Ahitsio ny làlan'ny Tompo

Alahady fahatelo amin'ny Fiaviana - Taona B

Izaho no feon'ny miantso any an'efitra hoe:

Ahitsio ny làlan'ny Tompo, araka izay voalazan'Izaia mpaminany” (Jn 1, 6-8. 19-28)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Afaka herinandro katroka androany, dia hankalaza ny nahaterahan’i Mesia isika; andro malaza, andro soa tokoa izany andro izany satria andro ahatanterahan’ny Famonjena izay efa nampanantenain’ny Tompo efa hatrizay. Averiko ihany, araka ny efa nolazaiko tamin’ny heriny fa tsy ho an’ny  zanak’Israely ihany akory io tantaram-pamonjena io fa ho antsika rehetra tsy ankanavaka; tompon’anarana ihany ny zanak’Israely fa ny misitraka izany fahasoavana avy amin’ny Tompo izany dia ny olombelona rehetra mihitsy.

Raha vao miresaka tantaram-pamonjena dia tsy azo odian-tsy hita na ovina na oviana ireo mpaminany; ny mpaminany dia tsy hoe akory olona mpimasy mahalala ny hoavy fotsiny amin’izao arakin’ny fiheverantsika azy. Ny mpaminany arakin’ny evanjely dia olona mandinika tsara ny lasa, mamaky tsara ny ankehitriny ary mamantatra ny hoavy amin’ny alalan’ny zava-misy amin’ireo vanim-potoana roa ireo. Noho izany, isika rehetra dia afaka maminany avokoa ary azo antsoina ho mpaminany ihany koa. Ankoatr’izany moa, ny batemy noraisintsika fahazaza dia efa nanosotra antsika rehetra ho Mpisorona, Mpaminany ary ho Mpanjaka.

Mpaminany iray lehibe no ambaran’ny Evanjely ho antsika androany ity; tsy iza akory fa i Joany Mpanao Batemy. Efa natsidikantsika teto ihany tamin’ny heriny ny momba ity lehilahy mahery fo ity fa androany dia haompantsika amin’ny fandinihana ny momba azy ny fifampizarantsika. Tsy hoe akory fanaovana tsinotsinona an’i Kristy sanatrian’ny vava no anton’izany; fa vao mainka aza hahalalantsika ny halehibeny sy ny anjara toerany eo amin’ny tantaram-pamonjena. Zavatra roa no nataon’i Joany tany an’efitra: manao batemy ny olona ary miantso azy ireo hibebaka ary hiverina amin’ny Tompo. Raha ny marina kokoa dia zavatra iray ihany ireo fa saingy mizara roa fotsiny ihany. Mampianatra ny olona hibebaka i Joany  ary rehefa tonga saina ka resy lahatra ny olona dia manolo-tena aminy hatao Batemy. Ny batemy eto dia sonia anamarihana io fibebahana io. Fibebahana mitondra amin’ny batemy. Dia toy izany hatrany isan’andro no nataon’i Joany Batista; ary lazain’ny Evanjely fa betsaka ireo olona nanatona azy tany an’efitra. Manoloana izany asa mahavariana ny olona an’efitra izany ireo mpitondra fivavahana sy mpitondra fanjakana dia naniraka olona sady hitsikilo no hamotopototra akaiky hoe iza ary manao inona ilay olona. Rehefa nanontanian’izy ireo i Joany dia hoy: “Izaho no feon'ny miantso any an'efitra hoe: Ahitsio ny làlan'ny Tompo, araka izay voalazan'Izaia mpaminany”. Ny filazany izany dia manaporofo fa tsy izy no Mesia ary lazainy mazava mihitsy fa natao hanomana ny fiavian’io Mesia io izy. I Joany Batista dia “feo” fotsiny ihany fa i Kristy kosa dia “Teny” tonga nofo; samihafa ny dikan’ireo ary izay fahasamihafana izany no tena tsindrian’i Joany tanteraka; feo fotsiny izy fa i Kristy no Teny. I Joany dia manao batemy amin’ny rano, fa i Kristy kosa dia manao batemy amin’ny Fanahy. Kabary zato, teny arivo, ny tiako hahatongavana amin’izany famaritana ambangovangony izany dia tsy inona akory fa fisarihana anao haharitra hatramin’ny farany amin’ny ezaka efa nataonao hiomanana amin’izao andro lehibe izao. Aza miandry olona hafa haminany anao sy hampibebaka anao fa aoka ianao mihitsy no ho mpaminaninao ary aoka ianao mihitsy no hitory fibebahana ho anao. Efa noraisinao tamin’ny batemy ny fahasoavana rehetra hahatomombanao izany adidy goavana izany ka aza manahy fa tozoy hatrany.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096