovavy mba tsaratsara saranga no nihevitra kokoa ho renin’izany Mesia izany. Nony tonga tao amin’i Maria ny Anjely dia sadaikatra fatratra izy; tsy hoe satria tovovavy tsotra fotsiny izy fa na ny tokatranony aza tsy mbola milamina fa mbola fofombadin’olona fotsiny izy fa tsy mbola vady tanteraka. Sadaikatra izy satria mihoatra lavitra noho izay heveriny ny fitondran’Andriamanitra azy.

Fa izay ny an’i Masina Maria fa na isika ihany koa hoy aho tery ambony dia sedra trangan-javatra toy izany; sadaikatra mihitsy rehefa tonga eo amin’ny fiainantsika ny fahasoavan’ny Tompo. Tsy mahagaga izany satria matoa toy izany dia mahatsapa fa tsinotsinona isika eo anatrehan’ny Tompo sy ny fitobakan’ny fahasoavany mitafotafo manana amby ampy. Dia manomboka mihalangalana sy manilika; sanatria tsy hoe tsy matoky ny Tompo fa mahatsapa tena fa kely dia kely eo anatrehan’izany fahasoavana ngeza be izany. Soa ihany fa ny Tompo dia “tsy mipody vato zinera” fa izay kasainy sy iriny ho antsika ary ampanantenainy ho tontosaina dia tanterahiny antsasakany sy andavany; tsy ankininy amin’izay ho halemena sy maha tsinontsinona antsika ny fitondrany sy ny fivimbinany. Ary raha ny marimarina kokoa aza dia “Izy mahalala izay mahasoa antsika” mihoatra lavitra noho izay mba heverintsika ho mety sy ho tsara. Ny hany sisa atao, dia ny matoky sy mino izay fitondrany sy fivimbinany antsika. Eto aho dia manamafy fa ny Finoana izay itondran’Andriamanitra antsika dia mahatontosa mihoatra lavitra izay kasaina sy irina ary alahatrantsika. Ny finoana izany no antoka haha lavorary sy hahatomombana izay irina sy kasaina. Marina fa mpanota isika, marina fa madinika ary bitika sy kely fa saingy Andriamanitra rehefa mamolavola piraogirama ho antsika sy ny olombelona rehetra dia tsy izany no jereny; ary izay mahakely sy bitika izay aza no toe-tsaina iriny sy lalainy fa izay manetry tena sy miaiky ny maha kely azy no vonona kokoa handray manontolo izay kasain’Andriamanitra. Andriamanitra tsy mandahatra izay kasainy ao anatin’ny avonavona fa manatontosa izay iriny kosa ao anatin’ny fanetren-tena sy fiekena ho tsinotsinona. Enga anie izao andro tokana mialohan’ny fankalazana ny Noely izao hamolavola antsika ho mendrika hankalazana tsara ny nahaterahan’ny Mpamonjy.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01