Fa aza maka tahaka ny ataony

Ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony,

satria milaza fotsiny izy fa tsy manao” (Mt 23, 1-12)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Tsy adala akory ny Ntaolo razantsika raha niohabolana hoe: “Mpitari-bato vilam-bava, hafa ny tondroin'ny tànany ary hafa ny tondroin'ny vavany”. Efa hatrin’ny fahagolan-tany no efa tsapan’ireo razantsika ireo fa fitaka raha tsy mifanaraka ny lazaina sy ny atao: ny tsy fifanarahan’ny atao sy ny lazain’ny vava no atao hoe fitaka. Ny fitaka dia izay rehetra mitondra amin’ny fahavoazana sy ny fahaverezana ary mandetika ny hafa amin’ny ratsy sy ny voina. Ataoko fa mifanaraka akaiky dia akaiky amin’izany ohabolan-drazana izany ity fampianaran’i Kritsy androany ity: “fehezin'izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany akory aza”. Tsy taiza moa akory no nilazan’i Kristy izany teny mafonja dia mafonja izany fa fony izy nampianatra ny vahoaka ny momba ny tokony hataony manoloana ny fomba fanao sy fomba fiainana ary ny toe-tsaina ananan’ny Mpanora-dàlana sy ny Farisianina. Hahazahoantsika bebe kokoa ny antony sy ny toniany nahatonga an’i Jesoa nilaza ireo teny ireo dia tsara ny hahalantsika fa ny Mpanora-dàlana sy ny Farisianina no tompo-menakely teo amin’ny fiaraha-monina sy ny foto-pinoana hebrio. Ny Mpanora-dàlana no mpitondra sy mpandrindra ny fiaraha-monina; raha lazaina tsotra ankehitriny dia mpitondra fanjakana ireo. Ny Farisianina kosa no tompon’andraikitra momba ny lafiny ara-pinoana ary mpampihatra ireo fehezan-dàlana sy fitsipika arahina amin’ny finoana; raha lazaina amin’ny vanim-potoanantsika ankehitriny dia ireo no mpitondra fivavahana. Tamin’izany fotoana izany moa dia mbola nifaningotra akaiky dia akaiky ny fitondrana sy ny fivavahana ary lalàm-panjakana aza ny lalàm-pinoana.

Tsy hitanisa intsony aho hoe inona sy inona avy ary ireo fihetsika sy fomba fanaon’ny mpanora-dàlana sy ny farisianina ireo no tazan’i Kristy ka nahatonga Azy hananatra ireo olona nihaino azy tamin’izay fotoana izay; fa ny mazava aloha dia hoe sadaikatra Izy ary tafitohina tanteraka amin’ny ataon’ireo sokajin’olona roa ireo. Matoa Izy nanitrikitrika mafy an’izany dia tena efa mihoa-pampana ny nataon’izy ireo. Mazava dia mazava ny fahavinirany amin’ny Teniny hoe: “Ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao”. Raha alaina sary an-tsaina izany dia mamolavola sy mametraka làlana isan-karazany ireo mpanora-dàlana sy farisianina ireo ho an’ny fiaraha-monina ary azo sary an-tsaina fa hentitra izy ireo amin’ireo izay mandika izany. Fa saingy, izy ireo indrindra aza no tsy manantateraka sy manitsakitsaka ny làlana; izy ireo indray aza no voalohany amin’ny tsy fanarahan-dàlana.

Rehefa namaky ity andalan-tenin’ny Evanjely ity aho dia tena nanondro molotra sy nitsara avy hatrany ireo mpanora-dàlana sy farisianina lazain’i Jesoa ireo. Rehefa nandinika akaiky anefa aho dia hay tsy ireo olona ireo akory aza kay no tena tian’i Jesoa ho tenenina fa izaho mihitsy; ary tsy izaho ihany fa ianao io ihany koa, isika rehetra mihitsy aza e. Mpitari-bato vilam-bava aho rehefa tsy miaina ny fampianarana sy ny toriteny toriako kay; tsy misy valaka amin’ny mpanora-dàlana sy farisianina “miseho milay” ianao ray aman-dreny rehefa tsy miaina mialoha ny zavatra lazainao hiainan’ny zanakao. Mpihatsara-velatsihy isika rehetra rehefa mitolevaka sy mameno seza any am-piangonana sy amin’ny fiaraha-mivavaka nefa ny toe-piainantsika tsy ahatarafana na dia kely akory aza ny fampianarana kristianina nimatimatesan’i Kristy. Ny tsirairay amintsika no iantefan’i Tenin’i Kristy eto ity ka aoka samy handinika sy hieritreritra ary hanova fomba fiainana.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107